Salamo 131:1-3
Hira Fiakarana nataon’i Davida.
131 Jehovah ô, tsy nirehareha ny foko,+Ary tsy niandranandrana ny masoko.+Tsy nikatsaka ny ambony loatra aho,+Na naniry hahazo zavatra avo loatra.+
2 Efa nampitony sy nifehy ny faniriako aho,+Toy ny zaza efa nisara-nono eny amin-dreniny.+Toy ny fanirian’ny zaza efa nisara-nono ny faniriana ato anatiko.+
3 Aoka hiandry an’i Jehovah ny Israely,+Manomboka izao ka hatramin’ny fotoana tsy voafetra.+