Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Baiboly ato Amin’ny Internet

NY SORATRA MASINA—FANDIKAN-TENIN’NY TONTOLO VAOVAO

Salamo 130:1-8

Hira Fiakarana. 130  Tao anatin’ny fahoriana lalina no niantsoako anao, Jehovah ô!+   Henoy ny feoko, Jehovah ô!+ Hanongilan-tsofina hihaino ny fitalahoako anie ianao!+   Raha mitsingoloka ny fahadisoanay ianao,+ ry Jah ô, Iza no hahajoro, Jehovah ô?+   Fa ao aminao ny tena famelan-keloka,+ Mba hatahorana anao.+   Manantena aho fa hanampy ahy ianao, Jehovah ô! Manantena aho!+ Ny teninao no andrasako.+   Miandry an’i Jehovah aho,+ Mihoatra noho ny fiandrasan’ny mpiambina izay hahamaraina ny andro.+ Tsy andriny izay hahatongavan’ny maraina.+   Aoka hiandry foana an’i Jehovah ny Israely.+ Fa ao amin’i Jehovah ny hatsaram-panahy feno fitiavana,+ Ary fanavotana miezinezina no ataony.+   Izy no hanavotra ny Israely ho afaka amin’ny fahadisoany rehetra.+

Fanamarihana ambany pejy