Salamo 129:1-8
Hira Fiakarana.
129 “Efa ela izy ireo no te hanisy ratsy ahy, eny, efa hatramin’ny fahazazako!”+Aoka ny Israely hanao hoe:+
2 “Efa ela izy ireo no te hanisy ratsy ahy, eny, efa hatramin’ny fahazazako!+Tsy naharesy ahy anefa izy ireo.+
3 Nataon’ny mpiasa tany toy ny tany asaina ny lamosiko,+Ary nohalavainy ny vava asa nataony.”
4 Manao ny rariny i Jehovah.+Tapatapahiny ny tadin’ny ratsy fanahy.+
5 Ho menatra sy hitodi-doha hiverina+Izay rehetra mankahala an’i Ziona.+
6 Ho sahala amin’ny ahi-maitso eny amin’ny tafo izy,+Ka efa malazo sahady na dia mbola tsy nongotana aza.+
7 Tsy hisy mpijinja hameno ny tanany amin’ireny,+Na mpanangona amboara hamihina an’ireny eo an-tratrany.
8 Tsy hisy mpandalo koa hilaza hoe:“Hotahin’i Jehovah anie ianareo!+Mitso-drano anareo amin’ny anaran’i Jehovah izahay.”+