Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Baiboly ato Amin’ny Internet | NY SORATRA MASINA—FANDIKAN-TENIN’NY TONTOLO VAOVAO

Salamo 128:1-6

Hira Fiakarana. 128  Sambatra izay matahotra an’i Jehovah+ Sy mandeha amin’ny lalany.+   Fa hihinana an’izay nisasaran’ny tananao ianao.+ Ho sambatra ianao ary hahita soa.+   Ho tahaka ny voaloboka mahavokatra ny vadinao,+ Ao amin’ny efitra anatiny indrindra amin’ny tranonao. Ary ny zanakao ho toy ny sampan’oliva+ manodidina ny latabatrao.   Toy izany no hitahiana ny lehilahy tomady+ Izay matahotra an’i Jehovah.+   Hitahy anao avy ao Ziona i Jehovah.+ Jereo koa ny firoboroboan’i Jerosalema mandritra ny androm-piainanao,+   Ary jereo ny zafikelinao.+ Hisy fiadanana anie eo amin’ny Israely!+

Fanamarihana