Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Baiboly ato Amin’ny Internet

NY SORATRA MASINA—FANDIKAN-TENIN’NY TONTOLO VAOVAO

Salamo 126:1-6

Hira Fiakarana. 126  Rehefa nampodin’i Jehovah avy tamin’ny fahababoana ny mponin’i Ziona,+ Dia hoatran’ny nanonofy isika.+   Nihomehy tsy nisy toy izany isika tamin’izay,+ Sady nihoby ny lelantsika.+ Tamin’izay, dia nifampiresaka ny olona teo amin’ireo firenena+ hoe: “Niavaka ny zavatra nataon’i Jehovah ho an-dry zareo!”+   Niavaka tokoa ny zavatra nataon’i Jehovah ho antsika,+ Ka falifaly isika.+   Ampodio avy amin’ny fahababoana izahay, Jehovah ô,+ Toy ny fanambanin’ny renirano ao Negeba.+   Izay mamafy amin-dranomaso,+ Dia hijinja amim-pihobiana.+   Izay mivoaka mitondra masomboly eran’ny harona,+ Eny, manao izany amin-dranomaso,+ Dia tsy maintsy hody amim-pifaliana+ Satria hitondra amboaram-bokatra.+

Fanamarihana ambany pejy