Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Baiboly ato Amin’ny Internet | NY SORATRA MASINA—FANDIKAN-TENIN’NY TONTOLO VAOVAO

Salamo 124:1-8

Hira Fiakarana nataon’i Davida. 124  “Raha tsy nomba antsika i Jehovah”,+ Aoka ny Israely hanao hoe:+   “Raha tsy nomba antsika i Jehovah+ Rehefa nisy olona nitsangana hanohitra antsika,+   Dia ho natelin’izy ireo velona isika,+ Tamin’izy ireo tezitra mafy tamintsika.+   Ho nofaohin’ny rano koa isika,+ Ary ho nanafotra antsika* ny riaka.+   Ho toy ny rano nanafotra antsika Ny olona sahisahy ratsy.+   Hisaorana anie i Jehovah, izay tsy namela antsika+ Ho lasa rembin’ny nifin’izy ireo!+   Toy ny vorona afa-nandositra+ Avy tao amin’ny fandriky ny mpamandri-borona+ isika. Tapaka ilay fandrika,+ Ka afa-nandositra isika.+   Ny anaran’i Jehovah no ahazoantsika fanampiana.+ Fa izy no Mpanao ny lanitra sy ny tany.”+

Fanamarihana ambany pejy

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.