Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Baiboly ato Amin’ny Internet

NY SORATRA MASINA—FANDIKAN-TENIN’NY TONTOLO VAOVAO

Salamo 123:1-4

Hira Fiakarana. 123  Ianao no andrandrain’ny masoko,+ Ry Ilay monina any an-danitra ô!+   Toy ny ibanjinan’ny mpanompo ny tanan’ny tompony,+ Ary toy ny ibanjinan’ny mpanompovavy ny tanan’ny tompovaviny,+ No ibanjinantsika an’i Jehovah Andriamanitsika+ Mandra-piantrany antsika.+   Iantrao izahay, Jehovah ô, iantrao izahay,+ Satria tototry ny fanamavoana be loatra,+   Eny, tototry ny fanesoana tafahoatra ataon’ireo miadana,+ Sy ny fanamavoana ataon’ireo mizahozaho.+

Fanamarihana ambany pejy