Salamo 122:1-9
Hira Fiakarana nataon’i Davida.
122 Faly aho rehefa hoy izy ireo tamiko:+“Andao isika ho any an-tranon’i Jehovah!”+
2 Ny tongotray efa mijoro+Ao an-tanànanao, ry Jerosalema ô!+
3 Toy ny tanàna voaorina tsara i Jerosalema.+Tafakambana tsara ho iray izy.+
4 Any no iakaran’ireo foko,+Dia ireo fokon’i Jah,+Araka ny fampahatsiahivana nomeny ho an’ny Israely,+Mba hisaotra ny anaran’i Jehovah.+
5 Fa any no ametrahana ny sezan’ny mpitsara,+Sy ny seza fiandrianan’ny taranak’i Davida.+
6 Mangataha fiadanana ho an’i Jerosalema!+Tsy hanana ahiahy izay tia anao,+ ry tanàna ô!
7 Hisy fiadanana foana anie ao anatin’ny mandanao,+Ary hisy tsy fananana ahiahy anie ao anatin’ireo tilikambo fonenana manodidina anao!+
8 Noho ny amin’ny rahalahiko sy ny namako no hilazako hoe:+“Hisy fiadanana anie ao aminao!”+
9 Noho ny amin’ny tranon’i Jehovah Andriamanitsika,+Dia hitady izay hahasoa anao foana aho.+