Salamo 121:1-8
Hira Fiakarana.
121 Hanopy ny masoko eny amin’ny tendrombohitra+ aho.Avy aiza no hahazoako fanampiana?+
2 Avy amin’i Jehovah no ahazoako fanampiana,+Eny, avy amin’ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany.+
3 Tsy avelany hangozohozo mihitsy ny tongotrao.+Tsy ho rendremana mihitsy Ilay mpiambina anao.+
4 Tsia, tsy ho rendremana na hatory+Ilay mpiambina ny Israely.+
5 I Jehovah no miambina anao.+I Jehovah no manome alokaloka+ anao, eo ankavananao,+
6 Ka tsy hamely anao ny masoandro rehefa antoandro,+Ary tsy haninona anao ny volana rehefa alina.+
7 I Jehovah no hiambina anao tsy hahita loza.+Eny, hiambina anao izy.+
8 I Jehovah no hiambina anao, na mivoaka ianao na miditra,+Manomboka izao ka hatramin’ny fotoana tsy voafetra.+