Salamo 120:1-7
Hira Fiakarana.
120 I Jehovah no nantsoiko tao anatin’ny fahoriako,+Dia namaly ahy izy.+
2 Jehovah ô, afaho amin’ny molotra mandainga aho,+Sy amin’ny lela mamitaka.+
3 Inona no homena anao ary inona koa no hampiharina aminao,Ry lela mamitaka?+
4 Zana-tsipìka maranitra alefan’ny lehilahy mahery+Sy vainafon’anjavidy.+
5 Lozako fa vahiny monina ao Meseka+ aho,Ary manangana ny tranolaiko eo anivon’ireo tranolay ao Kedara!+
6 Efa ela loatra no niarahako nonina+Tamin’ireo tsy tia fihavanana.+
7 Mandala fihavanana+ aho, nefa isaky ny miteny aho,Dia mila ady amiko izy ireo.+