Salamo 12:1-8
Ho an’ny mpitarika. Atao oktavy ambany.+ Hiran’i Davida.
12 Vonjeo aho,+ Jehovah ô, fa ripaka tanteraka ny olona tsy mivadika.+Tsy misy olona mendri-pitokisana intsony eo amin’ny zanak’olombelona.
2 Mifandainga foana izy ireo,+Ary manao teny fandokafana+ nefa mihatsaravelatsihy.*+
3 Holevonin’i Jehovah ny molotra manao teny fandokafanaSy ny lela mieboebo,+
4 Dia ireo manao hoe: “Handresy izahay noho ny teninay.+Afaka milaza izay tianay izahay. Iza moa no ho tomponay?”
5 “Norobaina ny ory ary misento ny mahantra+Koa hitsangana aho ankehitriny”, hoy i Jehovah.+“Hataoko any amin’ny toerana azo antoka izy ireo, mba tsy ho azon’izay manamavo azy.”+
6 Madio ny tenin’i Jehovah,+Toy ny volafotsy voadio eo amin’ny fatana fandrendrehana anaty tany, eny, voadio impito.
7 Ianao no hiambina azy ireo Jehovah ô!+Ianao no hiaro azy tsirairay tsy ho azon’ity taranaka ity, mandritra ny fotoana tsy voafetra.
8 Mivezivezy etsy sy eroa ny ratsy fanahy,Satria asandratra eo amin’ny zanak’olombelona ny fahambanian-toetra.+
Fanamarihana
^ Na: “manana fo roa.”