Salamo 118:1-29

118  Misaora an’i Jehovah fa tsara izy,+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.+   Aoka ny Israely hilaza hoe:“Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.”+   Aoka ny taranak’i Arona hilaza hoe:+“Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.”+   Aoka izay matahotra an’i Jehovah hilaza hoe:+“Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.”+   Tao anatin’ny fahoriana aho no niantso an’i Jah,+Dia namaly ahy i Jah ka nataony teo amin’ny toerana malalaka aho.+   I Jehovah no momba ahy, ka tsy hatahotra aho.+Inona moa no azon’ny olombelona atao amiko?+   Momba ahy i Jehovah sy ireo manampy ahy,+Ka ho faly aho hahita izay hanjo an’ireo mankahala ahy.+   Aleo mialoka amin’i Jehovah+Toy izay matoky olombelona.+   Aleo mialoka amin’i Jehovah+Toy izay matoky olona ambony.+ 10  Nanodidina ahy ny firenena rehetra.+Tamin’ny anaran’i Jehovah anefa no nandroahako azy ireny.+ 11  Nanodidina ahy izy ireny, eny, nataony voahodidina aho.+Tamin’ny anaran’i Jehovah anefa no nandroahako azy ireny. 12  Nanodidina ahy toy ny tantely izy ireny,+Nefa novonoina toy ny afon-tsilo.+Tamin’ny anaran’i Jehovah anefa no nandroahako azy ireny.+ 13  Natosik’izy ireny mafy aho mba hianjera,+Kanefa i Jehovah no nanampy ahy.+ 14  I Jah no fialofako sy heriko,+Ary izy no lasa mpamonjy ahy.+ 15  Feon’olona mihoby sy voavonjy no re+Ao amin’ny tranolain’ny+ marina.+Maneho ny heriny ny tanana ankavanan’i Jehovah.+ 16  Misandratra ny tanana ankavanan’i Jehovah.+Maneho ny heriny ny tanana ankavanan’i Jehovah.+ 17  Tsy ho faty aho fa ho velona foana,+Mba hanambara ny asan’i Jah.+ 18  Nanitsy mafy ahy i Jah,+Nefa tsy natolony ho amin’ny fahafatesana aho.+ 19  Vohay ny vavahadin’ny fahamarinana,+Mba hidirako sy hiderako an’i Jah.+ 20  Ity ny vavahadin’i Jehovah.+Ny marina no hiditra eo.+ 21  Hidera anao aho, fa namaly ahy ianao,+Ary ianao no lasa mpamonjy ahy.+ 22  Ny vato nolavin’ny mpanao trano+No tonga vato fehizoro.+ 23  I Jehovah no nahatonga izany,+Ary mahatalanjona eo imasontsika izany.+ 24  Izao no andro nataon’i Jehovah.+Hifaly sy hiravoravo isika mandritra izany.+ 25  Jehovah ô, mba vonjeo re e!+Jehovah ô, tahio re mba hahomby izay ataonay e!+ 26  Hotahina anie Ilay ho tonga amin’ny anaran’i Jehovah!+Avy ao an-tranon’i Jehovah no irarianay fitahiana ho anareo.+ 27  I Jehovah no Andriamanitra,+Ary manome hazavana ho antsika izy.+Afatory ny rantsankazo+ mba handravahana ny filaharan’ny mpanao fety,+Ary ataovy hatreny amin’ny tandroky ny alitara izany.+ 28  Andriamanitro ianao, ary hidera anao aho.+Andriamanitro ô, hanandratra anao aho.+ 29  Misaora an’i Jehovah fa tsara izy,+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.+

Fanamarihana