Salamo 116:1-19

116  Feno fitiavana aho, satria nohenoin’i Jehovah+Ny feoko sy ny fitalahoako.+  2  Nanongilan-tsofina nihaino ahy izy,+Ka hiantso azy aho mandritra ny androm-piainako.+  3  Namatotra ahy toy ny tady ny fahafatesana,+Ary azom-pahoriana aho toy ny efa any amin’ny Fasana.*+Ory sy nalahelo foana aho.+  4  Ny anaran’i Jehovah anefa no nantsoiko, ka hoy aho:+“Jehovah ô, vonjeo ny aiko!”+  5  Tsara fanahy sy tia rariny i Jehovah.+Andriamanitra mamindra fo ny Andriamanitsika.+  6  Miaro an’ireo mbola tsy dia nandia fiainana i Jehovah.+Nahantra fadiranovana aho, ka novonjeny.+  7  Hilamin-tsaina indray aho,+Fa nety ny nataon’i Jehovah tamiko.+  8  Novonjenao tsy ho faty mantsy aho,+Notsimbininao ny masoko mba tsy ho latsa-dranomaso, ary ny tongotro mba tsy ho tafintohina.+  9  Handeha+ eo anatrehan’i Jehovah aho, ao amin’ny tanin’ny velona.+ 10  Nino+ aho ka niteny.+Ory dia ory aho. 11  Raiki-tahotra+ aho ka niteny hoe:“Mpandainga daholo ny olona rehetra.”+ 12  Inona no havaliko an’i Jehovah+Noho ny soa rehetra nataony tamiko?+ 13  Horaisiko ny kaopy misy famonjena+ lehibe,Ary ny anaran’i Jehovah no hantsoiko.+ 14  Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho,+Eo anatrehan’ny olony rehetra. 15  Sarobidy amin’i JehovahNy fahafatesan’ireo olony tsy mivadika.+ 16  Jehovah ô,+Mpanomponao ange aho e!+Eny, mpanomponao sady zanaky ny mpanompovavinao.+Novahanao ny fatorako.+ 17  Ianao no hanolorako sorona fisaorana.+Ary ny anaran’i Jehovah no hantsoiko.+ 18  Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho,+Eo anatrehan’ny olony rehetra,+ 19  Ao an-tokotanin’ny tranon’i Jehovah,+Ao aminao, ry Jerosalema ô!+Miderà an’i Jah!+

Fanamarihana

^ Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.