Salamo 113:1-9

113  Miderà an’i Jah!+Manaova fiderana, ry mpanompon’i Jehovah.+Derao ny anaran’i Jehovah.+  2  Hisaorana anie ny anaran’i Jehovah+Manomboka izao ka hatramin’ny fotoana tsy voafetra!+  3  Hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany,+Dia hoderaina ny anaran’i Jehovah.+  4  Nanjary avo noho ny firenena rehetra i Jehovah.+Ambonin’ny lanitra ny voninahiny.+  5  Iza no tahaka an’i Jehovah Andriamanitsika,+Izay monina any amin’ny avo?+  6  Miondrika hijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany izy,+  7  Atsangany hiala amin’ny vovoka+ ny olona ambany,Ary ny mahantra kosa asandrany avy ao anaty lavaka misy lavenona,+  8  Mba hiara-mipetraka amin’ny olona ambony,+Dia ny olona ambony eo amin’ny vahoakany.+  9  Omeny trano hipetrahana ny vehivavy momba,+Ka ataony tonga reny falifaly noho ny fananana zanaka maro.+Miderà an’i Jah!+

Fanamarihana