Salamo 110:1-7

Hiran’i Davida. 110  Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko:+“Mipetraha eto ankavanako+Mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.”+  2  Halefan’i Jehovah avy ao Ziona ny tehin’ny+ herinao,+ ka hoy izy:“Manjakà eo anivon’ny fahavalonao.”+  3  Hanolo-tena an-tsitrapo+ ny olonao+ amin’ny andro anafihan’ny tafikao.+Ao anatin’ny fahamasinana+ sy ny famirapiratanaNo ahazoanao antokona tanora, izay toy ny ando ateraky ny maraina.+  4  Nianiana i Jehovah+ ka tsy hanenina,+ eny, nianiana izy hoe:“Mpisorona mandritra ny fotoana tsy voafetra ianao,+Tahaka an’i Melkizedeka!”+  5  I Jehovah izay eo ankavananao+No hanorotoro mpanjaka maro amin’ny andro fahatezerany.+  6  Hampihatra didim-pitsarana any amin’ireo firenena izy,+Ka hataony feno faty miampatrampatra any.+Hotorotoroiny tokoa ilay lehiben’ny tany be mponina.+  7  Hisotro rano avy amin’ny lohasaha falehan-driaka izy eny an-dalana,+Ka hampitraka tsara ny lohany.+

Fanamarihana