Salamo 105:1-45
105 Misaora an’i Jehovah, miantsoa ny anarany.+Ampahafantaro an’ireo firenena ny zavatra nataony.+
2 Mihirà ho azy, ary manaova hira fiderana ho azy,+Saintsaino ny asany mahatalanjona rehetra.+
3 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina.+Ary aoka hifaly ny fon’izay mitady an’i Jehovah.+
4 Mitadiava an’i Jehovah sy ny heriny.+Mitadiava azy* mandrakariva.+
5 Tsarovy ny asa mahatalanjona nataony,+Sy ny fahagagana vitany ary ny didim-pitsarana naloaky ny vavany,+
6 Ry taranak’i Abrahama mpanompony+Sy taranak’i Jakoba, eny, ianareo olom-boafidiny!+
7 Izy no Jehovah Andriamanitsika.+Mihatra eran-tany ny didim-pitsarany.+
8 Tsaroany mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fifanekena nataony,+Ary tsaroany ny teny nandidiany, na dia hatramin’ny taranaka arivo mandimby aza.+
9 Fifanekena nataony tamin’i Abrahama izany.+Nanao fianianana tamin’i Isaka koa izy,+
10 Dia fianianana nataony ho fitsipika ho an’i Jakoba,Sy ho fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra ho an’i Israely,+
11 Fa hoy izy: “Ianao no homeko ny tany Kanana+Ho anjara lovanareo.”+
12 Mbola vitsy izy ireo tamin’izany,+Eny, vitsy kely sady vahiny nonina tao amin’ilay tany.+
13 Nifindrafindra tany amin’ny firenena samihafa izy ireo,+Ary avy tany amin’ny fanjakana iray, dia nankany amin’ny firenen-kafa.+
14 Tsy nisy navelan’Andriamanitra hanambaka an’ireo.+Fa nananatra mpanjaka mihitsy aza izy noho ny amin’ireo,+
15 Ka nanao hoe: “Aza mikasika ny voahosotro,+Ary aza manisy ratsy ny mpaminaniko.”+
16 Nahatonga mosary teo amin’ilay tany izy,+Dia notapahiny daholo ny hazo fihantonan’ny mofo boribory.+
17 Ary nirahiny hialoha an’ireo ny lehilahy irayNamidy ho andevo, dia i Josefa.+
18 Nogejaina ny tongony,+Ary nasiana gadra vy izy.+
19 Nanadio an’i Josefa ny tenin’i Jehovah,+Mandra-pahatanteraky ny teniny.+
20 Naniraka olona hanafaka azy ny mpanjaka,+Eny, naniraka olona hamaha ny fatorany ilay mpitondra vahoaka.
21 Dia notendreny hiandraikitra ny ankohonany izy,+Sy hitantana ny fananany rehetra,+
22 Mba hifehy ny andrianany, araka izay itiavany azy,+Sy mba hampianatra fahendrena an’ireo zokiolona eo aminy.+
23 Nankany Ejipta i Israely,+Ka nanjary vahiny nonina tany amin’ny tanin’i Hama i Jakoba.+
24 Dia nataon’Andriamanitra maro be ny olony,+Sady nataony nahery noho ny fahavalony.+
25 Navelany hiova ny fon’ny Ejipsianina, hany ka nankahala ny olony izy ireo,+Ary nanao tetika hamelezana ny mpanompony.+
26 Koa nirahiny i Mosesy mpanompony+Sy Arona izay nofidiny.+
27 Dia nasehon’izy roa lahy azy ny famantarana avy amin’Andriamanitra,+Ka nanao fahagagana tany amin’ny tanin’i Hama izy mirahalahy.+
28 Nandefa haizina Andriamanitra, ka maizina ilay tany.+Ary tsy nanohitra ny teniny izy roa lahy.+
29 Novan’Andriamanitra ho ra ny rano,+Ka maty ny trondron’izy ireo.+
30 Feno sahona nifanaretsaka ny tanin’izy ireo+Hatrany amin’ny efitranon’ny mpanjakany.
31 Niteny Andriamanitra, dia tonga ny fihitra+Sy ny moka, ka henika an’ireny ny faritaniny rehetra.+
32 Havandra no nalatsany fa tsy orana,+Ary nandefa afo midedadeda teo amin’ny tanin’izy ireo izy.
33 Naripany ny voaloboka sy ny aviavin’izy ireo.Notapahiny ny hazo tao amin’ny faritanin’izy ireo.+
34 Niteny izy ka tonga ny valala,+Dia zana-balala tsy tambo isaina,+
35 Izay nihinana ny zavamaniry rehetra tao amin’ny tanin’izy ireo+Ary nihinana ny vokatry ny taniny.
36 Ary naripak’Andriamanitra ny lahimatoa rehetra tao amin’ilay tany,+Dia ny voalohan-terany rehetra.+
37 Nentiny nivoaka an’i Ejipta ny olony, izay nitondra volafotsy sy volamena,+Ary tsy nisy tafintohina teo amin’ny fokony.
38 Faly i Ejipta rehefa lasa izy ireo,Satria natahotra mafy azy ireo ny Ejipsianina.+
39 Namelatra rahona izy mba hanakona,+Sy afo mba hanazava mandritra ny alina.+
40 Nangataka hena izy ireo, ka nandefasany papelika.+Ary novokisany mofo avy any an-danitra izy ireo.+
41 Nosokafany ny harambato, dia nikoriana ny rano,+Ka lasa renirano namakivaky faritra karakaina.+
42 Tsaroany mantsy ny teny masina nataony tamin’i Abrahama mpanompony.+
43 Koa nentiny nivoaka tamim-pifaliana ny olony,+Ary nentiny nivoaka tamim-pihobiana ny olom-boafidiny.+
44 Nomeny azy ireo tsikelikely ny tanin’ireo firenena,+Ka nalain’izy ireo ho fananany izay nisasaran’ny firenena samy hafa,+
45 Mba hitandreman’izy ireo ny fitsipiny+Sy hankatoavany ny lalàny.+Miderà an’i Jah!+
Fanamarihana
^ A.b.t.: “ny tavany.”