Salamo 10:1-18
ל [Lameda]
10 Nahoana ianao no mijoro eny lavitra eny, Jehovah ô?+Nahoana no miafina ianao, amin’ny fotoam-pahoriana?+
2 Mihevi-tena ho ambony ny ratsy fanahy ka enjehiny mafy ny ory.+Voafandriky ny tetika nataony izy ireo.+
3 Midera tena ny ratsy fanahy noho ny faniriany feno fitiavan-tena,+Ary mirehareha ny olona mahazo tombony tafahoatra.+נ [Nona]
Maniratsira an’i Jehovah izy.+
4 Mihevi-tena ho ambony ny ratsy fanahy ka tsy mba manadihady,+Izao ihany no ao an-tsainy: “Tsy misy izany Andriamanitra izany.”+
5 Mahomby foana izay ataony.+Avo tsy takatry ny sainy ny didim-pitsaranao.+Hamavoiny izay rehetra mankahala azy.+
6 Hoy izy anakampo: “Tsy mba hangozohozo aho.+Tsy hisy loza hanjo ahy, hatrany amin’ny taranako fara mandimby.”+
פ [Pe]
7 Feno ozona sy fitaka ary fampijaliana ny vavany,+Ary fampahoriana sy faharatsiana no ao ambany lelany.+
8 Mamitsaka ao amin’ny toeram-piafenana ao an-tanàna izy,Ary avy ao amin’ny takona no hamonoany ny tsy manan-tsiny.+ע [Aina]
Ny masony mitily ny ory.+
9 Mamitsaka ao amin’ny takona izy, toy ny liona ao amin’ny fiereny.+Eny, mamitsaka izy+ mba haka an-keriny ny ory.Sintoniny hikombona ny haratony, ka alainy an-keriny ireny.+
10 Torotoro sy mitanondrika ny ory.Ary lasa eo ambany vahohon’ny ratsy fanahy ireo kivy maro be.+
11 Hoy izy anakampo:+ “Efa nanadino Andriamanitra.+Efa nanafina ny tavany izy.+Tsy ho hitany mihitsy izany.”+
ק [Kôfa]
12 Mitsangàna,+ Jehovah ô! Aoka ianao hanainga ny tananao+ Andriamanitra ô!Aza hadinoina ny ory.+
13 Nahoana no maniratsira an’Andriamanitra ny ratsy fanahy?+Hoy izy anakampo: “Tsy hanao ampamoaka ianao.”+
ר [Resa]
14 Hitanao ny fahoriana sy ny alahelo,Ary jerenao izany ka raisinao an-tanana.+Ianao no ianteheran’ny ory+ sy ny kamboty ray.Ianao no mpanampy azy.+
ש [Shina]
15 Tapaho ny sandrin’ny ratsy fanahy sy ny olon-dratsy.+Karohy ny faharatsiany, ka aza mijanona raha tsy efa tsy mahita intsony.+
16 I Jehovah dia Mpanjaka mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.+Ringana tsy ho amin’ny tany ireo firenena.+
ת [Tao]
17 Handre ny fitalahoan’ny mpandefitra ianao+ Jehovah ô,Ary hampiomana ny fony.+Hanongilan-tsofina hihaino ianao,+
18 Ka hanome rariny ho an’ny kamboty ray sy ny torotoro fo,+Mba tsy hampangovitra ny hafa intsony ny olombelona mety maty, eny, ny olona etỳ an-tany.+