Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Baiboly ato Amin’ny Internet

NY SORATRA MASINA—FANDIKAN-TENIN’NY TONTOLO VAOVAO

Ohabolana 14:1-35

14  Manamafy orina ny ankohonany ny vehivavy tena hendry,+ fa manimba izany kosa ny vehivavy adala.+  Izay mandeha amin’ny fahitsiana no matahotra an’i Jehovah,+ fa izay miala amin’izany kosa manamavo Azy.+  Ny teny an’avona ataon’ny adala dia toy ny tsorakazo hoenti-mamely,+ fa ny molotry ny hendry kosa hiaro azy.+  Madio ny fihinanam-bilona raha tsy misy omby, fa be kosa ny vokatra noho ny tanjaky ny omby.  Tsy mandainga ny vavolombelona mendri-pitokisana,+ fa ny vavolombelona sandoka kosa milaza lainga.+  Miezaka mitady fahendrena ny mpaniratsira fa tsy mahita, fa mora amin’ny mahira-tsaina kosa ny mahazo fahalalana.+  Ialao ny tsisy saina,+ fa tsy handre azy hilaza teny manome fahalalana ianao.+  Ny fahendren’ny malina no mahatonga azy hahalala ny ataony,+ fa mamitaka kosa ny hadalan’ny tsisy saina.+  Adala izay tsy miraharaha ny heloka vitany,+ fa mifanaraka tsara kosa ny olo-mahitsy.+ 10  Ny fon’ny olona no mahatsapa ny alahelo ao anatiny,+ ary tsy hisy olon-kafa tena hahatsapa ny fifaliana ao am-pon’ny olona. 11  Ho rava ny tranon’ny ratsy fanahy,+ fa hiroborobo kosa ny tranolain’ny olo-mahitsy.+ 12  Misy lalana heverin’ny olona ho mahitsy,+ nefa any amin’ny fahafatesana no iafaran’izany.+ 13  Mety ho ory ny fon’ny olona na dia mihomehy aza izy,+ ary alahelo no iafaran’ny fifaliana.+ 14  Afa-po amin’ny vokatry ny ataony+ ny olona tsy manam-pinoana, ary afa-po amin’ny vokatry ny asany ny olona tsara toetra.+ 15  Mino ny teny rehetra reny ireo mbola tsy dia nandia fiainana,+ fa ny malina kosa mandinika ny diany.+ 16  Matahotra ny hendry ka miala amin’ny ratsy,+ fa ny tsisy saina kosa tezitra sy matoky tena loatra.+ 17  Hanao zavatra amin-kadalana ny olona mora tezitra,+ fa ny olona misaina kosa halan’ny olona.+ 18  Hampiseho hadalana ny tanora fanahy,+ fa ny malina kosa hiravaka fahalalana toy ny fehiloha.+ 19  Hiankohoka eo anatrehan’ny tsara toetra ny olon-dratsy,+ ary ny ratsy fanahy hiankohoka eo am-bavahadin’ny olo-marina. 20  Ankahalaina ny mahantra, ary na ny namany aza mankahala azy,+ fa maro kosa ny naman’ny mpanankarena.+ 21  Manota izay manao tsinontsinona ny namany,+ fa sambatra kosa izay miantra ny ory.+ 22  Tsy maniasia ve ireo mikendry hanao ratsy?+ Fa hatsaram-panahy sy fahamarinana kosa no ho azon’izay manao ny tsara.+ 23  Ahitana tombontsoa ny fisasarana rehetra,+ fa ny teny fotsiny kosa mahatonga fahantrana. 24  Satroboninahitry ny hendry ny harenany, fa ny ataon’ny tsisy saina kosa mampitombo ny hadalany.+ 25  Mamonjy ain’olona ny vavolombelona marina,+ fa ny vavolombelona mamitaka kosa milaza lainga.+ 26  Tena feno toky ny olona matahotra an’i Jehovah,+ ary hahita fialofana koa ny zanany.+ 27  Loharanon’aina ny fahatahorana an’i Jehovah,+ ka miaro tsy ho azon’ny fandriky ny fahafatesana.+ 28  Ny hamaroan’ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka,+ fa ny havitsiany kosa mahafa-baraka ny manam-pahefana.+ 29  Ny olona tsy mora tezitra dia tena manana fahaiza-manavaka,+ fa mampiharihary ny hadalany kosa ny olona tsy manam-paharetana.+ 30  Mamelombelona ny vatana ny fo tony,+ fa ny fialonana kosa mahatonga ny taolana ho lo.+ 31  Izay manambaka ny tsy manana dia manala baraka ny Mpanao azy,+ fa izay miantra ny mahantra kosa manome voninahitra Azy.+ 32  Ho lavon’ny faharatsiany ny ratsy fanahy,+ fa fialofana ho an’ny marina kosa ny tsy fivadihany.+ 33  Ao am-pon’ny mahira-tsaina no misy fahendrena,+ ary eo amin’ny tsisy saina no ahalalana fahendrena. 34  Ny fahamarinana no manandratra ny fanjakana,+ fa ny ota kosa manala baraka ny firenena.+ 35  Ny mpanompo lalin-tsaina no mahafinaritra ny mpanjaka,+ fa mahatezitra azy kosa ny mpanompo manao izay mahamenatra.+

Fanamarihana ambany pejy