Nomery 33:1-56
33 Ireto avy ny lalana nalehan’ny zanak’Israely, rehefa nivoaka avy tany Ejipta+ araka ny tafiny+ avy izy ireo, teo ambany fitarihan’i Mosesy sy Arona.+
2 Nosoratan’i Mosesy foana ireo toerana niaingana isaky ny lalana vitan’izy ireo, araka ny baikon’i Jehovah. Ireto avy izany lalana izany, avy teo amin’ny fiaingana anankiray mankamin’ny anankiray:+
3 Niainga avy tao Ramesesa+ izy ireo tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana voalohany.+ Koa ny ampitson’ny Paska+ avy hatrany, dia nivoaka tamim-pandresena teo imason’ny Ejipsianina rehetra ny zanak’Israely.+
4 Tamin’izay kosa ny Ejipsianina dia nandevina ny lahimatoa rehetra izay novonoin’i Jehovah teo amin’izy ireo.+ Ary nampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany ny andriamanitry ny Ejipsianina.+
5 Koa niainga avy tao Ramesesa+ ny zanak’Israely, dia nitoby tao Sokota;+
6 niainga avy tao Sokota, dia nitoby tao Etama+ teo an-tsisin’ny tany efitra;
7 niainga avy tao Etama, dia niverina ho any Pihahirota,+ izay tandrifin’i Bala-zefona,+ ary nitoby nanandrify an’i Migdola;+
8 niainga avy tao Pihahirota, dia namakivaky teo afovoan’ny ranomasina+ mba hankany an-tany efitra.+ Nandeha lalana telo andro tany an-tany efitr’i Etama+ izy ireo, dia nitoby tao Mara.+
9 Ary niainga avy tao Mara izy ireo, dia tonga tao Elima,+ izay nisy loharano roa ambin’ny folo sy hazo palmie fitopolo. Koa nitoby tao izy ireo.
10 Niainga avy tao Elima izy ireo, dia nitoby teo akaikin’ny Ranomasina Mena;
11 niainga avy teo amin’ny Ranomasina Mena, dia nitoby tany an-tany efitr’i Sina;+
12 niainga avy tany an-tany efitr’i Sina, dia nitoby tao Dopka;
13 niainga avy tao Dopka, dia nitoby tao Alosy;
14 niainga avy tao Alosy, dia nitoby tao Refidima,+ izay tsy nisy rano hosotroin’ny olona;
15 ary niainga avy tao Refidima, dia nitoby tany an-tany efitr’i Sinay.+
16 Ary niainga avy tany an-tany efitr’i Sinay izy ireo, dia nitoby tao Kibrota-hatava;+
17 niainga avy tao Kibrota-hatava, dia nitoby tao Hazerota;+
18 niainga avy tao Hazerota, dia nitoby tao Ritma;
19 niainga avy tao Ritma, dia nitoby tao Rimona-pereza;
20 niainga avy tao Rimona-pereza, dia nitoby tao Libna;
21 niainga avy tao Libna, dia nitoby tao Risa;
22 niainga avy tao Risa, dia nitoby tao Kehelata;
23 ary niainga avy tao Kehelata, dia nitoby teo amin’ny Tendrombohitra Sapera.
24 Ary niainga avy teo amin’ny Tendrombohitra Sapera, dia nitoby+ tao Harada;
25 niainga avy tao Harada, dia nitoby tao Makelota;
26 niainga+ avy tao Makelota, dia nitoby tao Tahata;
27 niainga avy tao Tahata, dia nitoby tao Tera;
28 niainga avy tao Tera, dia nitoby tao Mitka;
29 niainga avy tao Mitka, dia nitoby tao Hasmona;
30 niainga avy tao Hasmona, dia nitoby tao Moserota;
31 niainga avy tao Moserota, dia nitoby tao Bene-jakana;+
32 niainga avy tao Bene-jakana, dia nitoby tao Hora-hagidgada;
33 niainga avy tao Hora-hagidgada, dia nitoby tao Jotbata;+
34 niainga avy tao Jotbata, dia nitoby tao Abrona;
35 niainga avy tao Abrona, dia nitoby tao Eziona-gebera;+
36 ary niainga avy tao Eziona-gebera, dia nitoby tao an-tany efitr’i Zina,+ izany hoe i Kadesy.
37 Ary niainga avy tao Kadesy izy ireo, dia nitoby teo amin’ny Tendrombohitra Hora,+ teo amin’ny sisin-tanin’i Edoma.
38 Dia niakatra tao amin’ny Tendrombohitra Hora i Arona mpisorona, araka ny baikon’i Jehovah, ary maty tao izy tamin’ny taona fahefapolo nivoahan’ny zanak’Israely avy tany Ejipta, tamin’ny andro voalohan’ny volana fahadimy.+
39 Telo amby roapolo amby zato taona i Arona tamin’izy maty tao amin’ny Tendrombohitra Hora.
40 Ren’ilay Kananita, mpanjakan’i Arada,+ izay nonina tany Negeba,+ tany Kanana, fa tonga ny zanak’Israely.
41 Ary niainga avy teo amin’ny Tendrombohitra Hora+ ny zanak’Israely, dia nitoby tao Zalmona;
42 niainga avy tao Zalmona, dia nitoby tao Ponona;
43 niainga avy tao Ponona, dia nitoby tao Obota;+
44 niainga avy tao Obota, dia nitoby tao Ie-abarima, teo amin’ny sisin-tanin’i Moaba;+
45 niainga avy tao Ima, dia nitoby tao Dibona-gada;+
46 niainga avy tao Dibona-gada, dia nitoby tao Almona-diblataima;
47 niainga avy tao Almona-diblataima,+ dia nitoby tany amin’ireo tendrombohitr’i Abarima,+ tandrifin’i Nebo;+
48 ary niainga avy tany amin’ireo tendrombohitr’i Abarima, dia nitoby teny amin’ny lemaka karakaina any Moaba,+ teo akaikin’ny Reniranon’i Jordana, tandrifin’i Jeriko.
49 Ary mbola nitoby teo akaikin’ny Reniranon’i Jordana izy ireo, nanomboka tany Beti-jesimota+ ka hatrany Abela-sitima,+ teny amin’ny lemaka karakaina any Moaba.
50 Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy, teny amin’ny lemaka karakaina any Moaba, teo akaikin’ny Reniranon’i Jordana, tandrifin’i Jeriko:+
51 “Mitenena amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Hiampita an’i Jordana ianareo izao, ka hiditra ao Kanana.+
52 Roahy tsy ho eo anatrehanareo ny mponina rehetra ao amin’ilay tany, ary poteho ny sarivongana rehetra nataon’izy ireo tamin’ny vato.+ Poteho+ koa ny sarivongany metaly+ rehetra, sy ny toerana avo masina rehetra eo amin’izy ireo.
53 Ary alaivo ho fanananareo ilay tany, ka aoka ianareo honina ao, satria ianareo no homeko an’ilay tany mba ho fanananareo.+
54 Dia zarao ho anareo ilay tany araka ny fianakaviana+ eo aminareo, ka antsapaka+ no hizaranareo azy. Ampitomboy ny lovan’izay maro, ary ahenao kosa ny lovan’izay vitsy.+ Izay tany azony amin’ny antsapaka no ho lasany.+ Ary araka ny fokon’ny razanareo no hahazoanareo tany.+
55 “‘Fa raha tsy roahinareo tsy ho eo anatrehanareo ny mponin’ilay tany,+ dia ho malailay ao anaty masonareo sy ho tsilo eo amin’ny tehezanareo ny olona avelanareo honina ao, ary hampijaly anareo eo amin’ilay tany honenanareo.+
56 Ary izay nokasaiko hanafaizana azy no hanafaizako anareo.’”+