Nomery 10:1-36
10 Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:
2 “Manaova trompetra+ volafotsy roa, izay hotefenao amin’ny marotoa, ka izany no hampiasainao hamoriana+ ny vahoaka sy hampilazana fa tokony hiainga ireo toby.
3 Rehefa miaraka tsofina ireo, dia ny vahoaka manontolo no hamonjy ny fotoanany aminao eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.+
4 Fa raha ny iray ihany no tsofina, dia ireo mpiadidy, izany hoe ireo mpifehy ny arivo eo amin’ny Israely, no hamonjy ny fotoanany aminao.+
5 “Rehefa tsofinareo hamoaka feo miovaova ny trompetra, dia hiainga ireo mitoby eo atsinanana.+
6 Ary rehefa tsofinareo fanindroany hamoaka feo miovaova ny trompetra, dia hiainga kosa ireo mitoby eo atsimo.+ Hotsofina hamoaka feo miovaova ny trompetra, isaky ny miainga ny iray amin’ny fizarana misy an’ireo toby.
7 “Rehefa hamory ny fiangonana ianareo, dia tokony hitsoka+ trompetra, nefa tsy hovaovanareo ny feony.
8 Ireo mpisorona zanakalahin’i Arona no hitsoka azy,+ ary ho lalàna ho anareo mandritra ny fotoana tsy voafetra, hatramin’ny taranakareo fara mandimby, ny fampiasana ireo trompetra ireo.
9 “Raha hiady amin’ny mpampahory mila ady aminareo ianareo+ rehefa any amin’ny taninareo, dia hitsoka trompetra ianareo,+ ho fanairana ho amin’ny ady, ka hotsarovana tokoa eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ary ho voavonjy tsy ho resin’ny fahavalonareo.+
10 “Ary amin’ny andro ifalianareo,+ sy amin’ny fotoanan’ny fetinareo,+ ary isaky ny fiandohan’ny volana,+ dia hitsoka trompetra eo ambonin’ny fanatitra dorana+ sy ny sorona iombonana+ atolotrareo ianareo. Ho fampahatsiarovana ho anareo eo anatrehan’Andriamanitrareo ny fampiasana ny trompetra. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.”+
11 Ary tamin’ny andro faharoapolon’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa,+ dia niakatra avy teo amin’ny tranolay+ misy ny Tenin’ny Vavolombelona ny rahona.
12 Dia niainga ny zanak’Israely+ ka niala tany an-tany efitr’i Sinay, araka ny filaharan’ny fiaingany. Ary nijanona tany an-tany efitr’i Parana+ ny rahona.
13 Io no voalohany niaingan’izy ireo, araka ny baikon’i Jehovah nampitaina tamin’i Mosesy.+
14 Koa ny fizarana* nisy ny tobin’ny taranak’i Joda no niainga voalohany, araka ny tafiny avy.+ I Nasona+ zanak’i Aminadaba no mpifehy ny tafiky ny taranak’i Joda.
15 I Netanela+ zanak’i Zoara kosa no mpifehy ny tafiky ny fokon’ny taranak’i Isakara.
16 Ary i Eliaba zanak’i Helona no mpifehy ny tafiky ny fokon’ny taranak’i Zebolona.+
17 Dia noravana ny tranolay,+ ka niainga ny taranak’i Gersona+ sy ny taranak’i Merary,+ izay mpitondra ny tranolay.
18 Ary niainga ny fizarana nisy ny tobin’i Robena,+ araka ny tafiny avy. I Elizora+ zanak’i Sedeora no mpifehy ny tafiky ny taranak’i Robena.
19 I Selomiela+ zanak’i Zorisaday kosa no mpifehy ny tafiky ny fokon’ny taranak’i Simeona.+
20 Ary i Eliasafa+ zanak’i Doela no mpifehy ny tafiky ny fokon’ny taranak’i Gada.
21 Ary niainga ny Kehatita, izay mpitondra ireo zava-masin’ny toerana masina,+ satria efa tafatsangana ny tranolay, amin’ny fotoana hahatongavan’izy ireo.
22 Ary niainga ny fizarana nisy ny tobin’ny taranak’i Efraima,+ araka ny tafiny avy. I Elisama+ zanak’i Amihoda no mpifehy ny tafiky ny taranak’i Efraima.
23 I Gamaliela+ zanak’i Pedazora kosa no mpifehy ny tafiky ny fokon’ny taranak’i Manase.+
24 Ary i Abidana+ zanak’i Gideony no mpifehy ny tafiky ny fokon’ny taranak’i Benjamina.+
25 Ary niainga ny fizarana nisy ny tobin’ny taranak’i Dana,+ araka ny tafiny avy. Izy ireo no vodilaharana mpiaro+ ny toby rehetra. I Ahiezera+ zanak’i Amisaday no mpifehy ny tafiky ny taranak’i Dana.
26 I Pagiela+ zanak’i Okrana kosa no mpifehy ny tafiky ny fokon’ny taranak’i Asera.+
27 Ary i Ahira+ zanak’i Enana no mpifehy ny tafiky ny fokon’ny taranak’i Naftaly.+
28 Toy izany no filaharan’ny fiaingan’ny zanak’Israely, araka ny tafiny avy, rehefa niainga izy ireo.+
29 Ary hoy i Mosesy tamin’i Hobaba zanak’i Regoela+ Midianita, rafozandahin’i Mosesy: “Hiainga izahay ka handeha ho any amin’ilay toerana nolazain’i Jehovah hoe: ‘Homeko anareo izy io.’+ Koa andao re hiaraka aminay e! Dia hanisy soa anao tokoa izahay,+ fa efa nilaza ny hanisy soa ny Israely i Jehovah.”+
30 Fa hoy izy taminy: “Tsy hiaraka aminareo aho fa hody ho any amin’ny taniko+ sy ny havako.”
31 Dia hoy i Mosesy: “Aza dia ilaozana re izahay e! Ianao mantsy no mahafantatra tsara izay azonay itobiana atỳ an-tany efitra, ka ho toy ny masonay ianao.
32 Ary raha hiaraka aminay ianao,+ dia izay soa hataon’i Jehovah aminay no mba hataonay aminao koa.”
33 Koa niala teo amin’ny tendrombohitr’i Jehovah+ izy ireo ka nandeha lalana telo andro. Nialoha azy ireo foana ny Vata misy ny fifanekena+ nataon’i Jehovah, nandritra izany lalana telo andro izany, mba hitady toeram-pialan-tsasatra ho azy ireo.+
34 Ary teo ambonin’izy ireo ilay rahon’i+ Jehovah rehefa antoandro, tamin’ny fotoana niaingan’izy ireo avy teo amin’izay nitobiany.
35 Rehefa niainga ilay Vata, dia hoy i Mosesy: “Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiparitaka ny fahavalonao.+ Aoka handositra tsy ho eo anatrehanao ireo mankahala mafy anao.”+
36 Rehefa nijanona kosa izy io, dia hoy izy: “Miverena, Jehovah ô! Miverena ho amin’ny Israely miisa an’alinalina.”+