Matio 26:1-75
26 Rehefa avy nilaza izany rehetra izany i Jesosy, dia hoy izy tamin’ny mpianany:
2 “Fantatrareo fa rehefa afaka roa andro dia ho tonga ny Paska,+ ary hatolotra hofantsihana amin’ny hazo fijaliana ny Zanak’olona.”+
3 Ary nivory teo an-tokotanin’ilay mpisoronabe nantsoina hoe Kaiafa, ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahin’ny vahoaka.+
4 Nikaon-doha+ izy ireo mba hisamborana an’i Jesosy amin-kafetsena, sy mba hamonoana azy ho faty.
5 Ary hoy ireo: “Tsy amin’ny fety anefa sao hisavorovoro ny vahoaka.”+
6 Fony i Jesosy tany Betania,+ tao an-tranon’i Simona boka,+
7 dia nisy vehivavy iray nanatona azy, nitondra tavoahangy vatosanga nisy menaka manitra lafo vidy.+ Ary naidin-dravehivavy teo an-dohan’i Jesosy ilay izy raha mbola nandry ilika nisakafo izy.
8 Tezitra ny mpianatra nony nahita izany, ka nilaza hoe: “Nahoana no mandanilany foana toy izao?+
9 Fa azo namidy lafo be iny ka nomena ny mahantra.”+
10 Fantatr’i Jesosy izany,+ ka hoy izy tamin’ireo: “Nahoana ianareo no mitady hanorisory an-dravehivavy? Tsara ny nataony tamiko.+
11 Fa eo aminareo foana ny mahantra,+ fa izaho kosa tsy ho eo aminareo foana.+
12 Nanisy an’iny menaka manitra iny tamin’ny vatako izy, mba hanomanana ny fandevenana ahy.+
13 Lazaiko aminareo marina tokoa fa na aiza na aiza itoriana ity vaovao tsara ity eran’izao tontolo izao, dia holazaina koa ny nataon-dravehivavy, ho fahatsiarovana azy.”+
14 Ary nankany amin’ny lehiben’ny mpisorona ny iray tamin’izy roa ambin’ny folo lahy, ilay antsoina hoe Jodasy Iskariota,+
15 ka niteny hoe: “Homenareo inona aho hamadihako azy ka hanolorako azy aminareo?”+ Nifanaraka taminy àry ireo fa hanome azy farantsa volafotsy telopolo.+
16 Koa tsy nitsahatra nitady izay fotoana mety tsara hamadihana an’i Jesosy izy nanomboka tamin’izay.+
17 Tamin’ny andro voalohan’ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay,+ dia nanatona an’i Jesosy ny mpianatra ka nilaza hoe: “Aiza no tianao hikarakaranay ny Paska mba hihinananao azy?”+
18 Dia hoy izy: “Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dRanona,+ ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: ‘Efa akaiky ny fotoana voatondro ho ahy. Hankalaza ny Paska miaraka amin’ny mpianatro ao an-tranonao aho.’”+
19 Koa nataon’ny mpianatra izay nandidian’i Jesosy azy, ary nataony vonona ho amin’ny Paska ny zava-drehetra.+
20 Tamin’ny takariva,+ dia nandry ilika nisakafo izy sy ny mpianatra roa ambin’ny folo lahy.+
21 Ary hoy izy teo am-pihinanana: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa hamadika ahy ny iray aminareo.”+
22 Nalahelo be izy ireo noho izany, ka samy nanomboka nanontany azy hoe: “Izaho ve izany, Tompo ô?”+
23 Dia hoy ny navaliny: “Izay miara-manatsoboka ny tanany amiko ao anaty vilia no hamadika ahy.+
24 Marina fa handeha ny Zanak’olona, araka ny voasoratra+ momba azy, nefa lozan’izay+ olona nampiasaina hamadihana ny Zanak’olona!+ Tsara kokoa ho an’izany olona izany raha tsy teraka akory.”
25 Ary hoy ny navalin’i Jodasy, ilay efa hamadika azy: “Izaho ve izany, Raby ô?” Dia hoy izy taminy: “Voalazanao.”
26 Raha mbola nihinana izy ireo, dia nandray mofo+ i Jesosy. Rehefa avy nivavaka* izy, dia notapahiny ilay mofo+ ka nomeny ny mpianatra, sady hoy izy: “Raiso ity, ka hano. Ity no* vatako.”+
27 Nandray kaopy+ koa izy, ka rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra, dia nomeny azy ireo ilay kaopy, sady hoy izy: “Misotroa amin’ity ianareo rehetra.+
28 Fa ity no*+ rako, dia ‘ny ran’ny+ fifanekena’+ izay halatsaka ho an’ny maro+ ho famelan-keloka.+
29 Lazaiko aminareo anefa fa tsy hisotro intsony amin’itony vokatry ny voaloboka itony aho, mandra-pahatongan’ny andro hisotroako divay vaovao miaraka aminareo, ao amin’ny fanjakan’ny Raiko.”+
30 Tamin’ny farany, dia nivoaka nankany amin’ny Tendrombohitra Oliva+ izy ireo, rehefa avy nanao hira fiderana.+
31 Ary hoy i Jesosy: “Hahafoy ahy daholo ianareo anio alina, noho izay hanjo ahy. Fa voasoratra hoe: ‘Hamely ny mpiandry aho, dia hiparitaka ny andian’ondry.’+
32 Rehefa hatsangana anefa aho, dia hialoha anareo any Galilia.”+
33 Hoy anefa ny navalin’i Petera azy: “Na hahafoy anao daholo aza ny rehetra noho izay hanjo anao, izaho kosa tsy mba hahafoy anao mihitsy!”+
34 Dia hoy i Jesosy taminy: “Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha mbola tsy maneno ny akoho, dia handa ahy intelo ianao.”+
35 Hoy anefa i Petera taminy: “Na hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handa anao mihitsy.” Niteny toy izany koa ny mpianatra hafa rehetra.+
36 Ary tonga tao amin’ilay toerana+ antsoina hoe Getsemane i Jesosy sy ny mpianatra. Dia hoy izy tamin’ny mpianatra: “Mipetraha eto fa izaho hankerỳ hivavaka.”+
37 Nentiny niaraka taminy i Petera sy izy roa lahy zanak’i+ Zebedio. Ary nanomboka nalahelo sy nitebiteby mafy izy,+
38 ka niteny tamin’ireo hoe: “Vonton’alahelo aho,* toy ny efa ho faty.+ Mijanòna eto ka miaraha miari-tory amiko.”+
39 Ary nandroso kelikely izy, dia niankohoka nivavaka+ hoe: “Raiko ô, raha azo atao, dia esory amiko ity kaopy*+ ity. Aoka tsy ny sitrapoko anefa no hatao,+ fa ny anao.”+
40 Ary nankeo amin’ny mpianatra izy ka nahita azy ireo natory, dia hoy izy tamin’i Petera: “Tsy afaka niara-niari-tory tamiko adiny iray akory ve ianareo?+
41 Miambena+ sy mivavaha+ foana mba tsy ho resin’ny fakam-panahy.+ Mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.”+
42 Ary lasa fanindroany+ izy ka nivavaka hoe: “Raiko ô, raha tsy azo atao ny manaisotra azy ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka hatao ny sitraponao.”+
43 Niverina izy ary nahita azy ireo natory, fa efa navesatra ny masony.+
44 Koa nandao azy ireo indray izy ka nandeha nivavaka fanintelony,+ ary izay nolazainy teo aloha ihany no naveriny.
45 Tonga teo amin’ny mpianatra izy nony avy eo ka niteny tamin’ireo hoe: “Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo amin’ny fotoana toy izao? Efa manakaiky anefa ny ora hamadihana ny Zanak’olona sy hanolorana azy eo an-tanan’ny mpanota.+
46 Mitsangàna, andao isika handeha, fa efa manatona ilay mpamadika ahy.”+
47 Raha mbola niteny izy, dia iny fa tonga i Jodasy,+ izay anisan’ny roa ambin’ny folo lahy. Ary nisy vahoaka be niaraka taminy nitondra sabatra+ sy kibay. Nirahin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahin’ny vahoaka izy ireo.+
48 Ary nanome famantarana azy ireo ilay mpamadika hoe: “Izay horohako no izy, ka sambory.”+
49 Tonga dia nanitsy teo amin’i Jesosy izy sady niteny hoe: “Manahoana, Raby ô!”+ Ary nanoroka+ azy izy.
50 Fa hoy i Jesosy+ taminy: “Ry sakaiza, haninona eto ianao?” Dia nanatona ny vahoaka ka nisambotra an’i Jesosy ary nitana azy.+
51 Nanatsotra ny tanany anefa ny iray tamin’ireo niaraka tamin’i Jesosy ka nanatsoaka ny sabany, ary namely an’ilay mpanompon’ny mpisoronabe, ka nahafaka ny sofiny.+
52 Fa hoy i Jesosy taminy: “Avereno amin’ny tranony ny sabatrao,+ fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.+
53 Sa heverinao fa tsy azoko atao ny miangavy ny Raiko, ka izao ankehitriny izao ihany aho dia handefasany anjely maro be mihoatra noho ny andian-tafika roa ambin’ny folo?+
54 Raha izany, ahoana no hahatanterahan’ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho toy izao no hahatanterahan’izany?”
55 Tamin’izay ora izay, dia hoy i Jesosy tamin’ny vahoaka: “Mivoaka mitondra sabatra sy kibay toy ny hisambotra mpangalatra ve ianareo?+ Nipetraka nampianatra tao amin’ny tempoly+ isan’andro aho, nefa tsy nosamborinareo.
56 Mitranga anefa izao zavatra rehetra izao mba hahatanterahan’izay voasoratry ny mpaminany.”+ Ary nandao azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.+
57 Ary nitondra an’i Jesosy ho any amin’i Kaiafa+ mpisoronabe ireo nisambotra azy. Efa tafavory tany ny mpanora-dalàna sy ny anti-panahy.+
58 Fa i Petera kosa nanaraka teny lavidavitra teny, hatrany an-tokotanin’ny+ mpisoronabe. Ary niditra izy, ka nipetraka niaraka tamin’ny mpiasa an-trano mba hahita izay hiafaran’ny raharaha.+
59 Ary nitady izay ho afaka hiampanga an’i Jesosy ny lehiben’ny mpisorona sy ireo rehetra anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy, mba hamonoana azy ho faty.+
60 Tsy nahita izay hiampangana azy anefa izy ireo, na maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo.+ Avy eo dia nisy vavolombelona roa tonga
61 ka niteny hoe: “Nilaza io lehilahy io hoe: ‘Vitako ny mandrodana ny tempolin’Andriamanitra sy ny manangana azy ao anatin’ny telo andro.’”+
62 Ary nitsangana ny mpisoronabe ka nilaza taminy hoe: “Tsy mamaly akory ve ianao? Ahoana hoy ianao amin’izany iampangany anao izany?”+
63 Tsy niteny anefa i Jesosy.+ Koa hoy ny mpisoronabe taminy: “Mampianiana+ anao amin’Andriamanitra velona aho hilaza aminay raha ianao no Kristy+ Zanak’Andriamanitra!”
64 Dia hoy i Jesosy+ taminy: “Voalazanao.+ Lazaiko aminareo anefa fa manomboka izao,+ dia ho hitanareo ny Zanak’olona+ hipetraka eo ankavanan’Ilay+ Mahery ary ho hitanareo ho avy izy, eny amin’ny rahon’ny lanitra.”+
65 Dia nandrovitra ny akanjony ivelany ny mpisoronabe sady niteny hoe: “Nanevateva an’Andriamanitra izy!+ Inona indray no mbola ilantsika vavolombelona?+ Efa renareo ilay fanevatevana an’Andriamanitra teo.+
66 Ahoana ny hevitrareo?” Dia hoy ny navalin’ireo: “Mendrika ny ho faty izy.”+
67 Ary nororan’ireo ny tarehiny,+ dia nasiany+ totohondry izy. Ny hafa namely tehamaina azy+
68 sady niteny hoe: “Maminania aminay, ry Kristy!+ Iza ilay namely anao teo?”+
69 Nipetraka tany ivelany, tany an-tokotany, i Petera tamin’izay. Ary nisy mpanompovavy nanatona azy sady niteny hoe: “Ianao koa niaraka tamin’i Jesosy, ilay avy any Galilia!”+
70 Nanda teo anatrehan’ny rehetra anefa i Petera hoe: “Tsy fantatro izay lazainao.”
71 Nony nivoaka nankeo akaikin’ny vavahady izy, dia nisy zazavavy hafa nahamarika azy ka niteny tamin’izay teo hoe: “Niaraka tamin’i Jesosy, ilay avy any Nazareta, io lehilahy io.”+
72 Ary nanda indray izy sady nianiana hoe: “Marina raha mba fantatro izany lehilahy izany!”+
73 Nony afaka kelikely, dia nanatona ireo nijoro teo ka nilaza tamin’i Petera hoe: “Tena naman-dry zareo ianao, satria na ny fitenim-paritra ampiasainao aza dia efa ahalalana an’izany.”+
74 Ary nanomboka niozona sy nianiana izy hoe: “Tena tsy fantatro mihitsy izany lehilahy izany!” Ary teo no ho eo dia nisy akoho naneno.+
75 Dia tsaroan’i Petera izay nolazain’i Jesosy hoe: “Raha mbola tsy maneno ny akoho, dia handa ahy intelo ianao.”+ Koa nivoaka tany ivelany izy ka nitomany tamin’alahelo be.+
Fanamarihana
^ Na: “nisaotra na nangata-pitahiana.”
^ Gr.: estin, izany hoe “midika ho.”
^ Jereo 26:26 f.a.p.
^ Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.
^ Ny “kaopy” eto dia ny sitrapon’Andriamanitra momba an’i Jesosy, izay navelany ho faty rehefa nampangaina ho nanevateva an’Andriamanitra.