Matio 22:1-46
22 Ary mbola namaly azy ireo ihany i Jesosy, ka nilaza fanoharana hafa koa, nanao hoe:+
2 “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka iray nanao fanasambe+ tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy.
3 Ary nirahiny ny mpanompony hiantso an’ireo nasaina ho amin’ilay fanasambe,+ kanefa tsy nety ireo nasaina.+
4 Naniraka mpanompo hafa indray izy,+ ka nilaza hoe: ‘Lazao amin’ireo nasaina hoe: “Efa voaomako ny sakafo antoandro,+ ary efa voavono ny ombiko sy ny biby nohataveziko, ka vonona ny zava-drehetra. Koa tongava atỳ amin’ny fanasambe.”’+
5 Tsy niraharaha anefa ireo nasaina fa ny iray lasa nankany amin’ny sahany, ny iray nandeha nivarotra,+
6 ary ny sisa nisambotra an’ireo mpanompo, ka nanompa sy nampijaly azy ary namono azy ho faty.+
7 “Koa tezitra ny mpanjaka ka nandefa ny tafiny, ary nandringana an’ireo mpamono olona ireo sy nandoro ny tanànany.+
8 Ary hoy izy tamin’ny mpanompony: ‘Efa vonona tanteraka ny fanasambe, kanefa tsy mendrika ireo nasaina.+
9 Koa mandehana eny amin’ny lalana mankeny ivelan’ny tanàna, ary asao ho amin’ny fanasambe izay rehetra hitanareo.’+
10 Dia lasa nankeny an-dalana ireo mpanompo ireo ka nanangona izay rehetra hitany, na ratsy fanahy na tsara fanahy.+ Ary feno olona nandry ilika+ hisakafo ilay efitra fanaovana fampakaram-bady.
11 “Rehefa niditra ny mpanjaka mba hijery ireo nasaina, dia nahita lehilahy iray tsy nanao akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady+ izy.
12 Koa hoy izy taminy: ‘Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra tato, nefa ianao tsy manao akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?’+ Tsy nahateny ralehilahy.
13 Hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: ‘Afatory ny tanany sy ny tongony ka atsipazo ho any amin’ny haizina any ivelany izy. Any izy no hitomany sy hitoloko.’+
14 “Fa maro no asaina, nefa vitsy no fidina.”+
15 Ary lasa nikaon-doha mba hamandrihana an’i Jesosy amin’ny teniny, ny Fariseo.+
16 Koa nirahiny ho any amin’i Jesosy ny mpianatr’izy ireo, niaraka tamin’ireo mpomba an’i Heroda,+ hiteny hoe: “Mpampianatra ô, fantatray fa milaza ny marina foana ianao, sady marina ny fampianaranao ny lalan’Andriamanitra, ary tsy mba miangatra ianao satria tsy mba matin-kenamaso olona.+
17 Lazao aminay àry izay hevitrao: Azo atao ve sa tsia ny mandoa ny hetra isan-dahy amin’i Kaisara?”+
18 Fantatr’i Jesosy anefa ny haratsiam-panahin’ireo, ka hoy izy: “Nahoana ianareo no mamandrika ahy, ry mpihatsaravelatsihy?+
19 Asehoy ahy ny vola madinika andoavana ny hetra isan-dahy.” Koa nitondran’ireo denaria iray izy.
20 Ary hoy izy tamin’ireo: “Sarin’iza io ary an’iza io soratra eo io?”+
21 Dia hoy ireo: “An’i Kaisara.” Ary hoy izy tamin’ireo: “Aloavy amin’i Kaisara àry izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”+
22 Gaga ireo nony nandre izany, ka lasa nandao azy.+
23 Ary nanatona azy tamin’iny andro iny ny Sadoseo, izay milaza fa tsy hisy fitsanganan’ny maty. Nanontanian’ireo izy hoe:+
24 “Mpampianatra ô, nilaza i Mosesy hoe: ‘Raha misy lehilahy maty tsy niteraka, dia tsy maintsy mampakatra ny vady navelany ny rahalahiny mba hiteraka hamelo-maso ny maty.’+
25 Koa nisy fito mirahalahy teto aminay. Nanambady ilay voalohany, ary maty. Tsy niteraka anefa izy ka namela ny vadiny ho an’ny rahalahiny.+
26 Toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin’ny fahafito.+
27 Ary maty koa ilay vehivavy tamin’ny farany.
28 Koa rehefa hitsangana ny maty, ho vadin’iza amin’izy fito mirahalahy ravehivavy? Fa efa samy nanambady azy daholo izy rehetra.”+
29 Hoy ny navalin’i Jesosy azy: “Diso hevitra ianareo, satria samy tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra.+
30 Fa rehefa hitsangana ny maty, dia tsy hampaka-bady izy na havoaka hampakarina,+ fa ho tahaka ny anjely any an-danitra.
31 Raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty, tsy novakinareo ve izay nolazain’Andriamanitra taminareo hoe:+
32 ‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’?+ Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an’ny velona.”+
33 Rehefa nandre izany ny vahoaka, dia nitolagaga tamin’ny fampianarany.+
34 Nony ren’ny Fariseo fa nataon’i Jesosy tsy nahateny ny Sadoseo, dia niara-nivory avokoa izy ireo.
35 Ary namandrika azy ny iray taminy, izay nahay Lalàna,+ ka nanontany hoe:
36 “Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna?”+
37 Dia hoy i Jesosy taminy: “‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.’+
38 Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany.
39 Ny faharoa, izay toy izany ihany, dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’+
40 Ireo didy roa ireo no fototry ny Lalàna manontolo sy ny Mpaminany.”+
41 Raha mbola tafangona teo ny Fariseo, dia nanontanian’i Jesosy hoe:+
42 “Ahoana ny hevitrareo momba an’i Kristy? Zanak’iza moa izy?” Dia hoy ireo taminy: “Zanak’i Davida.”+
43 Ary hoy izy tamin’ireo: “Nahoana àry i Davida no niantso azy hoe ‘Tompo’, araka ny nambaran’ny fanahy masina taminy,+ ka nilaza hoe:
44 ‘Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko: “Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho eo ambany tongotrao”’?+
45 Koa raha niantso azy hoe ‘Tompo’ àry i Davida, ahoana no maha zanany azy?”+
46 Ary tsy nisy nahavaly azy, sady tsy nisy sahy nanontany azy intsony nanomboka tamin’iny andro iny.+