Matio 18:1-35
18 Nanatona an’i Jesosy ny mpianatra tamin’izay ora izay ka niteny hoe: “Iza marina no lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra?”+
2 Koa nantsoin’i Jesosy hankeo aminy ny zaza iray ka nataony teo afovoany,+
3 ary hoy izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo, raha tsy miova ho toy ny zaza.+
4 Noho izany, izay manetry tena+ tahaka ity zaza ity no ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.+
5 Ary izay mandray zaza tahaka ity amin’ny anarako, dia mandray ahy.+
6 Fa na iza na iza kosa mametraka vato mahatafintohina eo anoloan’ny iray amin’ireny madinika mino ahy ireny, dia tsara kokoa ho azy ny hanantonana vato lehibe fikosoham-bary*+ eo amin’ny vozony, ka halentika any an-dranomasina lalina.+
7 “Lozan’izao tontolo izao, noho ny fametrahany vato mahatafintohina eo anoloan’ny hafa! Mazava ho azy fa tsy maintsy misy ny vato mahatafintohina,+ kanefa lozan’izay olona mametraka izany!+
8 Raha mahatonga anao hanota àry ny tananao na ny tongotrao, dia tapaho ka ario lavitra anao.+ Fa aleo ianao kilemaina na tokan-tongotra nefa miditra any amin’ny fiainana, toy izay manana tanana roa na tongotra roa nefa hatsipy any amin’ny afo maharitra mandrakizay.+
9 Raha mahatonga anao hanota koa ny masonao, dia esory ka ario lavitra anao. Fa aleo ianao toka-maso nefa miditra any amin’ny fiainana, toy izay manana maso roa nefa hatsipy any amin’ny Gehena* mirehitra.+
10 Tandremo sao manao tsinontsinona ny iray amin’ireny madinika ireny ianareo. Fa lazaiko aminareo fa ny anjelin’izy ireo+ any an-danitra, dia mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko any an-danitra.+
11 ——
12 “Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato ka nania+ ny iray, tsy hamela ny sivy amby sivifolo eo an-tendrombohitra ve izy ka handeha hikaroka ilay nania?+
13 Ary raha hitany ilay izy, dia lazaiko aminareo tokoa fa iny no hahafaly azy kokoa noho ireo sivy amby sivifolo tsy nania.+
14 Toy izany koa fa tsy tian’ny Raiko any an-danitra hisy ho very ny iray amin’ireny madinika ireny.+
15 “Raha manota ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo, dia ampahafantaro azy ny fahadisoany.+ Raha mihaino anao izy, dia hahatafaverina ny rahalahinao ianao.+
16 Raha tsy mihaino kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho marim-pototra amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra.+
17 Raha tsy mihaino an’ireo izy, dia miresaha amin’ny fiangonana. Raha mbola tsy mihaino ny fiangonana koa izy, dia ataovy toy ny olon’izao tontolo izao+ sy toy ny mpamory hetra.+
18 “Lazaiko aminareo marina tokoa fa izay zavatra rehetra hofatoranareo eto an-tany dia ho efa voafatotra any an-danitra, ary izay rehetra hovahanareo eto an-tany dia ho efa voavaha any an-danitra.+
19 Hamafisiko aminareo indray fa raha misy roa aminareo etỳ an-tany, mifanaraka fa hangataka amim-bavaka momba ny raharaha lehibe iray, dia hotanterahin’ny Raiko izay any an-danitra izany.+
20 Fa na aiza na aiza ivorian’ny roa na telo amin’ny anarako,+ dia eo afovoany aho.”+
21 Ary nanatona azy i Petera ka nilaza hoe: “Tompoko, raha manota amiko impiry ny rahalahiko no havelako ny helony?+ Hatramin’ny impito ve?”+
22 Hoy i Jesosy taminy: “Tsy hilaza aminao aho hoe hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo.+
23 “Noho izany, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka+ iray te hanao ampamoaka+ an’ireo mpanompony momba ny trosan’izy ireo.
24 Rehefa nanomboka nanao ampamoaka izy, dia nentina teo ny mpanompo iray nitrosa taminy talenta* iray alina [= 60 tapitrisa denaria].
25 Tsy nanan-kaloa anefa ilay mpanompo ka nasain’ny tompony namidy izy mbamin’ny vady aman-janany sy ny fananany rehetra, mba handoavana ny trosa.+
26 Koa niankohoka tamim-panajana teo anatrehany ilay mpanompo, ka niteny hoe: ‘Mahareta re fa haloako avokoa ny volanao rehetra e!’
27 Nangoraka azy ny tompony ka namela azy handeha,+ ary nahafoy an’ilay trosa.+
28 Nahita mpanompo iray hafa nananany denaria+ zato anefa io mpanompo io rehefa niala teo, ka nisambotra azy ary nanakenda azy sady niteny hoe: ‘Aloavy ny volako rehetra any aminao.’
29 Niankohoka teo anatrehany io mpanompo io sady niangavy hoe: ‘Mahareta+ re fa haloako ny volanao e!’
30 Tsy nety anefa izy fa lasa nampiditra azy tany am-ponja, mandra-pandoany ny trosany.
31 Koa nalahelo mafy ireo mpanompo hafa nahita izany, ka nandeha nanazava tamin’ny tompony ny zava-nitranga rehetra.+
32 Nampiantso azy àry ny tompony ka nilaza taminy hoe: ‘Ry mpanompo ratsy fanahy, nafoiko ny trosa rehetra tany aminao, noho ny fiangavianao.
33 Tsy mba tokony hamindra fo+ amin’ny mpanompo namanao koa ve ianao, toy ny namindrako fo+ taminao?’
34 Dia tezitra+ ny tompony ka nanolotra azy tamin’ny mpiambina ny fonja, mandra-pandoany ny trosany rehetra.
35 Toy izany koa no hataon’ny+ Raiko any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.”+
Fanamarihana
^ Vato lehibe toy ilay ahodin’ny ampondra.
^ Jereo F.F. 3E.
^ Anaram-bola. Jereo F.F. 6A.