Matio 14:1-36
14 Tamin’izany fotoana izany dia ren’i Heroda lehibem-paritra ny lazan’i Jesosy.+
2 Koa hoy izy tamin’ny mpanompony: “I Jaona Mpanao Batisa izay! Nitsangana tamin’ny maty izy, ka izany no ahavitany fahagagana.”+
3 I Heroda mantsy efa nisambotra an’i Jaona ka namatotra sy nampiditra azy tao am-ponja, noho ny amin’i Herodiasy vadin’i Filipo rahalahiny,+
4 satria i Jaona nilaza taminy hoe: “Tsy azonao atao ny maka an-dravehivavy.”+
5 Te hamono azy i Heroda saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nihevitra an’i Jaona ho mpaminany ireo.+
6 Fa nony nankalazaina ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i+ Heroda, dia nandihy teo ny zanakavavin’i Herodiasy. Tena nahafaly an’i Heroda izany,
7 ka nianiana izy fa homeny an-drazazavavy izay rehetra angatahiny.+
8 Dia hoy razazavavy rehefa avy notoroan-dreniny hevitra: “Ento eto amiko eo ambony vilia ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa.”+
9 Nalahelo ny mpanjaka, kanefa nandidy ny hanomezana an’izany ihany izy, noho ny fianianany sy noho ireo olona nandry ilika niara-nisakafo taminy.+
10 Ary naniraka olona hanapaka ny lohan’i Jaona tao am-ponja izy.
11 Koa nentina teo am-bilia ny lohany ka nomena an-drazazavavy, ary razazavavy kosa nitondra izany tany amin-dreniny.+
12 Farany, dia tonga ny mpianatr’i Jaona ka naka ny faty sy nandevina azy,+ ary nilaza izany tamin’i Jesosy.
13 Ary niala teo i Jesosy nony nandre izany ka nandeha sambokely mba hitokana any amin’ny toerana mangina.+ Ren’ny vahoaka anefa izany, ka niainga avy any an-tanàna ireo ary nandeha an-tongotra nanaraka azy.
14 Nony niala avy tao an-tsambokely i Jesosy, dia nahita vahoaka be. Nangoraka+ an’ireo izy, ka nanasitrana an’izay narary.+
15 Rehefa hariva ny andro, dia nanatona azy ny mpianany ka niteny hoe: “Mitokana ity toerana ity, ary efa hariva sahady ny andro. Koa ravao ny vahoaka mba handehanany eny an-tanàna hividy zavatra hohanina.”+
16 Hoy anefa i Jesosy tamin’izy ireo: “Tsy voatery handeha izy, fa omeo zavatra hohanina.”+
17 Dia hoy ireo: “Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy trondro roa izahay.”+
18 Ary hoy izy: “Ento atỳ amiko izany.”
19 Dia nasainy nandry ilika teo amin’ny ahitra ny vahoaka. Koa nalainy ny mofo dimy sy ny trondro roa, dia niandrandra ny lanitra izy ka nivavaka.*+ Rehefa notapahiny ny mofo, dia nozarainy tamin’ny mpianany, ary ny mpianatra kosa nizara izany tamin’ny vahoaka.+
20 Koa nihinana ny rehetra ka voky. Ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno harona roa ambin’ny folo.+
21 Lehilahy dimy arivo teo ho eo anefa no nihinana, ankoatra ny zaza amam-behivavy.+
22 Dia notereny hiakatra an-tsambokely avy hatrany ny mpianany mba hialoha azy ho eny ampita, raha mbola nandrava ny vahoaka izy.+
23 Tamin’ny farany, rehefa avy nandrava ny vahoaka izy, dia niakatra irery tany an-tendrombohitra mba hivavaka.+ Nitoetra irery tany izy na efa alina be aza ny andro.
24 Efa lasa lavitra be ilay sambokely ary natopatopan’ny onja mafy+ satria notoherin’ny rivotra.
25 Nankeny amin’ny mpianatra anefa izy tamin’ny fiambenana fahefatra* tamin’ny alina, ka nandeha teo ambony ranomasina.+
26 Raha vao nahita azy nandeha teo ambony ranomasina ireo, dia raiki-tahotra ka nilaza hoe: “Misy zavatra hafahafa iny!”+ Koa niantsoantso ireo fa natahotra.
27 Niteny taminy avy hatrany anefa i Jesosy hoe: “Mahereza fa izaho ihany ity.+ Aza matahotra.”
28 Hoy ny navalin’i Petera azy: “Raha ianao tokoa io, Tompoko, dia asaivo manatona anao eny ambony rano aho.”
29 Dia hoy izy: “Avia àry!” Koa nidina avy tao an-tsambokely avy hatrany i Petera,+ ka nandeha teo ambony rano ary nanatona an’i Jesosy.
30 Natahotra anefa izy nony nahita ny tafio-drivotra. Dia nanomboka nilentika izy, ka niantsoantso hoe: “Tompo ô, vonjeo aho!”
31 Koa nanatsotra ny tanany avy hatrany i Jesosy ka nihazona azy, sady niteny taminy hoe: “Ry kely finoana, nahoana ianao no nanjary nisalasala?”+
32 Ary nitsahatra ny tafio-drivotra raha vao tafakatra tao an-tsambokely izy ireo.
33 Ary ireo tao an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany sady niteny hoe: “Zanak’Andriamanitra tokoa ianao.”+
34 Rehefa tafita izy ireo, dia niakatra an-tanety tao Genesareta.+
35 Nony nahafantatra azy ny mponina tao amin’izany toerana izany, dia nampilaza tany amin’ny faritra rehetra manodidina. Koa nentin’ny olona teo aminy izay rehetra narary.+
36 Ary niangavy ireo mba havela hikasika ny mikiramborambo amin’ny morontongotry ny akanjony ivelany fotsiny.+ Koa sitrana tanteraka izay rehetra nanao izany.
Fanamarihana
^ Na: “nisaotra na nangata-pitahiana.”
^ Tamin’izany andro izany dia nozaraina efatra ny alina. Voalohany: 6-9 alina; faharoa: 9-12; fahatelo: 12-3 maraina; fahefatra: 3-6 maraina.