Jona 4:1-11

4  Tsy nahafaly an’i Jona mihitsy anefa izany,+ ka nirehitra ny fahatezerany.  Koa nivavaka tamin’i Jehovah izy hoe: “Jehovah ô! Tsy izao ve ilay efa nolazaiko fony aho tany amin’ny taniko? Koa naleoko tonga dia nandositra nankany Tarsisy.+ Fantatro mantsy fa Andriamanitra tsara fanahy ianao, mamindra fo,+ tsy mora tezitra, sy be hatsaram-panahy feno fitiavana,+ ary manenina ny amin’ny loza kasainao hampiharina.+  Koa ankehitriny, Jehovah ô! Esory re ny aiko e,+ fa aleoko maty toy izay velona.”+  Dia hoy i Jehovah: “Rariny ve raha tezitra mafy toy izao ianao?”+  Ary nivoaka ny tanàna i Jona ka nipetraka teo atsinanan’ny tanàna. Dia nanamboatra trano rantsankazo teo izy mba hipetrahany teo ambany alokalony,+ mandra-pahitany izay hanjo an’ilay tanàna.+  Ary i Jehovah Andriamanitra nampaniry voatavomonta* handady hiakatra, mba hanalokaloka ny lohan’i Jona sy hanamaivamaivana ny fahoriany.+ Koa nahafaly an’i Jona tokoa ilay voatavomonta.  Ny ampitson’iny anefa, rehefa nazava ratsy ny andro, dia nisy kankana+ nalefan’Andriamanitra hamely an’ilay voatavomonta, ka nihanalazo ilay izy.+  Ary nampisy rivotra mahamay avy any atsinanana+ koa Andriamanitra, raha vao niposaka ny masoandro. Dia nodanihin’ny hainandro ny lohan’i Jona, ka saika safotra+ mihitsy izy. Koa nangataka ny ho faty izy, sady namerimberina hoe: “Aleoko maty toy izay velona.”+  Ary hoy Andriamanitra tamin’i Jona: “Rariny ve raha tezitra mafy toy izao ianao noho ny amin’ilay voatavomonta?”+ Dia hoy izy: “Rariny tokoa raha tezitra mafy toy izao aho! Aleoko mihitsy maty.” 10  Ary hoy i Jehovah: “Ianao malahelo an’ilay voatavomonta tsy nisasaranao na nampanirinao, izay naniry indray alina monja, ary maty indray alina koa. 11  Dia izaho ve tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe+ misy olona maherin’ny roa alina sy iray hetsy izay tsy mahalala akory ny havia sy havanany, ary misy biby fiompy maro koa?”+

Fanamarihana

Karazana voatavo na tsirebika.