Joba 7:1-21
7 “Tsy asa an-terivozona+ ve no anjaran’ny olombelona mety maty, eto an-tany?Ary tsy toy ny andron’ny mpikarama ve ny androny?+
2 Toy ny mpanompo sempotra mitady alokaloka izy,+Ary toy ny mpikarama miandry ny karamany.+
3 Koa volana+ maro tsy misy vidiny no nomena ho anjarako,Ary alina feno fahoriana+ no natokana ho ahy.
4 Rehefa natory aho, dia nanao hoe: ‘Rahoviana re aho no hifoha e?’+Ary sasatry ny nivadibadika aho nanomboka tamin’ny takariva ka hatramin’ny mangiran-dratsy.
5 Rakotra olitra+ sy vovoka+ mivangongo ny nofoko.Efa nisy takopery ny hoditro, nefa mitsiranoka indray.+
6 Mandeha haingana+ noho ny famahanan-tenona ny androko,Ary lany tsy misy fanantenana.+
7 Tsarovy fa mihelina toy ny rivotra ny fiainako,+Ary tsy hahita zava-tsoa intsony ny masoko.
8 Tsy hahita ahy ny mason’izay mijery ahy.Hijery ahy ny masonao, nefa tsy ho eo intsony aho.+
9 Misava ny rahona, ka lasa.Toy izany koa fa izay midina any amin’ny Fasana,* dia tsy hiakatra intsony.+
10 Tsy hiverina any an-tranony intsony izy,Ary tsy hahafantatra azy intsony ny toerana nisy azy.+
11 Tsy hitampim-bava aho,Fa hiteny ao anatin’ny fahorian-tsaiko,Ary hitaraina ao anatin’ny fahoriam-poko.+
12 Izaho angaha ranomasina sa biby goavam-be any an-dranomasina,No dia fefenao?+
13 Rehefa nilaza aho hoe: ‘Hampionona ahy ny farafarako,Ary hanamaivana ny tebitebiko ny fandrianako’,
14 Dia nampihorohoro ahy tamin’ny nofy ianao,Ary nampitahotra ahy tamin’ny fahitana.
15 Koa aleoko matin’ny hasemporana,Eny, aleoko maty+ toy izay taolana fotsiny toy izao.
16 Maharikoriko ahy ny fiainako.+ Tsy ho ela velona aho.Aza manelingelina ahy, fa mihelina toy ny fofonaina ny androko.+
17 Inona moa ny olombelona mety maty+ no tezainao,Sy ifantohanao,
18 Ary dinihinao isa-maraina,Ka zahanao toetra foana?+
19 Nahoana raha mba mihodina ianao ka tsy mibanjina ahy,+Ary tsy manelingelina ahy na dia mandra-piteliko rora fotsiny aza?
20 Raha nanota aho, inona moa no voka-dratsin’izany aminao, ry Mpandinika ny olombelona?+Nahoana aho no nataonao lasibatra, ka lasa enta-mavesatra ho anao?
21 Nahoana ianao no tsy mamela ny heloko,+Ary tsy manadino ny fahadisoako?Fa hatory eo amin’ny vovoka+ aho izao,Ary hitady ahy ianao, nefa tsy ho eo intsony aho.”
Fanamarihana
^ Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.