Joba 24:1-25
24 “Nahoana no tsy nanendry fotoam-pitsarana ilay Mahery Indrindra?+Ary nahoana no tsy nahatsikaritra izany andro izany ny olona mahafantatra Azy?+
2 Ao ireo mampihemotra ny fetra mamaritra ny tanin’olona.+Naka an-keriny andiam-biby izy, mba handrasany.
3 Roahiny ny ampondran’ny ankizilahy kamboty ray,Ary alainy ho antoka ny ombin’ny vehivavy mpitondratena.+
4 Aviliny hiala amin’ny lalana ny mahantra,+Ary mandritra izany fotoana izany dia miafina ny ory eto an-tany.
5 Toy ny zebra+ any an-tany efitra,Dia lasa nanao ny asany ireo mahantra, nitady sakafo.Ny tany lemaka karakaina no ahazoan’ny tsirairay aminy sakafo ho an-janany.
6 Maka vilona eny an-tsaha izy ireo,Ary robainy haingana ny tanimboaloboky ny ratsy fanahy.
7 Mitanjaka izy ireo matory amin’ny alina fa tsy miakanjo,+Ary tsy manan-damba irakofana amin’ny hatsiaka.+
8 Kotsan’ny oram-baratra eny an-tendrombohitra izy,Ary mitampify eo amin’ny vatolampy fa tsy manan-kialofana.+
9 Alain’ny ratsy fanahy eny an-tratran-dreniny ny kamboty ray,+Ary alainy ho antoka izay eny an-koditry ny ory.+
10 Mandehandeha mitanjaka ireo ory fa tsy miakanjo,Ary noana nefa tsy maintsy mitondra ny salohim-bary voajinja.+
11 Eny anelanelan’ny voly mikitohatohatra no misy azy amin’ny mitataovovonana.Manitsakitsaka voaloboka ao anaty lavaka famiazana izy ireo, nefa mangetaheta.+
12 Re hatrany ivelan’ny tanàna ny fitronan’ny olona miala aina,Ary miantso vonjy ny olona maratra mafy efa ho faty.+Tsy ahoan’Andriamanitra akory anefa izany.+
13 Ny ratsy fanahy kosa dia anisan’ireo nikomy tamin’ny hazavana.+Tsy nahafantatra ny lalan’ny hazavana izy ireo,Ary tsy naharitra tamin’izany.
14 Rehefa mazava ny andro, dia mifoha ny mpamono olona,Ka mamono ny ory sy ny mahantra.+Ary lasa mpangalatra izy amin’ny alina.+
15 Ny mason’ny mpanitsakitsa-bady+ kosa dia miandry takariva maizimaizina,+Ary milaza izy hoe: ‘Tsy hisy hahita ahy!’+Saronany koa ny tarehiny.
16 Mamaky trano ny mpangalatra rehefa maizina ny andro,Ary mihidy ao an-trano izy amin’ny antoandro.Tsy mba fantany ny mazava.+
17 Amin’ny ratsy fanahy, dia toy ny haizim-pito+ ihany ny maraina.Efa mahazatra azy mantsy ny horohoro tampoka ateraky ny haizim-pito.
18 Indaosin’ny rano izy,Ary ho voaozona ny sombin-taniny eto an-tany.+Tsy hiverina any amin’ny tanimboalobony intsony izy.
19 Toy ny andevonan’ny hain-tany sy ny hafanana ny rano avy amin’ny lanezy,No andevonan’ny Fasana* ny mpanota.+
20 Hanadino azy ny kibo nitoerany, ary ho faly hitsentsitra azy ny olitra.+Tsy hotsarovana intsony izy.+Ho tapaka tahaka ny hazo ny tsy fahamarinana.+
21 Ampahoriny ny vehivavy momba izay tsy miteraka.Ary tsy mba manao soa amin’ny vehivavy mpitondratena+ izy.
22 Hindaosin’Andriamanitra amin-kery ny olona matanjaka.Hitsangana ny mpanota nefa tsy ho azony antoka akory raha ho velona ny tenany.
23 Avelan’Andriamanitra ny ratsy fanahy hatoky+ hoe mahavita tena izy,Nefa harahiny maso foana izay hataon’ireny.+
24 Nisandratra vetivety ny ratsy fanahy, dia tsy hita intsony.+Naetry izy ireo,+ ary otazana toy ny olon-drehetra,Sady tangosana toy ny salohim-bary.
25 Koa iza àry no hilaza ahy ho mpandainga,Na hanao tsinontsinona ny teniko?”
Fanamarihana
^ Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.