Joba 15:1-35
15 Dia namaly i Elifaza Temanita hoe:
2 “Fahalalana poakaty ve no hoentin’ny olon-kendry hamaly?+Sa hofenoiny fanirian-dratsy* ny fony?+
3 Very maina ny fanitsiana am-bava fotsiny,Ary tsy mahasoa raha teny fotsiny.
4 Noho ny ataonao, dia manjary tsy misy ny tahotra an’Andriamanitra,Ary mihena ny fisaintsainana momba azy.
5 Ny fahadisoanao no mampianatra ny vavanao,Ary ny lelan’ny fetsy no fidinao.
6 Ny vavanao, fa tsy izaho, no milaza fa meloka ianao,Ary ny molotrao ihany no miampanga anao.+
7 Ianao angaha no nateraka voalohany tamin’ny olombelona?+Sa talohan’ny havoana+ no nahaterahanao tao anatin’ny fanaintainana?
8 Angaha ianao mandre ny resaka tsiambaratelo ataon’Andriamanitra?+Sa feranao ho anao irery ihany ny fahendrena?
9 Fa inona moa no fantatrao ka tsy mba fantatray?+Ary inona no hevitra takatrao ka tsy mba takatray koa?
10 Samy misy eto aminay na ny fotsy volo na ny be taona,+Izay ela niainana kokoa noho ny rainao.
11 Tsy ampy anao ve ny fampiononan’Andriamanitra,Na ny teny lazaina aminao amim-pahalemem-panahy?
12 Nahoana ianao no tarihin’ny fonao tsy hisaina intsony?Ary nahoana ny masonao no tezitra?
13 Manohitra an’Andriamanitra ianao,Ka manao teny tsy voahevitra.
14 Inona moa izay olombelona mety maty no hadio,+Na izay atera-behivavy no ho marina?
15 Fa ny anjeliny masina* aza tsy atokisany,+Ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony,+
16 Koa mainka fa izay olona maharikoriko sy manao ny tsy marina,+Dia olona misotro ny tsy fahamarinana toy ny fisotro rano!
17 Hilaza zavatra aminao aho, ka henoy!+Hitako izany ka avelao hotantaraiko.
18 Resahin’ny olon-kendry+ izany,Ary azony avy tamin’ny razany ka tsy nafeniny.
19 Izy ireo ihany no nomena ny tany,Ary tsy nisy vahiny nandalo teo aminy.
20 Mijalijaly ny ratsy fanahy mandritra ny androm-piainany,Eny, mandritra ny taona rehetra atokana ho an’ny olon-dozabe.
21 Feo mampahatahotra no tsy afaka ao an-tsofiny.Ary tafihin’ny mpandroba izy amin’ny fotoam-pilaminana.+
22 Tsy manantena ny ho tafavoaka avy ao anaty haizina izy,+Ary sabatra no anjarany.
23 Mirenireny mitady sakafo izy. Aiza anefa no misy?+Fantany tsara fa efa tena akaiky ny andro maizina.+
24 Mampihorohoro azy foana ny fahoriana sy ny tebiteby,+Ary tonga hamely azy toy ny mpanjaka vonon-kanafika izany.
25 Koa satria izy maninjitra ny tanany hanohitra an’Andriamanitra,Sady te hiseho ho ambony kokoa noho ilay Mahery Indrindra,+
26 Ary manao an-ditra miriotra hiady Aminy,Miaraka amin’ny foitran’ampingany matevina,
27 Ary satria koa ataony matavitavy ny tarehiny,Sady ataony matavy ny andilany,+
28 Dia mitoetra ao amin’ny tanàna izay hofoanana izy,Ao amin’ny trano tsy hipetrahan’olona intsony,Izay efa voatokana ho lasa korontam-bato.
29 Tsy ho lasa mpanankarena izy, sady tsy hitombo ny harenany,Ary tsy hitatra manerana ny tany ny fananany.+
30 Tsy ho afaka ao amin’ny haizina izy.Ho maina ny sampany, azon’ny lelafo,Ary ho levon’ny fofonain’Andriamanitra izy.+
31 Aoka izy tsy ho voafitaka hatoky zava-poana,Fa zava-poana ihany no ho azony, ho setrin’izany.
32 Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia ho tanteraka izany.Ary tsy handrobona ny sampany.+
33 Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy,Ary ho tahaka ny hazo oliva manintsana ny felany.
34 Fa tsy mamokatra na inona na inona ny antokon’ny mpivadi-pinoana,+Ary ho levon’ny afo ny tranolain’ny mpanao kolikoly.+
35 Fampahoriana no miforona ao an-kibony, ka miteraka zava-dratsy izy,+Ary mamorom-pitaka ny kibony.”
Fanamarihana
^ Na: “‘rivotra miantsinanana’, dia rivotra mahamay, mandoro, izay mitsoka avy any an-tany efitra.”
^ A.b.t.: “ireo masiny.”