Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Baiboly ato Amin’ny Internet

NY SORATRA MASINA—FANDIKAN-TENIN’NY TONTOLO VAOVAO

Hebreo 10:1-39

10  Koa satria aloky+ ny zavatra tsara ho avy ny Lalàna fa tsy ny tena izy, dia tsy ho vitan’ny olona mihitsy ny hahalavorary+ an’ireo manatona an’Andriamanitra, eny, tsy ho vitany amin’ny alalan’ny sorona tsy miova atolony isan-taona.  Tsy efa natsahatra ve ny fanolorana sorona raha vitan’ny olona izany? Raha izany mantsy no izy, dia tsy ho nahatsiaro ny tenany ho mpanota intsony ireo manao fanompoana masina, izay nodiovina indray mandeha monja.+  Ny mifanohitra amin’izany aza no izy, fa mampahatsiahy isan-taona isan-taona ny amin’ny ota ireny sorona ireny,+  satria tsy mahavita manaisotra ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy.+  Koa rehefa tonga teo amin’izao tontolo izao izy, dia nanao hoe: “‘Tsy tianao ny sorona sy ny fanatitra,+ fa nanomana vatana ho ahy ianao.+  Tsy nankasitrahanao koa ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra noho ny ota.’+  Dia hoy aho: ‘Intỳ aho tonga mba hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô!+ Voasoratra ao amin’ny horonam-boky ny momba ahy.’”+  Niteny aloha izy hoe: “Sady tsy tianao no tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra, mbamin’ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra noho ny ota”+—natolotra araka ny Lalàna ireny sorona ireny+  ary avy eo, dia hoy mihitsy izy: “Intỳ aho tonga mba hanao ny sitraponao.”+ Esoriny ilay voalohany mba hanamafisany orina an’ilay faharoa.+ 10  Izany ‘sitrapony’+ izany no nanamasinana+ antsika tamin’ny nanolorana+ ny vatan’i Jesosy Kristy indray mandeha monja.+ 11  Ary nankeo amin’ny toerany+ koa ny mpisorona rehetra isan’andro,+ mba hanao fanompoana ho an’ny besinimaro sy hanolotra matetika sorona tsy miova, satria tsy mahavita manaisotra tanteraka ny ota mihitsy ireny sorona ireny.+ 12  Fa izy kosa nanolotra sorona noho ny ota, dia sorona iray monja ho mandrakizay.+ Ary nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra izy.+ 13  Koa nanomboka tamin’izay, dia niandry izy mandra-panao ny fahavalony ho fitoeran-tongony.+ 14  Fa nataony lavorary+ mandrakizay ireo nohamasinina, ary fanatitra iray monja natao sorona+ no nanaovany izany. 15  Vavolombelona manambara amintsika koa ny fanahy masina,+ fa rehefa avy nilaza izy io hoe: 16  “‘Izao no fifanekena hataoko amin’izy ireo, rehefa afaka izany andro izany’, hoy i Jehovah: ‘Hataoko ao am-pony ny lalàko sady hosoratako ao an-tsainy’”,+ 17  dia hoy koa izy io avy eo: “Ary tsy hotsarovako intsony mihitsy ny fahotany sy ny fandikan-dalàna nataony.”+ 18  Ary rehefa voavela+ ireo fahotana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.+ 19  Manana fahasahiana hiditra+ eo amin’ilay lalana mankao amin’ny toerana masina+ isika, ry rahalahy, noho ny ran’i Jesosy. 20  Izany lalana izany no nosantariny ho antsika ho lalam-baovao sy velona izay mamaky eo amin’ilay ridao,+ izany hoe ny nofony.+ 21  Ary manana mpisoronabe miandraikitra ny ao an-tranon’Andriamanitra+ koa isika. Noho izany, dia 22  aoka isika hanatona an’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy sy fatokisana tanteraka avy amin’ny finoana, satria efa voadio* ho afaka amin’ny feon’ny fieritreretana ratsy ny fontsika,+ ary ny vatantsika efa voasasa tamin’ny rano madio.+ 23  Ary aoka hofikirintsika mafy ny fanambarana ampahibemaso ny fanantenantsika,+ ka tsy hisalasala+ isika, satria tsy mba mivadika amin’ny teniny+ ilay nampanantena. 24  Ary aoka koa isika hifampihevitra mba handrisika+ ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara,+ 25  ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory,+ toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery+ kosa, indrindra fa hitanareo hoe manakaiky ny andro.+ 26  Fa raha minia+ manota isika rehefa avy nahalala marina tsara ny fahamarinana,+ dia tsy misy sorona noho ny ota intsony,+ 27  fa fiandrasana amin-tahotra ny fanamelohana+ kosa, ary fahatezerana mirehitra izay handevona an’ireo manohitra.+ 28  Izay olona tsy niraharaha ny lalàn’i Mosesy dia novonoina ho faty noho ny tenin’ny vavolombelona roa na telo, ka tsy nanehoana fangorahana.+ 29  Koa tsy vao mainka ve ho mafy kokoa, araka ny hevitrareo, ny sazy+ ho mendrika an’izay manitsaka+ ny Zanak’Andriamanitra sy mihevitra fa tsy dia manao ahoana ny ran’ny+ fifanekena nanamasinana azy, ary maniratsira ny fanahin’ny+ hatsaram-panahy tsy manam-paharoa? 30  Fantatsika ilay niteny hoe: “Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly”,+ sy hoe: “Hitsara ny vahoakany i Jehovah.”+ 31  Zavatra mampahatahotra ny ho azon’ny tanan’ilay Andriamanitra velona.+ 32  Tadidio hatrany anefa ny andro taloha izay niaretanareo ady mafy tao anatin’ny fijaliana,+ rehefa avy nohazavaina+ ianareo: 33  Indraindray ianareo dia noharatsina sy nampahorina toy ny olona natao teo ambony sehatra,+ ary indraindray niara-ory tamin’ireo natao toy izany.+ 34  Fa sady nangoraka an’ireo tany am-ponja ianareo no faly rehefa norobaina+ ny fanananareo, satria fantatrareo fa manana lova tsara kokoa sy maharitra ianareo.+ 35  Koa aoka ianareo ho sahy hiteny+ foana, fa mitondra valisoa+ lehibe izany. 36  Fa mila miaritra+ ianareo mba ho tanteraka aminareo ilay fampanantenana,+ rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.+ 37  Fa “efa tena kely sisa”+ dia “ho tonga ilay ho avy, ary tsy ho ela fiavy.”+ 38  “Fa ny oloko marina kosa ho velona noho ny finoany”,+ fa “raha mihemotra izy, dia tsy hankasitrahako.”+ 39  Koa tsy anisan’izay mihemotra ho ringana+ isika, fa anisan’ireo manam-pinoana mba ho voatsimbina ny aintsika.*+

Fanamarihana ambany pejy

A.b.t.: “nofafazana”, izany hoe nofafazana tamin’ny ran’i Jesosy.
Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.