Genesisy 8:1-22
8 Taorian’izany, dia tsaroan’Andriamanitra+ i Noa sy ny bibidia rehetra ary ny biby fiompy rehetra niaraka taminy tao amin’ny sambofiara.+ Koa nampandalo rivotra* teny ambonin’ny tany Andriamanitra, dia nanomboka nihena ny rano.+
2 Ary tampina ny loharanon’ny rano lalina+ sy ny vavahadin-dranon’ny lanitra,+ ka nitsahatra ilay oram-be nivatravatra avy tany an-danitra.
3 Ary nisintona tsikelikely ny rano tamin’ny tany. Dia nihena ny rano rehefa afaka dimampolo amby zato andro.+
4 Ary tamin’ny andro fahafito ambin’ny folon’ny volana fahafito, dia tafapetraka teo ambonin’ny tendrombohitra Ararata+ ilay sambofiara.+
5 Ary nihena tsikelikely ny rano hatramin’ny volana fahafolo. Koa niseho ny tampon’ny tendrombohitra,+ tamin’ny andro voalohan’ny volana fahafolo.
6 Rehefa afaka efapolo andro, dia nosokafan’i Noa ny varavarankelin’ny+ sambofiara, dia ilay varavarankely efa nataony.
7 Ary namoaka goaika+ izy nony avy eo, dia nanidina teny ivelany ilay goaika. Ary lasa iny, dia niverina, ary toy izany hatrany mandra-pahamainan’ny rano tambonin’ny tany.
8 Ary namoaka voromailala+ izy, mba hahitana raha efa nihena ny rano tambonin’ny tany, na tsia.
9 Tsy nahita toerana hasiany ny tongony anefa ilay voromailala, ka niverina nankao amin’i Noa tao anatin’ny sambofiara, satria mbola nisy rano ny tany manontolo.+ Koa navoakan’i Noa ny tanany, dia nalainy ilay voromailala ka nampidiriny hankao aminy tao anatin’ny sambofiara.
10 Ary mbola niandry fito andro izy vao namoaka indray an’ilay voromailala avy tao amin’ny sambofiara.
11 Dia tonga teo aminy ilay voromailala, rehefa tokony ho takariva. Ary nisy ravin’oliva+ mbola maitso teny am-bavany, ka fantatr’i Noa fa efa nihena ny rano tambonin’ny tany.+
12 Ary mbola niandry fito andro indray izy, dia navoakany ilay voromailala, nefa tsy niverina teo aminy intsony.+
13 Ary tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany, tamin’ny taona fahiraika amby eninjato,+ dia ritra ny rano tambonin’ny tany. Ary nesorin’i Noa ny saron’ny sambofiara, ka nijery izy, ary hitany fa efa maina ny tany.+
14 Ary efa maina tanteraka ny tany+ tamin’ny andro fahafito amby roapolon’ny volana faharoa.
15 Ary hoy Andriamanitra tamin’i Noa:
16 “Mivoaha avy ao amin’ny sambofiara ianao sy ny vady aman-janakao mbamin’ny vadin’ny zanakao.+
17 Ary ento mivoaka miaraka aminao ny zavamananaina rehetra avy amin’ny karaza-nofo rehetra,+ dia ny biby manidina+ sy ny biby fiompy+ ary ny biby mandady rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.+ Fa hifanaretsaka eny amin’ny tany sy hanan-taranaka ireny, ka hihabetsaka eny ambonin’ny tany.”+
18 Dia nivoaka i Noa sy ny vadiny, mbamin’ireo zanany lahy+ sy ny vadin’izy ireo.
19 Ary nivoaka avy tao amin’ny sambofiara ny bibidia rehetra sy ny biby mandady rehetra sy ny biby manidina rehetra, ary izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany, araka ny karazany avy.+
20 Ary nanorina alitara+ ho an’i Jehovah i Noa. Dia naka tamin’ny biby madio+ sy ny biby manidina madio+ izy, ka nanolotra fanatitra dorana teo ambonin’ilay alitara.+
21 Ary nandre hanitra mampitony+ i Jehovah, ka hoy i Jehovah anakampo:+ “Tsy hanozona ny tany+ intsony aho noho ny amin’ny olona, satria zava-dratsy foana no irin’ny fony,+ efa hatramin’ny fahazazany.+ Koa tsy horinganiko intsony tahaka izay efa nataoko ny zavamananaina rehetra.+
22 Fa raha mbola tany koa ny tany, dia tsy hitsahatra mihitsy ny famafazam-boa sy ny fijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanana, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.”+
Fanamarihana
^ Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.