Genesisy 7:1-24

7  Taorian’izany, dia hoy i Jehovah tamin’i Noa: “Midira ao anatin’ny sambofiara ianao sy ny ankohonanao manontolo,+ satria amin’izao taranaka izao, dia ianao no hitako fa marina eo anatrehako.+  Akao fito avy ny biby madio rehetra, dia lahy sy vavy.+ Roa avy kosa no halainao amin’ny biby tsy madio rehetra, dia lahy sy vavy.  Ary akao fito avy koa ny biby manidina eny amin’ny lanitra, dia lahy sy vavy,+ mba tsy ho lany taranaka eny ambonin’ny tany manontolo ireny.+  Fa fito andro sisa dia hampilatsaka orana+ efapolo andro sy efapolo alina+ eny ambonin’ny tany aho. Ary hofoanako tsy ho eny ambonin’ny tany ny zava-drehetra nataoko.”+  Dia nanao araka izay rehetra nandidian’i Jehovah azy i Noa.  Ary eninjato taona i Noa fony tonga tambonin’ny tany ny safodrano.+  Koa niditra tao anatin’ny sambofiara i Noa sy ny vadiny, mbamin’ireo zanany lahy sy ny vadin’izy ireo, talohan’ny nahatongavan’ny safodrano.+  Tamin’ny biby madio rehetra sy ny biby tsy madio rehetra sy ny biby manidina ary izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany,+  dia roa avy, lahy sy vavy, no niditra tao anatin’ny sambofiara nankao amin’i Noa, araka izay nandidian’Andriamanitra azy. 10  Ary tonga tambonin’ny tany ny safodrano, rehefa afaka fito andro. 11  Tamin’ny andro fahafito ambin’ny folon’ny volana faharoa, tamin’ny faheninjato taonan’i Noa, eny, tamin’io andro io, dia vaky ny loharano rehetran’ny rano lalina midadasika, ka nisokatra ny vavahadin-dranon’ny lanitra.+ 12  Ary naharitra efapolo andro sy efapolo alina+ ny oram-be nivatravatra tamin’ny tany. 13  Koa tamin’io andro io, dia niditra tao anatin’ny sambofiara i Noa, mbamin’i Sema sy Hama ary Jafeta zanany lahy,+ ary ny vadin’i Noa sy izy telo vavy vadin-janany.+ 14  Eny, niditra tao anatin’ny sambofiara izy ireo mbamin’ny bibidia rehetra araka ny karazany avy,+ sy ny biby fiompy rehetra araka ny karazany avy, sy ny biby mandady rehetra izay mihetsiketsika eny ambonin’ny tany araka ny karazany avy,+ ary ny biby manidina rehetra araka ny karazany avy,+ dia ny vorona rehetra sy izay rehetra manana elatra.+ 15  Koa niditra tsiroaroa nankao amin’i Noa tao anatin’ny sambofiara ireny biby ireny, izay avy tamin’ny karaza-nofo rehetra nanam-pofonaina.+ 16  Ary izay niditra dia lahy sy vavy, avy tamin’ny karaza-nofo rehetra, araka izay nandidian’Andriamanitra an’i Noa. Dia nohidian’i Jehovah ny varavarana.+ 17  Ary avy nandritra ny efapolo andro teto ambonin’ny tany ny orana. Ary tsy nitsahatra nisondrotra ny rano ka nanainga an’ilay sambofiara. Dia nitsinkafona ambony be niala tamin’ny tany ilay sambofiara. 18  Ary nahery be ny rano, ka nisondrotra be teny ambonin’ny tany, fa ilay sambofiara kosa nandeha teny ambonin’ny rano.+ 19  Ary nanafotra tanteraka ny tany ny rano, ka difotra ny tendrombohitra avo rehetra teny ambanin’ny lanitra manontolo.+ 20  Nihoatra dimy ambin’ny folo hakiho tamin’ny tendrombohitra ny rano, ka difotra ireny.+ 21  Koa maty ny nofo rehetra nihetsiketsika teny ambonin’ny tany,+ dia ny biby manidina sy ny biby fiompy sy ny bibidia sy ny zavamananaina hafa rehetra nifanaretsaka teny ambonin’ny tany, ary ny olombelona rehetra.+ 22  Eny, maty izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, dia izay rehetra teo amin’ny tany maina.+ 23  Koa nofoanany tsy ho etỳ ambonin’ny tany ny zava-drehetra, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby, sy ny biby mandady ary ny biby manidina teny amin’ny lanitra. Eny, ringana tsy ho eo amin’ny tany ireny.+ Ary i Noa ihany, mbamin’izay niaraka taminy tao amin’ny sambofiara, no sisa velona.+ 24  Ary mbola nahery be ny rano nanafotra ny tany, nandritra ny dimampolo amby zato andro.

Fanamarihana