Genesisy 6:1-22
6 Ary rehefa nanomboka nihamaro ny olombelona teto ambonin’ny tany ka niteraka zazavavy,+
2 dia tsikaritr’ireo+ zanak’Andriamanitra*+ fa tsara tarehy ny zanakavavin’olombelona. Koa nalain’izy ireo ho vady izay rehetra nofidiny.
3 Ary hoy i Jehovah: “Tsy handefitra tsy misy farany+ amin’ny olona aho,*+ satria nofo ihany izy.+ Koa ho roapolo amby zato taona ny androny.”+
4 Teto an-tany ny Nefilima tamin’izany andro izany, sy taorian’izany koa, fony nanao firaisana tamin’ny zanakavavin’olombelona ireo zanak’Andriamanitra. Dia niteraka zazalahy tamin’izy ireo ny zanakavavin’olombelona. Ireny Nefilima ireny no olo-mahery fahiny, sady lehilahy nanan-daza.
5 Ary hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona teto an-tany, ary zava-dratsy foana koa no nalehan’ny sainy.*+
6 Dia nanenina+ i Jehovah noho ny nanaovany ny olona ambonin’ny tany, ka nalahelo ny fony.+
7 Koa hoy i Jehovah: “Haringako tsy ho eny ambonin’ny tany ny olona noforoniko,+ hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny biby mandady ary ny biby manidina eny amin’ny lanitra,+ satria manenina aho noho ny nanaovako azy.”+
8 Fa i Noa kosa nankasitrahan’i Jehovah.
9 Ary izao no tantaran’i Noa:
Olo-marina i Noa,+ ary tsy nisy tsiny izy teo amin’ny mpiara-belona taminy. Eny, niara-nandeha tamin’Andriamanitra izy.+
10 Ary niteraka telo mirahalahy i Noa, dia i Sema sy Hama ary Jafeta.+
11 Ary simba sy feno herisetra ny tany,+ teo imason’Andriamanitra.+
12 Koa hitan’Andriamanitra fa simba ny tany,+ satria nanao ratsy ny olona rehetra teto an-tany.+
13 Dia hoy Andriamanitra tamin’i Noa: “Efa eto anatrehako ny faran’ny nofo rehetra,+ satria feno herisetra ny tany noho ny ataon’izy ireo. Koa haringako izy ireo, ary hosimbako koa ny tany.+
14 Manaova àry sambofiara ho anao amin’ny hazo misy ditiny,+ ka asio efitrefitra ao anatiny. Ary hosory godorao+ ny atin’ilay sambofiara sy ny ivelany.
15 Ary toy izao no hanaovanao ilay sambofiara: Telonjato hakiho*+ ny lavany, dimampolo hakiho ny sakany, ary telopolo hakiho ny haavony.
16 Asio varavarankely* ilay sambofiara. Vitao hatreny amin’ny iray hakiho tsy hipaka amin’ny tafo ilay sambofiara, ary ataovy eo amin’ny lafiny iray ny varavarany.+ Asio rihana ilay sambofiara: Ny farany ambany sy ny rihana voalohany ary ny rihana faharoa.
17 “Ary hahatonga safodrano+ eny ambonin’ny tany aho, mba handringanana ny nofo rehetra manam-pofonaina*+ tsy ho eny ambanin’ny lanitra. Dia ho faty ny zava-drehetra eny ambonin’ny tany.+
18 Ary manao fifanekena aminao aho. Koa midira ao anatin’ny sambofiara ianao sy ireo zanakao lahy sy ny vadinao ary ireo vadin’ny zanakao.+
19 Ary akao roa avy ny karazan-javamananaina rehetra,+ ka ampidiro ao anatin’ny sambofiara, mba ho voatsimbina miaraka aminao.+ Lahy sy vavy no halainao.
20 Ary amin’ny biby manidina araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy araka ny karazany avy,+ ary ny biby mandady rehetra amin’ny tany araka ny karazany avy, dia roa avy no hiditra hankao aminao mba hitsimbinana ny ainy.+
21 Ary makà amin’izay karazan-tsakafo rehetra fihinana,+ ka angony eo aminao izany ho sakafonao sy ho sakafon’ireny.”+
22 Dia nanao araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy i Noa. Izany indrindra no nataony.+
Fanamarihana
^ Jereo F.F. 1G.
^ A.b.t.: “ny fanahiko.”
^ A.b.t.: “fisainan’ny fony.”
^ 1 hakiho = 44,5 sm.
^ A.b.t.: “tsôhar”, angamba tafo na varavarankely.
^ ‘fofonaina.’ Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.