Genesisy 5:1-32

5  Izao no voalazan’ny boky mirakitra ny tantaran’i Adama: Tamin’ny andro namoronan’Andriamanitra an’i Adama, dia nataony nisy itovizana taminy izy.+  Lahy sy vavy no namoronany azy ireo.+ Taorian’izany, dia nitso-drano azy ireo izy, ary nataony hoe Olombelona+ ny anaran’ireo, tamin’ny andro namoronana azy.+  Ary rehefa telopolo amby zato taona i Adama, dia niteraka zazalahy nisy itovizana taminy, araka ny endriny. Ary nataony hoe Seta+ ny anarany.  Ary valonjato taona ny andro niainan’i Adama, taorian’ny niterahany an’i Seta. Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy.+  Koa nahatratra telopolo sy sivinjato taona ny andro rehetra niainan’i Adama, dia maty izy.+  Ary rehefa dimy amby zato taona i Seta, dia niteraka an’i Enosa.+  Ary mbola velona fito sy valonjato taona i Seta, taorian’ny niterahany an’i Enosa. Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy.  Koa nahatratra roa ambin’ny folo sy sivinjato taona ny andro rehetra niainan’i Seta, dia maty izy.  Ary rehefa sivifolo taona i Enosa, dia niteraka an’i Kenana.+ 10  Ary mbola velona dimy ambin’ny folo sy valonjato taona i Enosa, taorian’ny niterahany an’i Kenana. Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 11  Koa nahatratra dimy sy sivinjato taona ny andro rehetra niainan’i Enosa, dia maty izy. 12  Ary rehefa fitopolo taona i Kenana, dia niteraka an’i Mahalalila.+ 13  Ary mbola velona efapolo sy valonjato taona i Kenana, taorian’ny niterahany an’i Mahalalila. Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 14  Koa nahatratra folo sy sivinjato taona ny andro rehetra niainan’i Kenana, dia maty izy. 15  Ary rehefa dimy amby enimpolo taona i Mahalalila, dia niteraka an’i Jareda.+ 16  Ary mbola velona telopolo sy valonjato taona i Mahalalila, taorian’ny niterahany an’i Jareda. Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 17  Koa nahatratra dimy amby sivifolo sy valonjato taona ny andro rehetra niainan’i Mahalalila, dia maty izy. 18  Ary rehefa roa amby enimpolo amby zato taona i Jareda, dia niteraka an’i Enoka.+ 19  Ary mbola velona valonjato taona i Jareda, taorian’ny niterahany an’i Enoka. Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 20  Koa nahatratra roa amby enimpolo sy sivinjato taona ny andro rehetra niainan’i Jareda, dia maty izy. 21  Ary rehefa dimy amby enimpolo taona i Enoka, dia niteraka an’i Metosela.+ 22  Ary niara-nandeha foana tamin’ilay tena Andriamanitra i Enoka, nandritra ny telonjato taona, taorian’ny niterahany an’i Metosela. Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 23  Koa nahatratra dimy amby enimpolo sy telonjato taona ny andro rehetra niainan’i Enoka. 24  Ary niara-nandeha+ foana tamin’Andriamanitra i Enoka.+ Ary tsy nisy nahita azy intsony, satria nalain’Andriamanitra izy.+ 25  Ary rehefa fito amby valopolo amby zato taona i Metosela, dia niteraka an’i Lameka.+ 26  Ary mbola velona roa amby valopolo sy fitonjato taona i Metosela, taorian’ny niterahany an’i Lameka. Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 27  Koa nahatratra sivy amby enimpolo sy sivinjato taona ny andro rehetra niainan’i Metosela, dia maty izy. 28  Ary rehefa roa amby valopolo amby zato taona i Lameka, dia niteraka zazalahy. 29  Dia nataony hoe Noa*+ ny anarany, fa hoy izy: “Izy no hitondra fampiononana ho antsika. Ilaintsika mantsy izany satria miasa mafy sy misasatra isika noho ny nanozonan’i Jehovah ny tany.”+ 30  Ary mbola velona dimy amby sivifolo sy dimanjato taona i Lameka, taorian’ny niterahany an’i Noa. Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 31  Koa nahatratra fito amby fitopolo sy fitonjato taona ny andro rehetra niainan’i Lameka, dia maty izy. 32  Ary feno dimanjato taona i Noa. Taorian’izay izy dia niteraka an’i Sema+ sy Hama+ ary Jafeta.+

Fanamarihana

Midika hoe “fitsaharana, fampiononana.”