Genesisy 4:1-26

4  Ary nanao firaisana tamin’i Eva vadiny i Adama, ka bevohoka ravehivavy.+ Rehefa nandeha ny fotoana, dia niteraka an’i Kaina+ izy, ka niteny hoe: “Tera-dahy aho noho ny fanampian’i Jehovah.”+  Ary niteraka an’i Abela+ rahalahiny indray izy tatỳ aoriana. Ary lasa mpiandry ondry i Abela,+ fa i Kaina kosa lasa mpiasa tany.+  Ary rehefa afaka elaela, dia nitondra tamin’ny vokatry ny tany+ ho fanatitra ho an’i Jehovah+ i Kaina.  Fa i Abela kosa nanolotra ny sasany tamin’ny voalohan-teraky+ ny andian’ondriny, mbamin’ny tavin’ireny.+ Ary nankasitrahan’i Jehovah i Abela sy ny fanatiny,+  fa i Kaina sy ny fanatiny kosa tsy nankasitrahany.+ Dia tezitra be+ i Kaina, ka nanjombona ny tarehiny.  Dia hoy i Jehovah tamin’i Kaina: “Nahoana ianao no tezitra be, ary nahoana no manjombona ny tarehinao?  Tsy hisandratra ve ianao raha mba miova ka manao ny tsara?+ Fa raha tsy miova mba hanao ny tsara kosa ianao, dia misy ota mamitsaka eo am-baravarana, ka ianao no tsiriritiny.+ Ary ianao kosa ve hahafehy azy?”+  Taorian’izany, dia hoy i Kaina tamin’i Abela rahalahiny: “Andao isika ho any an-tsaha.” Ary rehefa tany an-tsaha izy roa lahy, dia namely an’i Abela rahalahiny i Kaina ka nahafaty azy.+  Tatỳ aoriana, dia hoy i Jehovah tamin’i Kaina: “Fa aiza i Abela rahalahinao?”+ Dia hoy izy: “Tsy fantatro. Fa angaha izaho mpiambina ny rahalahiko?”+ 10  Ary hoy Andriamanitra: “Fa inona no nataonao? Injay fa miantsoantso mitaraina amiko avy amin’ny tany ny ran’ny rahalahinao.+ 11  Ary voaozona ianao ankehitriny, ka horoahina tsy ho ao amin’ilay tany+ izay nisokatra hitelina ny ran’ny rahalahinao, dia ny ra nalatsaky ny tananao.+ 12  Rehefa miasa ny tany ianao, dia tsy hamokatra ho anao izy.+ Ary ho mpirenireny sy ho mpandositra foana ianao, eny ambonin’ny tany.”+ 13  Dia hoy i Kaina tamin’i Jehovah: “Mafy loatra ny sazy vokatry ny fahadisoako, ka tsy zakako. 14  Eny, roahinao tokoa aho androany tsy ho eto amin’ity faritra ity, ary ho voafina tsy ho eo anatrehanao.+ Koa ho mpirenireny+ sy ho mpandositra foana aho etỳ ambonin’ny tany, ary tena hamono ahy ho faty tokoa izay mahita ahy.”+ 15  Dia hoy i Jehovah taminy: “Noho izany antony izany, dia hiharan’ny valifaty avo fito heny izay mamono an’i Kaina.”+ Koa nanao famantarana ho an’i Kaina i Jehovah, mba tsy hamely azy ho faty izay mahita azy.+ 16  Dia niala tsy ho eo anatrehan’i Jehovah+ i Kaina ka nanorim-ponenana tany amin’ilay tany atao hoe Fandosirana, tany atsinanan’i Edena. 17  Ary nanao firaisana tamin’ny vadiny i Kaina taorian’izany,+ dia bevohoka ravehivavy ka niteraka an’i Enoka. Ary nanorina tanàna iray i Kaina, ka nataony hoe Enoka ny anaran’ilay tanàna, araka ny anaran’ny zanany lahy.+ 18  Tatỳ aoriana, dia niteraka an’i Irada i Enoka. Ary i Irada niteraka an’i Mehojaela, ary Mehojaela niteraka an’i Metosaela, ary Metosaela niteraka an’i Lameka. 19  Ary naka vady roa i Lameka. Ada no anaran’ny voalohany ary Zila ny faharoa. 20  Tatỳ aoriana, dia niteraka an’i Jabala i Ada. Io Jabala io no nipoiran’ny olona mipetraka an-tranolay+ izay manana biby fiompy.+ 21  Ary Jobala no anaran’ny rahalahiny. Izy io no nipoiran’ny mpitendry harpa+ sy mpitsoka sodina+ rehetra. 22  Ary i Zila kosa niteraka an’i Tobala-kaina, izay mpanefy ny karazam-pitaovana rehetra vita amin’ny varahina sy vy.+ Ary i Nama no anabavin’i Tobala-kaina. 23  Koa nanoratra izao tononkalo izao ho an’i Ada sy Zila vadiny i Lameka: “Henoy ny feoko, ry vadin’i Lameka;Henoy izao lazaiko izao:Nisy lehilahy novonoiko ho faty satria nandratra ahy izy,Eny, tovolahy iray, satria namely ahy izy. 24  Raha ampiharana valifaty avo fito heny izay mamono an’i Kaina,+Dia ho avo fito amby fitopolo heny kosa ny an’izay mamono an’i Lameka.” 25  Ary nanao firaisana tamin’ny vadiny indray i Adama. Koa tera-dahy ravehivavy, ka nataony hoe Seta+ ny anarany, satria hoy izy: “Andriamanitra efa nanome ahy zanaka hafa ho solon’i Abela, satria novonoin’i Kaina izy.”+ 26  Ary niteraka zazalahy koa i Seta, ka nataony hoe Enosa+ ny anarany. Tamin’izany fotoana izany no nanomboka nantsoina ny anaran’i Jehovah.+

Fanamarihana