Genesisy 36:1-43
36 Ary izao no tantaran’i Esao, izany hoe Edoma:+
2 I Esao naka vady tamin’ny zanakavavin’ny Kananita:+ Ada+ zanakavavin’i Elona Hetita,+ sy Oholibama+ zanakavavin’i Ana sady zafikelin’i Zibona Hivita,
3 ary koa Basemata+ zanakavavin’i Ismaela sady anabavin’i Nebaiota.+
4 Ary i Ada niteraka an’i Elifaza tamin’i Esao, ary i Basemata niteraka an’i Regoela,
5 ary i Oholibama niteraka an’i Jeosy sy Jalama ary Kora.+
Ireo no zanakalahin’i Esao izay naterany tany Kanana.
6 Tatỳ aoriana, dia nentin’i Esao ny vadiny sy ny zanany lahy sy ny zanany vavy sy ny olona* rehetra tao an-tranony sy ny biby fiompiny sy ny bibiny hafa rehetra ary ny fananana rehetra+ voangony tany Kanana, ka lasa izy nankany an-tany hafa, lavitra an’i Jakoba rahalahiny.+
7 Nanjary be loatra mantsy ny fananan’izy mirahalahy, ka tsy afaka niara-nonina izy ireo, sady tsy antonona azy intsony ilay tany nivahiniany, noho ny amin’ny biby fiompiny.+
8 Koa nanorim-ponenana tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Seira+ i Esao. I Esao no Edoma.+
9 Ary izao no tantaran’i Esao rain’ny Edomita, tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Seira:+
10 Ireto no anaran’ny zanakalahin’i Esao: Elifaza zanak’i Ada vadin’i Esao, sy Regoela zanak’i Basemata vadin’i Esao.+
11 Ary ny zanakalahin’i Elifaza dia i Temana,+ Omara, Zefo, Gatama ary Kenaza.+
12 Ary lasa vadikelin’i Elifaza zanakalahin’i Esao, i Timna.+ Dia niteraka an’i Amaleka+ tamin’i Elifaza izy. Ireo no taranak’i Ada vadin’i Esao.
13 Ary ireto no zanakalahin’i Regoela: Nahata, Zera, Sama ary Miza.+ Ireo no taranak’i Basemata+ vadin’i Esao.
14 Ary ireto no zanakalahin’i Oholibama vadin’i Esao, izay zanakavavin’i Ana sady zafikelin’i Zibona: Jeosy sy Jalama ary Kora izay naterany tamin’i Esao.+
15 Ary ireto no lehibem-pokon’ny+ taranak’i Esao, izay zanakalahin’i Elifaza lahimatoan’i Esao: Temana+ lehibem-poko, Omara lehibem-poko, Zefo lehibem-poko, Kenaza lehibem-poko,
16 Kora lehibem-poko, Gatama lehibem-poko, Amaleka lehibem-poko. Ireo no lehibem-poko avy tamin’i Elifaza,+ tany amin’ny tany Edoma. Ireo no taranak’i Ada.
17 Ary ireto no zanakalahin’i Regoela, zanak’i Esao: Nahata lehibem-poko, Zera lehibem-poko, Sama lehibem-poko, Miza lehibem-poko. Ireo no lehibem-poko avy tamin’i Regoela, tany Edoma.+ Ireo no taranak’i Basemata vadin’i Esao.
18 Ary ireto no zanakalahin’i Oholibama vadin’i Esao: Jeosy lehibem-poko, Jalama lehibem-poko, Kora lehibem-poko. Ireo no lehibem-poko avy tamin’i Oholibama, zanakavavin’i Ana sady vadin’i Esao.
19 Ireo no zanakalahin’i Esao, ary ireo no lehibem-pokony. I Esao no Edoma.+
20 Ary ireto no taranak’i Seira Horita, izay mponina teo amin’ilay tany:+ Lotana, Sobala, Zibona, Ana,+
21 Disona,+ Ezera ary Disana. Ireo no lehibem-pokon’ny Horita taranak’i Seira, tany Edoma.
22 Ary ny zanakalahin’i Lotana dia i Hory sy Hemama. Ary i Timna no anabavin’i Lotana.+
23 Ary ireto no zanakalahin’i Sobala: Alvana, Manahata, Ebala, Sefo ary Onama.
24 Ary ireto no zanakalahin’i Zibona: Aia sy Ana. Io Ana io no nahita ny ranomafana tany an-tany efitra, fony izy niandry ny ampondran’i Zibona rainy.+
25 Ary ireto no zanak’i Ana: Disona, sy Oholibama zanakavavin’i Ana.
26 Ary ireto no zanakalahin’i Disona: Hemdana, Esbana, Jitrana ary Kerana.+
27 Ary ireto no zanakalahin’i Ezera: Bilana sy Zavana ary Akana.
28 Ary ireto no zanakalahin’i Disana: Oza sy Arana.+
29 Ary ireto no lehibem-pokon’ny Horita: Lotana lehibem-poko, Sobala lehibem-poko, Zibona lehibem-poko, Ana lehibem-poko,
30 Disona lehibem-poko, Ezera lehibem-poko, Disana lehibem-poko.+ Ireo no lehibem-pokon’ny Horita, araka ny anarany avy, tany Seira.
31 Ary ireto no mpanjaka nitondra tany Edoma,+ talohan’ny nisian’ny mpanjaka teo amin’ny zanak’Israely:+
32 Bela zanakalahin’i Beora no nanjaka tany Edoma,+ ary Dinaba no anaran’ny tanànany.
33 Rehefa maty i Bela, dia nanjaka nandimby azy i Jobaba zanakalahin’i Zera avy any Bozra.+
34 Rehefa maty i Jobaba, dia nanjaka nandimby azy i Hosama avy any amin’ny tanin’ny Temanita.+
35 Rehefa maty i Hosama, dia nanjaka nandimby azy i Hadada zanakalahin’i Bedada, izay nandresy ny Midianita+ teo amin’ny faritr’i Moaba.+ Ary Avita no anaran’ny tanànan’i Hadada.+
36 Rehefa maty i Hadada, dia nanjaka nandimby azy i Samla avy any Masreka.+
37 Rehefa maty i Samla, dia nanjaka nandimby azy i Saoly avy any Rehobota eo amoron’ny Renirano.+
38 Rehefa maty i Saoly, dia nanjaka nandimby azy i Bala-hanana zanakalahin’i Akbora.+
39 Rehefa maty i Bala-hanana zanak’i Akbora, dia nanjaka nandimby azy i Hadara. Ary Pao no anaran’ny tanànany. Ary ny anaran’ny vadiny dia Mehetebela zanakavavin’i Matreda, izay zanakavavin’i Mezahaba.+
40 Koa ireto no anaran’ny lehibem-poko avy tamin’i Esao, araka ny fianakaviany avy sy ny toerana nisy azy ary ny anarany: Timna lehibem-poko, Alva lehibem-poko, Jeteta lehibem-poko,+
41 Oholibama lehibem-poko, Elaha lehibem-poko, Pinona lehibem-poko,+
42 Kenaza lehibem-poko, Temana lehibem-poko, Mibzara lehibem-poko,+
43 Magdiela lehibem-poko, Irama lehibem-poko. Ireo no lehibem-pokon’i Edoma,+ araka izay toerana nonenany tao amin’ny taniny.+ Ireo no taranak’i Esao rain’ny Edomita.+
Fanamarihana
^ Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.