Genesisy 3:1-24

3  Ary ny menarana+ no malina+ indrindra tamin’ny bibidia rehetra nataon’i Jehovah Andriamanitra.+ Koa hoy izy io tamin-dravehivavy:+ “Marina tokoa ve fa niteny taminareo Andriamanitra hoe tsy tokony hihinananareo ny voan’ny hazo rehetra ato amin’ny zaridaina?”+  Dia hoy ravehivavy tamin’ilay menarana: “Mahazo mihinana ny voan’ireo hazo ato amin’ny zaridaina izahay.+  Fa hoy kosa Andriamanitra taminay momba ny voan’ilay hazo eo afovoan’ny zaridaina:+ ‘Aza ihinananareo io, ary aza kasihinareo mba tsy ho faty ianareo.’”+  Dia hoy ny menarana tamin-dravehivavy: “Tsy ho faty velively ianareo.+  Fa fantatr’Andriamanitra fa amin’ny andro hihinananareo azy io, dia hahiratra ny masonareo, ary ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.”+  Koa hitan-dravehivavy fa mahate hihinana ilay hazo sady mahafinaritra ny maso, eny, mahafinaritra ny mijery azy.+ Koa nakany ny voany ka nohaniny. Avy eo dia nomeny koa ny vadiny rehefa tafaraka taminy, ary dia nihinana izy.+  Dia nahiratra ny mason’izy mivady ka fantany fa nitanjaka izy.+ Koa nanjaitra ravin’aviavy izy ireo, dia nataony sikina.+  Tatỳ aoriana, dia ren’izy mivady ny feon’i Jehovah Andriamanitra, rehefa nandehandeha tao amin’ilay zaridaina Andriamanitra, tokotokony ho tamin’ny fotoana nisian’ny tsio-drivotra malefaka.*+ Ary niafina tany ambadiky ny hazo tao amin’ny zaridaina izy ireo mba tsy ho hitan’i Jehovah Andriamanitra.+  Ary niantso an-dralehilahy imbetsaka i Jehovah Andriamanitra, sady nanao taminy hoe: “Fa aiza ianao?”+ 10  Tamin’ny farany, dia hoy ralehilahy: “Reko tokoa ny feonao tato amin’ny zaridaina, saingy natahotra aho satria nitanjaka, ka niafina.”+ 11  Dia hoy Andriamanitra: “Iza no nilaza taminao fa nitanjaka ianao?+ Efa nihinananao angaha ny voan’ilay hazo nandidiako anao mba tsy hihinananao?”+ 12  Ary hoy ralehilahy: “Ilay vehivavy nomenao ahy no nanome ahy ny voan’ilay hazo, ka nihinana aho.”+ 13  Dia hoy i Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: “Ahoana izany nataonao izany?” Hoy ny navalin-dravehivavy: “Ny menarana no namitaka ahy, ka nihinana aho.”+ 14  Avy eo, dia hoy i Jehovah Andriamanitra tamin’ny menarana:+ “Satria nanao izany ianao, dia ianao no voaozona amin’ny biby fiompy rehetra sy amin’ny bibidia rehetra. Ny kibonao no handehananao, ary vovoka no hohaninao mandritra ny androm-piainanao.+ 15  Ary hataoko+ mifandrafy+ ianao+ sy ny vehivavy,+ ary ny taranakao+ sy ny taranany.+ Hanorotoro ny lohanao+ izy io,+ ary ianao+ kosa handratra azy+ eo amin’ny voditongony.”+ 16  Ary hoy izy tamin-dravehivavy: “Hataoko mihamafy ny fanaintainanao rehefa bevohoka ianao.+ Hanaintaina ianao rehefa hiteraka,+ ary ny vadinao no hiantefan’ny fanirianao, ary hanjaka aminao izy.”+ 17  Ary hoy kosa izy tamin’i Adama: “Satria nihaino ny feon’ny vadinao ianao ka nihinananao ny voan’ilay hazo nandidiako anao hoe:+ ‘Aza ihinananao io’, dia voaozona ny tany noho ny aminao.+ Amin’ny fahoriana no hihinananao ny vokatry ny tany, mandritra ny androm-piainanao.+ 18  Ary haniry tsilo sy ahidratsy ny tany,+ ary ny zavamaniry eny an-tsaha no hohaninao. 19  Amin’ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina, mandra-piverinao amin’ny tany, fa avy tamin’ny tany no nakana anao.+ Fa vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray ianao.”+ 20  Taorian’izany, dia nataon’i Adama hoe Eva ny anaran’ny vadiny,+ satria izy no renin’ny olombelona rehetra.+ 21  Ary nanao akanjo lava vita tamin’ny hoditra ho an’i Adama sy ny vadiny i Jehovah Andriamanitra, ka nampitafy azy.+ 22  Ary hoy koa i Jehovah Andriamanitra: “Efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ny olona ka mahalala ny tsara sy ny ratsy.+ Ary sao hanatsotra ny tanany izy ankehitriny ka haka amin’ny voan’ny hazon’aina,+ dia hihinana izany ka ho velona mandritra ny fotoana tsy voafetra, ...” 23  Koa noroahin’i Jehovah Andriamanitra tsy ho ao amin’ny zaridainan’i Edena+ ny olona, mba hiasa ny tany nakana azy.+ 24  Eny, noroahiny ny olona. Ary napetrany teo amin’ny ilany atsinanan’ny zaridainan’i Edena+ ireo kerobima+ sy ny lelan-tsabatra izay sady mirehitra no mihodinkodina, mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.

Fanamarihana

Na: “fotoana ao anatin’ny andro izay isian’ny tsio-drivotra.”