Genesisy 28:1-22
28 Koa niantso an’i Jakoba i Isaka ka nitso-drano azy, sady nandidy azy hoe: “Aza maka vady amin’ny zanakavavin’ny Kananita.+
2 Fa mandehana any Padana-arama, any an-tranon’i Betoela rain-dreninao, ary makà vady any, avy amin’ny zanakavavin’i Labana anadahin-dreninao.+
3 Ary hitahy anao ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ka hanome taranaka anao, ary hataony maro be izany. Dia ho lasa firenena lehibe ianao.+
4 Ary hanome tsodrano anao sy ny taranakao izy,+ dia ilay tsodrano nataony tamin’i Abrahama,+ mba handovanao ny tany ivahinianao,+ izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.”+
5 Koa nalefan’i Isaka i Jakoba, ka lasa nankany Padana-arama, ho any amin’i Labana, zanak’i Betoela Syrianina+ sady anadahin’i Rebeka+ renin’i Jakoba sy Esao.+
6 Ary hitan’i Esao fa efa nitso-drano an’i Jakoba i Isaka, ka nandefa azy ho any Padana-arama mba haka vady any. Rehefa nitso-drano azy izy, dia nandidy azy hoe: “Aza maka vady amin’ny zanakavavin’ny Kananita.”+
7 Ary nankatò ny rainy sy reniny i Jakoba ka lasa nankany Padana-arama.+
8 Dia hitan’i Esao avy tamin’izany fa tsy nahafaly an’i Isaka rainy ny zanakavavin’ny Kananita.+
9 Koa nankany amin’i Ismaela i Esao ka naka vady an’i Mahalota, ankoatra an’ireo efa vadiny.+ Zanakavavin’i Ismaela zanak’i Abrahama, i Mahalota, sady anabavin’i Nebaiota.
10 Ary niala tao Beri-sheba i Jakoba ka nandeha ho any Harana.+
11 Dia tonga teo amin’ny toerana iray izy, ka natory teo, satria efa nilentika ny masoandro. Koa naka vato iray teo izy nataony ondana, ary natory teo amin’izany toerana izany.+
12 Ary nanonofy+ izy ka nahita tohatra teo amin’ny tany, ary ny tampony nipaka tamin’ny lanitra. Ary indreo, nisy anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo.+
13 Ary i Jehovah no teo an-tampon’ilay tohatra. Dia hoy izy:+
“Izaho no Jehovah, ilay Andriamanitr’i Abrahama rainao sy Andriamanitr’i Isaka.+ Ny tany izay atorianao dia homeko anao sy ny taranakao.+
14 Ary ho tahaka ny vovoka amin’ny tany ny taranakao,+ ka hiely any andrefana sy any atsinanana sy any avaratra ary any atsimo.+ Ary ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalanao sy ny taranakao.+
15 Ary momba anao aho ka hiaro anao any amin’izay rehetra alehanao, dia hampody anao indray amin’ity tany ity,+ satria tsy handao anao mihitsy aho raha tsy efa vitako izay nolazaiko taminao.”+
16 Dia nifoha tamin’ny torimasony i Jakoba, ka niteny hoe: “Tena eto amin’ity toerana ity i Jehovah, fa izaho no tsy nahafantatra.”
17 Koa natahotra izy, sady niteny hoe:+ “Mahatalanjona ity toerana ity!+ Tsy zavatra hafa ity fa ny tranon’Andriamanitra,+ ary ity no vavahadin’ny lanitra.”
18 Koa nifoha maraina i Jakoba, dia nalainy ilay vato nataony ondana ka nataony tsangambato, ary nandrarahany menaka teo amboniny.+
19 Dia nataony hoe Betela*+ ny anaran’izany toerana izany. Lozy anefa no anaran’ilay tanàna taloha.+
20 Koa nivoady+ i Jakoba hoe: “Raha homba ahy foana Andriamanitra ka hiaro ahy any amin’izao lalana alehako izao, sy hanome ahy sakafo hohaniko sy akanjo hotafiko,+
21 ary ho tafaverina soa aman-tsara any an-tranon-draiko aho, dia ho Andriamanitro tokoa i Jehovah.+
22 Ary ho tranon’Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangambato ity.+ Ary tsy maintsy homeko anao ny ampahafolon’izay rehetra homenao ahy.”+
Fanamarihana
^ Midika hoe “Tranon’Andriamanitra.”

