Genesisy 23:1-20
23 Ary fito amby roapolo amby zato taona ny andro niainan’i Saraha. Izany no taona niainany.+
2 Ary i Saraha maty tao Kiriata-arba,+ izany hoe Hebrona,+ any amin’ny tany Kanana.+ Ary niditra i Abrahama mba haneho ny alahelony an’i Saraha sy hitomany azy.
3 Dia niala teo anatrehan’ny maty izy nony avy eo ka niteny tamin’ny taranak’i Heta+ hoe:
4 “Vahiny sy mpiavy eto aminareo aho.+ Koa omeo toerana azoko andevenana eto aminareo aho, mba handevenako ny vadiko tsy ho eto anatrehako.”+
5 Dia namaly an’i Abrahama ny taranak’i Heta hoe:
6 “Mihainoa anay, tompoko:+ Voatendrin’Andriamanitra ho mpiadidy eto aminay ianao.+ Koa izay toeram-pandevenana tsara indrindra eto aminay no andeveno ny vadinao.+ Tsy hisy aminay handa tsy hanome anao ny toeram-pandevenany, ka hanakana anao tsy handevina ny vadinao.”+
7 Ary i Abrahama niankohoka teo anatrehan’ny tompon-tany,+ dia ny taranak’i Heta,+
8 ka niteny hoe: “Raha ekenareo ny handevenako ny vadiko tsy ho eto anatrehako, dia henoy aho, ary iangavio i Efrona zanak’i Zohara+
9 mba hanome ahy ny lava-batony ao Makpela,+ izay eo amin’ny sisin’ny sahany. Aoka homeny ahy eto anatrehanareo izany, araka izay habetsahan’ny volafotsy tokony ho vidiny, mba hahazoako toeram-pandevenana.”+
10 Ary i Efrona nipetraka teo, niaraka tamin’ny taranak’i Heta. Koa namaly an’i Abrahama i Efrona Hetita,+ teo anatrehan’ny taranak’i Heta sy izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ny tanàna, nanao hoe:+
11 “Tsia, tompoko, fa henoy aho: Omeko anao tokoa ilay saha, ary omeko anao koa ilay lava-bato ao. Eto imason’ny zanaky ny fireneko no anomezako izany anao.+ Koa aleveno ny vadinao.”
12 Dia niankohoka teo anatrehan’ny tompon-tany i Abrahama,
13 ka niteny tamin’i Efrona teo anatrehan’izy ireo, hoe: “Maninona moa raha...? Henoy aho: Homeko anao ny volafotsy vidin’ilay saha. Koa raiso avy amiko izany,+ mba handevenako ny vadiko.”
14 Ary namaly an’i Abrahama i Efrona hoe:
15 “Mihainoa ahy, tompoko: Tany mitentina sekely volafotsy efajato io, nefa misy dikany inona moa izany vidiny izany eo amintsika? Koa aleveno ny vadinao.”+
16 Dia nihaino an’i Efrona i Abrahama ka nolanjainy ho an’i Efrona ny volafotsy, araka izay efa nolazainy teo anatrehan’ny taranak’i Heta. Sekely volafotsy efajato izany, araka ny lanja fampiasan’ny mpivarotra.+
17 Koa ny sahan’i Efrona tao Makpela izay tandrifin’i Mamre, izany hoe ilay saha sy ilay lava-bato tao ary ny hazo rehetra efa teo, izay tao anatin’ny faritr’ilay saha,+ dia nekena ara-dalàna+
18 ho fananan’i Abrahama, novidiny teo imason’ny taranak’i Heta, eny, teo imason’izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ny tanàna.+
19 Ary i Abrahama nandevina an’i Saraha vadiny tao amin’ilay lava-bato teo amin’ny saha tao Makpela tandrifin’i Mamre, izany hoe tao Hebrona, any Kanana.+
20 Koa nomen’ny taranak’i Heta an’i Abrahama ilay saha sy ilay lava-bato tao, mba hataony toeram-pandevenana.+