Genesisy 2:1-25
2 Dia vita ny lanitra sy ny tany mbamin’ny zava-drehetra ao aminy.*+
2 Ary tamin’ny andro fahafito, dia efa vitan’Andriamanitra ny asa nataony, ka nanomboka nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony izy tamin’ny andro fahafito.+
3 Ary nitahy ny andro fahafito Andriamanitra ka nanamasina azy io, satria tamin’izay no nitsaharany tamin’ny asa famoronana rehetra nataony. Eny, voaforon’Andriamanitra ny zava-drehetra nokasainy hatao.+
4 Ary izao* no tantaran’ny lanitra sy ny tany tamin’ny fotoana namoronana azy, tamin’ny andro nanaovan’i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra.+
5 Mbola tsy nisy kirihitra teto an-tany, ary mbola tsy nisy nitsimoka ny zavamaniry eny an-tsaha, satria tsy nampilatsaka orana+ tamin’ny tany i Jehovah Andriamanitra sady tsy nisy olona niasa ny tany.
6 Fa nisy zavona+ kosa niakatra avy tamin’ny tany ka nandena ny tany rehetra.+
7 Ary i Jehovah Andriamanitra namorona ny olona avy tamin’ny vovoky+ ny tany,+ sady nitsoka fofonaina nankao am-bavorony,+ ka lasa zavamananaina* ny olona.+
8 Ary nanamboatra zaridaina tao Edena+ tany atsinanana i Jehovah Andriamanitra, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny.+
9 Ary nampanirin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny tany ny hazo rehetra mahafinaritra ny maso sady mahate hihinana, ary koa ny hazon’aina+ teo afovoan’ilay zaridaina sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.+
10 Ary nisy renirano nivoaka avy tao Edena mba hanondraka ilay zaridaina, ary avy teo izy io no nizara ka nisampana efatra.
11 Pisona no anaran’ny voalohany: Izy io no manodidina ny faritr’i Havila+ manontolo, izay misy volamena.
12 Ary tsara ny volamenan’izany tany izany.+ Misy dity avy amin’ny hazo matambelo+ koa any, sady misy vato oniksa.+
13 Ary Gihona no anaran’ny renirano faharoa: Izy io no manodidina ny tanin’i Kosy manontolo.
14 Ary Hidekela+ no anaran’ny renirano fahatelo: Izy io no mankany atsinanan’i Asyria.+ Ary i Eofrata+ no renirano fahefatra.
15 Dia naka an-dralehilahy i Jehovah Andriamanitra, ka nametraka azy tao amin’ny zaridainan’i Edena+ mba hiasa sy hikarakara an’ilay zaridaina.+
16 Ary i Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy hoe: “Afaka mihinana izay laninao amin’ny voan’ny hazo rehetra eo amin’ny zaridaina ianao.+
17 Aza ihinananao anefa ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.”+
18 Ary hoy koa i Jehovah Andriamanitra: “Tsy tsara raha irery foana ralehilahy. Hanao mpanampy ho azy aho, ho famenony.”+
19 Ary avy tamin’ny tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny bibidia rehetra sy ny biby manidina rehetra eny amin’ny lanitra. Dia nentiny ho any amin-dralehilahy ireny mba hahitana izay hiantsoany azy avy. Ary izay niantsoan-dralehilahy ny zavamananaina* tsirairay,+ dia izany no anarany.+
20 Koa nantsoin-dralehilahy tamin’ny anarany avy ny biby fiompy rehetra sy ny biby manidina rehetra eny amin’ny lanitra ary ny bibidia rehetra. Tsy hita kosa anefa izay mpanampy ho famenon-dralehilahy.
21 Koa nataon’i Jehovah Andriamanitra renoky ny torimaso lalina+ ralehilahy, ary raha mbola natory izy, dia nalain’Andriamanitra ny taolan-tehezany iray. Ary nakatony ny nofo teo amin’ilay nisy azy.
22 Ary i Jehovah Andriamanitra nanao vehivavy tamin’ilay taolan-tehezana nalainy tamin-dralehilahy. Dia nentiny ho any amin-dralehilahy ravehivavy.+
23 Ary hoy ralehilahy:“Ela ny ela ka ity eto ny taolana avy amin’ny taolakoSy nofo avy amin’ny nofoko.+Hantsoina hoe Vehivavy izy,Satria nalaina avy tamin’ny lehilahy.”+
24 Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny+ ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy ireo.+
25 Ary samy mbola nitanjaka izy ireo,+ dia ralehilahy sy ny vadiny, kanefa tsy menatra.+
Fanamarihana
^ A.b.t.: “ny tafiny manontolo.”
^ Na: “izany”, manondro izay voalaza eo amin’ny andininy 1-3.
^ Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
^ Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.