Genesisy 17:1-27
17 Rehefa feno sivy amby sivifolo taona i Abrama, dia niseho taminy i Jehovah, ka niteny taminy hoe:+ “Izaho no Andriamanitra Mahery Indrindra.+ Mandehana eo anatrehako, ka aoka ianao tsy hanan-tsiny.+
2 Ary hanao izao fifanekena izao aminao aho:+ Hataoko maro dia maro tokoa ny taranakao.”+
3 Dia niankohoka+ i Abrama, ary mbola niteny taminy Andriamanitra hoe:
4 “Manao fifanekena aminao aho,+ ary ho tonga rain’ny firenena maro ianao.+
5 Ary tsy hatao hoe Abrama* intsony ny anaranao, fa hiova hoe Abrahama,* satria hataoko rain’ny firenena maro ianao.
6 Ary hataoko maro be ny taranakao ka hataoko ho lasa firenena maro, ary hisy mpanjaka maro hipoitra avy aminao.+
7 “Ary hotanterahiko ilay fifanekena ataoko aminao+ sy ny taranakao handimby anao ary ny taranany fara mandimby, ho fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra,+ ka dia ho Andriamanitrao sy ny taranakao handimby anao aho.+
8 Ary homeko anao sy ny taranakao handimby anao ny tany hivahinianao,+ eny, ny tany Kanana manontolo, mba ho fanananareo mandritra ny fotoana tsy voafetra. Dia ho Andriamaniny aho.”+
9 Ary hoy koa Andriamanitra tamin’i Abrahama: “Tokony hanaja ny fifanekena ataoko aminao ianao, dia ianao sy ny taranakao handimby anao ary ny taranany fara mandimby.+
10 Izao no fifanekena tokony hohajainareo, dia ny fifanekena ataoko aminareo sy amin’ny taranakao handimby anao:+ Tsy maintsy forana ny lahy rehetra eo aminareo.+
11 Ary tsy maintsy forana ianareo. Izany no ho famantarana an’ilay fifanekena ataoko aminareo.+
12 Ary tsy maintsy forana ny lahy rehetra feno valo andro eo aminareo,+ hatramin’ny taranakareo fara mandimby, dia izay teraka ao an-tranonao, sy izay vidim-bola amin’ny hafa firenena fa tsy anisan’ny taranakao.
13 Tsy maintsy forana ny lehilahy rehetra teraka ao an-tranonao sy ny lehilahy rehetra vidinao amin’ny volanao.+ Ary ho fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra,+ izany fifanekena ataoko eo amin’ny nofonareo izany.
14 Ary haringana izay lehilahy tsy noforana, eny, haringana tsy ho eo amin’ny fireneny izany olona* izany.+ Efa nivadika tamin’ny fifanekena nataoko izy.”
15 Ary hoy koa Andriamanitra tamin’i Abrahama: “Aza atao hoe Saray intsony ny anaran’i Saray* vadinao, satria Saraha* no anarany.+
16 Ary hitahy azy aho, ka hanome anao zazalahy avy aminy.+ Eny, hitahy azy aho ka hisy firenena maro+ sy mpanjakan’ny firenena maro hipoitra avy aminy.”+
17 Dia niankohoka i Abrahama ka nihomehy, sady niteny anakampo hoe:+ “Hiteraka ihany ve ny lehilahy efa zato taona? Ary hiteraka ve i Saraha, izay vehivavy efa sivifolo taona?”+
18 Ary hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra: “Ho velona eo anatrehanao anie i Ismaela!”+
19 Dia hoy Andriamanitra: “Tena hitera-dahy ho anao tokoa i Saraha vadinao, ary hataonao hoe Isaka+ ny anarany. Ary hanao fifanekena amin’i Isaka aho, ho fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra, ho an’ny taranany handimby azy.+
20 Efa reko koa anefa izay nolazainao momba an’i Ismaela. Hotahiko izy ka hataoko manan-taranaka. Ary hataoko maro dia maro ny taranany.+ Hiteraka mpiadidy roa ambin’ny folo izy, ka hataoko ho lasa firenena lehibe.+
21 Amin’i Isaka kosa anefa no hanaovako fifanekena,+ eny, amin’i Isaka izay haterak’i Saraha aminao amin’ny fotoana voatondro, dia amin’ny herintaona toy izao.”+
22 Dia vitan’Andriamanitra ny resaka nifanaovany tamin’i Abrahama. Ary niakatra niala teo amin’i Abrahama izy.+
23 Dia nalain’i Abrahama i Ismaela zanany lahy sy ny lehilahy rehetra teraka tao an-tranony ary izay rehetra novidiny tamin’ny volany, eny, ny lahy rehetra tao amin’ny ankohonany, ka noforany tamin’iny andro iny ihany, araka izay nolazain’Andriamanitra taminy.+
24 Ary sivy amby sivifolo taona i Abrahama tamin’izy noforana.+
25 Ary telo ambin’ny folo taona i Ismaela zanany tamin’izy noforana.+
26 Tamin’iny andro iny ihany no namorana an’i Abrahama sy Ismaela zanany.+
27 Ary noforana niaraka taminy ny lehilahy rehetra tao amin’ny ankohonany, dia izay teraka tao an-tranony sy izay novidim-bola tamin’ny hafa firenena.+
Fanamarihana
^ Midika hoe “Rain’ny Fisandratana.”
^ Midika hoe “Rain’ny Maro.”
^ Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
^ Angamba midika hoe “Tia Ady.”
^ Midika hoe “Andriambavy.”