Genesisy 12:1-20
12 Ary hoy i Jehovah tamin’i Abrama: “Mialà amin’ny taninao sy ny havanao ary ny ankohonan-drainao, ka mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao.+
2 Ary hataoko misy firenena lehibe avy aminao. Hitahy anao aho, ary hataoko malaza ny anaranao. Koa aoka ianao ho fitahiana ho an’ny olona.+
3 Ary hitahy izay mitso-drano anao aho, fa hanozona kosa an’izay miantso loza ho anao.+ Ary ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalanao.”+
4 Dia nandeha i Abrama, araka izay efa nolazain’i Jehovah taminy, ary niaraka taminy koa i Lota. Ary dimy amby fitopolo taona i Abrama fony izy niala tao Harana.+
5 Koa nentin’i Abrama i Saray vadiny+ sy Lota zana-drahalahiny,+ mbamin’ny fananana rehetra voangon’izy ireo,+ sy ny olona* rehetra izay efa azony tao Harana. Ary niainga izy ireo ka nankany amin’ny tany Kanana.+ Dia tonga tany amin’ny tany Kanana izy ireo, tamin’ny farany.
6 Ary namakivaky an’ilay tany i Abrama, ka tonga hatrany amin’ilay toerana atao hoe Sekema,+ teny akaikin’ireo hazoben’i More.+ Ary ny Kananita no tao amin’ilay tany, tamin’izany fotoana izany.
7 Ary niseho tamin’i Abrama i Jehovah, ka niteny hoe: “Ny taranakao+ no homeko ity tany ity.”+ Avy eo i Abrama dia nanorina alitara teo ho an’i Jehovah, izay niseho taminy.
8 Ary niala teo izy, ka nifindra nankany amin’ny faritra be tendrombohitra any atsinanan’i Betela.+ Dia nanangana ny tranolainy izy, ka i Betela no teo andrefany, ary Ay+ no teo atsinanany. Ary nanorina alitara teo ho an’i Jehovah+ izy, ka niantso ny anaran’i Jehovah.+
9 Tatỳ aoriana dia nifindra lasy i Abrama, ka nifindrafindra toby nankany Negeba.+
10 Ary nisy mosary teo amin’ilay tany, ka nidina nankany Ejipta i Abrama mba hivahiny tany,+ satria mafy ny mosary teo amin’ilay tany nisy azy.+
11 Ary raha vao hiditra an’i Ejipta iny mihitsy izy, dia niteny tamin’i Saray vadiny hoe: “Azafady ange ianao e! Fantatro tsara fa vehivavy tsara tarehy ianao.+
12 Koa tsy maintsy hahita anao ny Ejipsianina, ka hilaza hoe: ‘Io no vadiny.’ Dia hovonoin-dry zareo aho, fa ianao kosa hotsimbininy.
13 Koa mba lazao hoe anabaviko ianao,+ mba handeha tsara ny zava-drehetra ka tsy hisy hanjo ahy noho ny aminao, ary ho velona aho* noho ny aminao.”+
14 Koa raha vao niditra tao Ejipta i Abrama, dia hitan’ny Ejipsianina fa tena tsara tarehy ravehivavy.
15 Ary nahita azy koa ireo olona ambony tao an-dapan’i Farao, ka nidera azy tamin’i Farao. Koa nentina nankao an-tranon’i Farao ravehivavy.
16 Ary tsara fanahy tamin’i Abrama i Farao noho ny amin-dravehivavy. Koa nanjary nanana ondry sy omby sy ampondra sy mpanompolahy sy mpanompovavy sy ampondravavy ary rameva i Abrama.+
17 Ary i Jehovah nahatonga loza lehibe tamin’i Farao sy ny ankohonany,+ noho ny amin’i Saray, vadin’i Abrama.+
18 Dia nantsoin’i Farao i Abrama, ka hoy izy: “Fa inona ity nataonao tamiko? Nahoana no tsy nolazainao tamiko fa vadinao izy?+
19 Nahoana ianao no nilaza hoe: ‘Anabaviko izy’,+ ka efa saika haka azy ho vady aho? Koa ankehitriny, io ny vadinao. Ento izy, dia mandehana!”
20 Koa nomen’i Farao baiko momba an’i Abrama ny olony. Dia naterin’izy ireo i Abrama sy ny vadiny mbamin’izay rehetra nananany.+