Genesisy 1:1-31
1 Tany am-piandohana,+ dia namorona+ ny lanitra sy ny tany+ Andriamanitra.+
2 Ary tsy nisy endriny ny tany sady tsy nisy na inona na inona, ary nisy haizina teny ambonin’ny rano lalina.+ Ary nivezivezy teny ambonin’ny rano+ ny hery ampiasain’Andriamanitra.*+
3 Koa niteny Andriamanitra+ hoe: “Aoka hisy mazava.” Dia nisy mazava.+
4 Ary hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava. Dia nosarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.+
5 Ary nantsoin’Andriamanitra hoe Andro+ ny mazava, fa Alina+ kosa ny maizina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro voalohany izany.
6 Ary hoy koa Andriamanitra: “Aoka hisy habakabaka+ eo anelanelan’ny rano, dia aoka hisaraka ny rano ambony sy ny rano ambany.”+
7 Koa nanomboka nanao ny habakabaka Andriamanitra, ka nosarahiny ny rano izay tokony ho eo ambanin’ilay habakabaka sy ny rano izay tokony ho eo ambonin’ilay habakabaka.+ Dia nisy izany.
8 Ary nantsoin’Andriamanitra hoe Lanitra+ ilay habakabaka. Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro faharoa izany.
9 Ary hoy koa Andriamanitra: “Aoka hiangona eo amin’ny toerana iray ny rano eny ambanin’ny lanitra, ary aoka hipoitra ny faritra maina.”+ Dia nisy izany.
10 Ary nantsoin’Andriamanitra hoe Tany+ ilay faritra maina, fa Ranomasina+ kosa ny rano niangona. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.+
11 Ary hoy koa Andriamanitra: “Aoka ny tany hampitsiry ahitra, sy zavamaniry misy voa famboly,+ ary hazo fihinam-boa araka ny karazany avy,+ izay mamokatra voankazo misy voany.+ Eny, aoka ny tany hampitsiry izany rehetra izany, eny ambonin’ny tany.” Dia nisy izany.
12 Ary ny tany dia naniry ahitra, sy zavamaniry araka ny karazany avy izay misy voa famboly,+ ary hazo fihinam-boa izay mamokatra voankazo araka ny karazany avy, dia voankazo misy voany.+ Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
13 Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro fahatelo izany.
14 Ary hoy koa Andriamanitra: “Aoka hisy zavatra manome hazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra mba hampisaraka ny andro sy ny alina.+ Ary ho famantarana izy ireny, sady hanondro fizaran-taona sy andro ary taona.+
15 Ary hanome hazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra ireny, mba hanazava ny tany.”+ Dia nisy izany.
16 Ary nanomboka nanao ireo zavatra roa lehibe manome hazavana Andriamanitra, ka ilay lehibe kokoa hanjaka amin’ny andro, ary ilay kely kokoa hanjaka amin’ny alina, ary nanao ny kintana koa izy.+
17 Koa nataon’Andriamanitra eo amin’ny habakabaky ny lanitra ireny mba hanazava ny tany,+
18 sy hanjaka amin’ny andro sy amin’ny alina, ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina.+ Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.+
19 Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro fahefatra izany.
20 Ary hoy koa Andriamanitra: “Aoka hisy zavamananaina* be dia be hifanaretsaka ao anaty rano,+ ary aoka hisy biby manidina hanidintsidina eny ambonin’ny tany, eo amin’ny habakabaky ny lanitra.”+
21 Ary Andriamanitra nanomboka namorona ireo biby goavam-be any an-dranomasina+ sy ny zavamananaina* rehetra mihetsiketsika+ izay mifanaretsaka ao anaty rano, samy araka ny karazany avy, ary ny biby manidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy.+ Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
22 Koa nitso-drano azy ireny Andriamanitra hoe: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny rano ao amin’ny ranomasina,+ ary aoka ho maro eny amin’ny tany ny biby manidina.”
23 Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro fahadimy izany.
24 Ary hoy koa Andriamanitra: “Aoka ny tany+ hamoaka zavamananaina* araka ny karazany avy, dia biby fiompy+ sy biby mandady+ ary bibidia+ eny ambonin’ny tany, samy araka ny karazany avy.” Dia nisy izany.
25 Ary Andriamanitra nanomboka nanao ny bibidia eny ambonin’ny tany araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra mandady amin’ny tany araka ny karazany avy.+ Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
26 Ary hoy koa Andriamanitra: “Andeha isika+ hanao olona araka ny endritsika,+ misy itovizana amintsika.+ Ary aoka hanaiky azy ny trondro any an-dranomasina sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra sy ny biby fiompy ary ny tany manontolo sy ny biby mandady rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.”+
27 Dia namorona ny olona araka ny endriny Andriamanitra, eny, araka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy.+ Lahy sy vavy no namoronany azy ireo.+
28 Ary nitso-drano+ azy ireo Andriamanitra, ka niteny taminy hoe: “Manàna taranaka,+ ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany,+ ary aoka hanaiky anareo+ ny trondro any an-dranomasina sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra ary ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.”
29 Ary hoy koa Andriamanitra: “Efa nomeko anareo ny zavamaniry rehetra misy voa famboly, eny, ny zavamaniry rehetra eny ambonin’ny tany manontolo sy ny hazo rehetra izay mamokatra voankazo misy voany.+ Aoka ho sakafonareo izany.+
30 Ary ny zava-maitso rehetra maniry dia efa nomeko ho sakafon’ny bibidia rehetra eny ambonin’ny tany sy ny biby manidina rehetra eny amin’ny lanitra ary ny zavamananaina* rehetra izay mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.”+ Dia nisy izany.
31 Taorian’izany, dia nijery an’izay rehetra nataony Andriamanitra, ka hitany fa tena tsara izany.+ Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro fahenina izany.
Fanamarihana
^ ‘hery ampiasaina.’ Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.
^ Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
^ Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
^ Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
^ Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.