Ezekiela 9:1-11
9 Ary reko izy niantsoantso mafy hoe: “Manatòna ianareo izay irahina handrava an’ilay tanàna, ary samia mitondra ny fitaovam-piadiany mba handringanana!”
2 Koa indreny fa nisy lehilahy enina avy tany amin’ilay vavahady ambony+ izay manandrify ny avaratra. Samy nitondra ny fitaovam-piadiany famotipotehana izy ireo. Ary nisy lehilahy iray nanao akanjo rongony,+ niaraka tamin’izy ireo. Nisy fitoeran-dranomainty fampiasan’ny mpitan-tsoratra, teo amin’ny andilany. Dia niditra ireo ka nijoro teo anilan’ny alitara varahina.+
3 Ary niakatra avy teo ambonin’ireo kerobima+ ny voninahitr’ilay Andriamanitry ny Israely,+ ka nankeo amin’ny tokonan’ilay trano.+ Dia nantsoin’Andriamanitra ilay lehilahy nanao akanjo rongony,+ izay nisy fitoeran-dranomaintin’ny mpitan-tsoratra teo amin’ny andilany.
4 Hoy i Jehovah taminy: “Mandehana mamakivaky ny tanàna, dia i Jerosalema, ka asio marika eo amin’ny handrin’ny olona misento sy mitaraina+ noho ny zava-maharikoriko rehetra atao ao.”+
5 Ary reko izy niteny tamin’ireo lehilahy hafa hoe: “Mandehana manaraka azy mamakivaky ny tanàna, ka mameleza. Aoka tsy hiantra ny masonareo, ary aza mangoraka,+
6 fa aripaho daholo na lahiantitra na tovolahy na virjiny na ankizy madinika na vehivavy.+ Aza hatonina kosa izay misy an’ilay marika.+ Atombohy ao amin’ny toerako masina izany.”+ Koa nanomboka tamin’ireo lahiantitra teo anoloan’ilay trano izy ireo.+
7 Hoy ihany Andriamanitra tamin’izy ireo: “Lotoy ilay trano, ary fenoy faty ny tokotany.+ Mandehana!” Dia lasa ireo ka namely an’izay tao an-tanàna.
8 Raha mbola namely izy ireo, dia izaho irery sisa tavela. Koa niankohoka aho+ ka nitalaho hoe: “Indrisy,+ Jehovah Tompo Fara Tampony ô, aripakao daholo ve ny sisa amin’ny Israely satria manampatra ny fahatezeranao amin’i Jerosalema ianao?”+
9 Koa hoy izy tamiko: “Lehibe dia lehibe+ ny fahadisoan’ny taranak’Israely sy Joda,+ ka feno fandatsahan-dra+ ilay tany ary manjaka ao an-tanàna ny tsy fahamarinana.+ Nilaza mantsy ny olona hoe: ‘Efa nafoin’i Jehovah ny tanintsika!+ Tsy mahita i Jehovah!’+
10 Izaho koa mba tsy hiantra+ sy tsy hangoraka,+ fa hatsingeriko eo an-dohany ny nataony.”+
11 Dia niverina mba hanao tatitra ilay lehilahy nanao akanjo rongony, izay nisy fitoeran-dranomaintin’ny mpitan-tsoratra teo amin’ny andilany, ka nanao hoe: “Efa vitako izay nandidianao ahy.”+