Ezekiela 38:1-23
38 Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:
2 “Ry zanak’olona,+ mitodiha manandrify an’i Goga avy any amin’ny tany Magoga,+ dia ilay lehiben’ny mpiadidy ao Meseka+ sy Tobala.+ Maminania ny amin’ny loza hanjo azy,
3 ka lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hamely anao aho, ry Goga lehiben’ny mpiadidy ao Meseka sy Tobala.
4 Hahodiko ny sainao ary hasiako faraingo ny valanoranonao,+ ka hoentiko mivoaka ianao miaraka amin’ny tafikao manontolo,+ dia soavaly sy mpitaingin-tsoavaly. Tena mahay mihaingo+ izy rehetra, eny, miaramila be dia be mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely, ary samy mahay mitan-tsabatra.+
5 Miaraka amin’izy ireo koa ny olona avy any Persa+ sy Etiopia+ ary Pota,+ izay samy mitondra ampinga kely sy manao fiarovan-doha.
6 Miaraka aminao koa i Gomera+ sy ny miaramilany rehetra, sy ny taranak’i Togarma+ avy any amin’ny farany avaratra, mbamin’ny miaramilany rehetra, eny, firenena maro.+
7 “‘“Aoka ianao ho vonona, ary miomàna ianao sy ny vahoaka rehetra miaraka aminao,+ dia ireo miangona eo anilanao. Aoka ianao ho mpitarika azy ireo.
8 “‘“Hodinihiko ny momba anao rehefa afaka andro maro. Ary rehefa hifarana ny taona maro, dia ho avy ianao ka hankao amin’ny tanin’ireo+ olona tsy matin-tsabatra, izay tafangona avy any amin’ny firenena maro,+ ka nentina teny amin’ny tendrombohitr’i Israely izay efa rava teo foana. Nivoaka avy any amin’ireo firenena ny mponin’io tany io ary monina tsy amin’ahiahy izy rehetra.+
9 Dia tsy maintsy hiakatra ianao ka ho avy toy ny oram-baratra.+ Ho toy ny rahona handrakotra an’ilay tany ianao+ sy ny miaramilanao rehetra ary ny firenena maro miaraka aminao.”’
10 “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Amin’izany andro izany, dia hisy fikasana hitsiry ao am-ponao,+ ary hanao teti-dratsy+ ianao,
11 ka hiteny hoe: “Hiakatra hamely an’ilay tany misy tanàna tsy mimanda aho,+ ary hankany amin’ireo olona mandry feizay sy monina tsy amin’ahiahy, dia izay rehetra monina ao amin’ny tanàna tsy misy manda+ na bara hidiny na vavahady.”
12 Ny haka babo+ betsaka sy ny handroba zavatra maro no kendrenao, ka haninjitra ny tananao ianao mba hanafika an’ilay toerana rava, izay efa misy mponina izao.+ Hotafihinao koa ilay vahoaka nangonina avy any amin’ireo firenena,+ dia vahoaka nihary harena sy fananam-be+ sady monina eo afovoan’ny+ tany.
13 “‘Hilaza aminao ny olona ao Sheba+ sy Dedana+ sy ny mpivarotra avy any Tarsisy+ ary ny liona+ tanora rehetra hoe: “Haka babo betsaka ve no nahatongavanao atỳ? Handroba zavatra maro ve no nanangonanao ny miaramilanao, mba haka volafotsy sy volamena, hangorona harena sy fananam-be ary hahazo babo be dia be?”’
14 “Koa maminania, ry zanak’olona, ka lazao amin’i Goga hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Amin’izany andro izany, dia azo antoka fa ho fantatrao hoe hitoetra tsy amin’ahiahy ny Israely oloko.+
15 Dia ho tonga avy any amin’izay misy anao ianao, eny, ho tonga avy any amin’ny farany avaratra,+ hiaraka amin’ny firenena maro izay mitaingin-tsoavaly daholo. Vahoaka maro be ireo, sady tafika lehibe.+
16 Hiakatra hanafika ny Israely oloko tokoa ianao, toy ny rahona mandrakotra ny tany.+ Any am-parany any no hitrangan’izany. Ary hoentiko hamely ny taniko ianao+ mba hahafantaran’ireo firenena ahy, rehefa hanamasina ny tenako amin’ny alalanao aho, ry Goga, eo imason’izy ireo.”’+
17 “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Ianao+ ihany ve ilay nolazaiko taloha, tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompoko? Naminany mantsy ireo mpaminany teo amin’ny Israely tamin’izany andro izany, eny, nandritra ny taona maro, hoe hoentiko hamely azy ireo ianao.’+
18 “‘Amin’izany andro izany, amin’ilay andro hamelezan’i Goga ny tanin’ny Israely’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘dia ho tezitra mafy aho.*+
19 Ary hiteny amin-kafanam-po+ sy amin-katezerana mafy aho.+ Hisy horohoron-tany lehibe any amin’ny tanin’ny Israely+ amin’izany andro izany.
20 Dia tsy maintsy hipararetra noho ny amiko ny trondro any an-dranomasina, sy ny voro-manidina, sy ny bibidia, sy ny biby mandady rehetra amin’ny tany, ary ny olombelona rehetra eny ambonin’ny tany.+ Hiletsy ny tendrombohitra,+ hihotsaka ny lalana amoron-tevana, ary hidaboka amin’ny tany ny manda rehetra.’
21 “‘Hantsoiko hamely azy eny amin’ny tendrombohitro rehetra ny sabatra’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.+ ‘Dia samy hifamely sabatra ny mpirahalahy.+
22 Hotsaraiko+ izy ka handefasako areti-mandringana,+ ary handriaka ny ra.+ Handatsahako oram-be mahatonga tondra-drano, ary koa havandra+ sy afo+ ary solifara, izy sy ny miaramilany ary ny firenena maro hiaraka aminy.+
23 Koa izao no hataoko eo imason’ny firenena maro: Hasehoko ny fahalehibeazako sy ny fahamasinako+ ary hataoko izay hahafantaran’izy ireo ahy. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.’+
Fanamarihana
^ A.b.t.: ‘hiakatra ao amin’ny oroko ny fahatezerako.’