Asan’ny Apostoly 14:1-28

14  Dia niditra tao amin’ny synagogan’ny+ Jiosy tany Ikonioma+ izy roa lahy ary nandaha-teny, hany ka maro be no tonga mpino, na Jiosy na Grika.+  Fa nampirisika+ sy nitaona ny olona hafa firenena hanohitra an’ireo rahalahy+ kosa ny Jiosy tsy nino.  Koa nitory ela tao izy roa lahy, ary nanao izany tamim-pahasahiana araka ny fahefana nomen’i Jehovah. Nanamafy ny teny momba ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa mantsy Andriamanitra, ka nampanaoviny famantarana sy zava-mahagaga izy roa lahy.+  Fa nisara-tsaina kosa ny olona maro be tao an-tanàna: Ny sasany nomba ny Jiosy, fa ny sasany kosa nomba ny apostoly.  Ary nitady hampiasa herisetra ny hafa firenena sy ny Jiosy mbamin’ny mpitondra azy, mba hanalam-baraka sy hitoraham-bato+ azy roa lahy.  Rehefa nampahafantarina azy roa lahy anefa izany, dia nandositra+ tany an-tanànan’i Lykaonia sy Lystra sy Derbe ary ny faritra manodidina izy ireo,  ka nanohy ny fitoriana ny vaovao tsara tany.+  Ary tao Lystra, nisy lehilahy anankiray nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny+ ka mbola tsy nandeha mihitsy fa nipetraka foana.  Nihaino an’i Paoly nandaha-teny izy. Koa nibanjina azy i Paoly ary nahita fa nanam-pinoana+ izy ka azo nositranina. 10  Koa niteny mafy i Paoly hoe: “Mijoroa mahitsy amin’ny tongotrao.” Dia nitsangana tampoka izy ka nandeha.+ 11  Rehefa hitan’ny vahoaka ny nataon’i Paoly, dia nanandra-peo ireo ka nanao tamin’ny fiteny lykaonianina hoe: “Nanjary nitovy amin’ny olombelona ny andriamanitra,+ ary efa nidina atỳ amintsika!” 12  Dia nantsoiny hoe Zeosy* i Barnabasy fa i Paoly kosa Hermesy* satria izy no niteny. 13  Ary nitondra omby sy fehiloha voninkazo nankeny amin’ireo vavahady ny mpisoron’i Zeosy, fa teo anoloan’ny tanàna ny tempolin’izy io. Ary naniry hiara-manao fanatitra+ tamin’ny vahoaka ireo. 14  Nandre izany i Barnabasy sy Paoly, izay samy apostoly, ka nandrovitra ny akanjony ivelany ary nihazakazaka nankeo amin’ny vahoaka, sady niantsoantso 15  hoe: “Ô rey olona e, fa maninona ianareo no manao izao? Olombelona+ tahaka anareo+ ihany ange izahay e! Ary mitory ny vaovao tsara aminareo izahay mba hialanareo amin’izao zava-poana+ izao ka hanatonanareo an’ilay Andriamanitra velona,+ izay nanao ny lanitra+ sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo. 16  Taloha dia navelany handeha tamin’izay lalana tiany haleha avy ny firenena rehetra,+ 17  kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona izy, satria nanao soa+ ka nanome anareo ranonorana+ avy eny amin’ny lanitra sy taon-jina, ary nahavoky ny fonareo tamin’ny hanina sy ny fifaliana.”+ 18  Na dia nilaza an’izany aza izy roa lahy, dia saiky tsy nahasakana ny olona tsy hanao sorona ho azy. 19  Fa nandresy lahatra ny vahoaka ny Jiosy tonga avy any Antiokia sy Ikonioma,+ ka nitora-bato an’i Paoly sady nitaritarika azy ho eny ivelan’ny tanàna, satria noheveriny fa maty izy.+ 20  Rehefa nanodidina an’i Paoly anefa ny mpianatra, dia niarina izy ary niditra tao an-tanàna. Ary ny ampitson’iny, dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe.+ 21  Nitory ny vaovao tsara tao amin’io tanàna io izy roa lahy, sady nanampy olona maro ho tonga mpianatra.+ Niverina tany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia izy ireo avy eo, 22  ary nanatanjaka an’ireo mpianatra+ sy nampahery azy mba tsy hialany amin’ny finoana, ka nanao hoe: “Tsy maintsy mandia fahoriana maro isika mba hidirantsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”+ 23  Nanendry anti-panahy+ teo anivon’ny fiangonana tsirairay koa izy roa lahy, ary nivavaka sady nifady hanina,+ ka nanankina azy ireo tamin’i Jehovah,+ dia ilay ninoan’izy ireo. 24  Dia namakivaky an’i Pisidia izy roa lahy ka tonga tany Pamfylia,+ 25  ary rehefa avy nanambara ny teny tao Perga izy ireo dia nidina nankany Atalia. 26  Ary niala tao indray izy ireo ka nandeha an-tsambo nankany Antiokia,+ ka tao izy ireo no nankinina tamin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra, ho amin’ilay asa izay novitainy tanteraka.+ 27  Ary rehefa tonga tao izy roa lahy ka namory ny fiangonana, dia nitantara+ ny zavatra maro nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’izy ireo, sy ny nanokafan’Andriamanitra ny varavaran’ny finoana ho an’ny hafa firenena.+ 28  Dia nijanona elaela niaraka tamin’ny mpianatra izy roa lahy.

Fanamarihana

Na: “Jopitera.”
Na: “Merkory.”