2 Tantara 36:1-23
36 Ary nalain’ny vahoaka i Joahaza+ zanak’i Josia, ka nataony mpanjaka handimby an-drainy, tany Jerosalema.+
2 Telo amby roapolo taona i Joahaza tamin’izy nanomboka nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema.+
3 Nanala azy tao Jerosalema anefa ny mpanjakan’i Ejipta,+ ary nampandoa sazy an’ilay tany. Talenta volafotsy+ zato sy talenta volamena iray ilay sazy.
4 Ary nataon’i Neko+ mpanjakan’i+ Ejipta ho mpanjakan’ny Joda sy Jerosalema i Eliakima+ rahalahin’i Joahaza, ka novany hoe Joiakima ny anarany. Fa i Joahaza kosa nalainy ka nentiny tany Ejipta.+
5 Dimy amby roapolo taona i Joiakima+ tamin’izy nanomboka nanjaka, ary iraika ambin’ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.+ Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah Andriamaniny foana izy.+
6 Dia niakatra hamely azy i Nebokadnezara+ mpanjakan’i Babylona,+ mba hamatorana ny tongony amin’ny gadra varahina roa hitondrana azy any Babylona.+
7 Ary nentin’i Nebokadnezara+ tany Babylona ny fitaovana+ sasany tao an-tranon’i Jehovah, ka nataony tao an-dapany tany Babylona.+
8 Ary ny sisa amin’ny tantaran’i+ Joiakima sy ny zava-maharikoriko+ nataony ary ny laza ratsiny, dia efa voasoratra ao amin’ny Boky+ Momba ny Mpanjakan’ny Israely sy Joda. Ary i Joiakina+ zanany no nanjaka nandimby azy.
9 Valo ambin’ny folo taona i Joiakina+ tamin’izy nanomboka nanjaka, ary telo volana+ sy folo andro no nanjakany tany Jerosalema. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy.+
10 Ary tamin’ny fiandohan’ny taona,+ dia naniraka ny mpanompony+ i Nebokadnezara Mpanjaka, ka nentina ho any aminy tany Babylona+ i Joiakina mbamin’ny zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah.+ Ary nataony mpanjakan’ny Joda sy Jerosalema i Zedekia+ rahalahin-drain’i Joiakina.+
11 Iraika amby roapolo taona i Zedekia+ tamin’izy nanomboka nanjaka, ary iraika ambin’ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.+
12 Nanao izay ratsy+ teo imason’i Jehovah Andriamaniny foana izy, ary tsy mba nanetry tena+ teo anatrehan’i Jeremia+ mpaminany,+ izay niteny araka ny didin’i Jehovah.
13 Nikomy tamin’i Nebokadnezara Mpanjaka koa izy,+ nefa i Nebokadnezara efa nampianiana azy tamin’ny anaran’Andriamanitra.+ Ary nanamafy+ hatoka sy nanamafy+ fo foana i Zedekia, ka tsy niverina tamin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.
14 Ary na ny lehiben’ny mpisorona+ rehetra sy ny vahoaka aza, dia nivadika tamin’Andriamanitra, ka nanao ny zava-maharikoriko+ rehetra fanaon’ireo firenena. Koa nolotoin’izy ireo ny tranon’i Jehovah, izay nohamasininy tao Jerosalema.+
15 Ary namerimberina nandefa iraka nitondra fampitandremana ho azy ireo i Jehovah Andriamanitry ny razany,+ satria nangoraka ny vahoakany+ sy ny fonenany+ izy.
16 Nataon’izy ireo ho fihomehezana+ foana anefa ny irak’Andriamanitra, ary nataony tsinontsinona ny tenin’Andriamanitra,+ sady nesoiny+ ny mpaminaniny, mandra-pihatran’ny fahatezeran’i+ Jehovah tamin’ny olony, ka tsy nisy fanafany intsony.+
17 Koa nentin’Andriamanitra niakatra namely azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina,+ izay namono ny zatovon’izy ireo tamin’ny sabatra+ tao amin’ny toerana masina.+ Tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy na ny virjiny, na ny antitra na ny osa.+ Natolotr’Andriamanitra teo an-tanany daholo ny zava-drehetra.
18 Ary nentiny daholo ny fitaovana+ tao an-tranon’Andriamanitra, na lehibe+ na kely, ary koa ny zava-tsarobidy+ notehirizina tao an-tranon’i Jehovah mbamin’ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka+ sy ny andrianany, eny, nentiny tany Babylona daholo izany.
19 Dia nodorany ny tranon’Andriamanitra,+ ary noravany ny mandan’i+ Jerosalema. Nodoran’izy ireo koa ny tilikambo fonenana rehetra teo aminy, mbamin’ny zava-tsarobidiny rehetra,+ ka rava avokoa ny zava-drehetra.+
20 Dia nentiny ho babo tany Babylona+ izay sisa tsy matin-tsabatra, ka nanjary nanompo azy+ sy ny taranany, mandra-pitondran’ny fanjakan’i Persa.+
21 Izany dia mba hahatanteraka ny tenin’i Jehovah nolazain’i Jeremia,+ mandra-panonitr’ilay tany ny sabatany.+ Nitandrina sabata ilay tany nandritra ny andro rehetra tsy nisian’ny mponina teo aminy, mandra-pahatapitry ny fitopolo taona.+
22 Ary tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy+ mpanjakan’i Persa,+ dia nentanin’i+ Jehovah i Kyrosy* mpanjakan’i Persa mba hahatanteraka ny tenin’i Jehovah+ nolazain’i Jeremia.+ Koa nanao izao antso avo izao nanerana ny fanjakany izy, sady nanao izany an-tsoratra:+
23 “Izao no nolazain’i Kyrosy mpanjakan’i Persa:+ ‘Efa nanome ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany i Jehovah Andriamanitry ny lanitra,+ ary izy no naniraka ahy hanorina trano ho azy any Jerosalema, any Joda.+ Koa na iza na iza manompo azy aminareo,+ dia homba azy anie i Jehovah Andriamaniny!+ Dia aoka izy hiakatra.’”+
Fanamarihana
^ Na: “ny fanahin’i Kyrosy.”