2 Tantara 25:1-28
25 Dimy amby roapolo taona i Amazia+ tamin’izy lasa mpanjaka, ary sivy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana+ avy any Jerosalema.
2 Nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah+ foana i Amazia, saingy tsy tamin’ny fony manontolo.+
3 Raha vao mafy orina ny fanjakana nentiny, dia novonoiny ho faty+ avy hatrany ireo mpanompony+ izay namono ny mpanjaka rainy.+
4 Tsy novonoiny anefa ny zanak’ireo, fa narahiny izay voasoratra ao amin’ny lalàna ao amin’ny bokin’i Mosesy,+ dia izao nandidian’i Jehovah izao: “Ny ray tsy tokony ho faty noho ny ataon’ny zanaka,+ ary ny zanaka tsy tokony ho faty noho ny ataon’ny ray.+ Noho ny fahotany ihany no hahafaty ny tsirairay.”+
5 Dia novorin’i Amazia ny Joda, ary nalahany araka ny fianakaviambeny,+ teo ambany fifehezan’ny lehiben’ny arivo+ sy ny lehiben’ny zato,+ mba hiady ho an’ny Joda sy Benjamina rehetra. Dia nosoratany anarana izay roapolo+ taona no ho miakatra, ka hitany fa lehilahy voafantina telo hetsy azo nalefa tao amin’ny tafika izy ireo, sady nahatana lefona+ sy ampinga+ lehibe.
6 Ary nisy lehilahy iray hetsy izay matanjaka sy mahery fo avy tamin’ny Israely koa nokaramainy talenta volafotsy zato.
7 Tonga teo aminy anefa ny lehilahin’Andriamanitra+ anankiray, ka niteny hoe: “Aza avela hiaraka aminao ny tafiky ny Israely, ry mpanjaka ô, fa i Jehovah tsy miaraka amin’ny Israely,+ dia ny taranak’i Efraima rehetra.
8 Fa ianao no mankanesa any, ka manaova zavatra ary mahereza hiatrika ilay ady.+ Hain’Andriamanitra ny mandavo anao eo anoloan’ny fahavalo, fa manan-kery hanampiana+ sy handavoana+ izy.”
9 Dia hoy i Amazia+ taminy: “Koa ahoana ny amin’ireo talenta volafotsy zato efa nomeko ny miaramilan’ny Israely?”+ Ary hoy ilay lehilahin’Andriamanitra: “Afaka manome anao mihoatra lavitra noho izany i Jehovah.”+
10 Koa navahan’i Amazia mba halefa hody ireo miaramila avy tany Efraima tonga niaraka taminy. Tezitra mafy tamin’ny Joda anefa izy ireo, ka nody tamin-katezerana.+
11 Ary nisikina herim-po i Amazia, ka notarihiny ho any amin’ny Lohasahan-tsira+ ny vahoakany. Dia namely ny taranak’i Seira+ izy ka iray alina no matiny.+
12 Ary nisy iray alina koa azon’ny taranak’i Joda sambo-belona. Koa nentiny teny an-tampon’ny harambato ireo ka navariny avy teny, dia montsamontsana avokoa.+
13 Ireo miaramila nampodin’i Amazia tsy hiaraka hiady taminy+ kosa dia nanafika an’ireo tanànan’i Joda hatrany Samaria+ ka hatrany Beti-horona.+ Koa nahafaty olona telo arivo izy ireo tany, ary nandroba zavatra maro be.
14 Rehefa niverina avy namely ny Edomita anefa i Amazia, dia nentiny ireo andriamanitry+ ny taranak’i Seira ka nataony andriamaniny.+ Dia niankohoka teo anatrehan’ireny izy,+ ka nanolotra setroka ho sorona ho an’ireny.+
15 Koa tezitra be tamin’i Amazia i Jehovah, ka naniraka mpaminany hilaza taminy hoe: “Nahoana ianao no nitady+ an’ireo andriamanitry ny firenen-kafa,+ nefa tsy nahavonjy ny vahoakany avy teo an-tananao akory ireny?”+
16 Raha mbola niteny ilay mpaminany, dia namaly avy hatrany ny mpanjaka hoe: “Ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka angaha no nanendrenay anao?+ Aoka izay, sao matin’ny olona eo ianao.”+ Koa tsy niteny intsony ilay mpaminany, fa hoy fotsiny izy: “Fantatro fa efa tapa-kevitra ny handringana anao Andriamanitra,+ noho izany nataonao izany+ sy noho ianao tsy nihaino ny torohevitro.”+
17 Ary naka hevitra tamin’olon-kafa i Amazia mpanjakan’ny Joda ka nandefa iraka ho any amin’i Joasy zanak’i Joahaza, zanak’i Jeho mpanjakan’ny Israely,+ nanao hoe: “Tongava, andao isika hifanandrina!”+
18 Dia naniraka olona nankany amin’i Amazia mpanjakan’ny Joda i Joasy mpanjakan’ny Israely, hilaza hoe:+ “Nandefa iraka ho any amin’ny hazo sedera tany Libanona ny tsilo tany Libanona,+ nanao hoe: ‘Omeo ho vadin’ny zanako lahy ny zanakao vavy.’+ Nandalo anefa ny bibidia+ iray tany Libanona, ka nanosihosy an’ilay tsilo.
19 Nilaza ianao fa nandresy an’i Edoma,+ ka nasesiky ny fonao+ hanandra-tena mba hahazo voninahitra.+ Mitoera ihany anefa ao an-tranonao,+ ary aza mila ady, fa ho resy ianao sy ny Joda+ satria atody miady amam-bato ianareo.”+
20 Tsy nanaiky anefa i Amazia. Fa avy tamin’Andriamanitra+ no nahatonga izany mba hanolorana azy ireo eo an-tanan’i Joasy, noho izy ireo nitady ny andriamanitr’i Edoma.+
21 Niakatra àry i Joasy mpanjakan’ny Israely,+ ka nifanandrina+ tany Beti-semesy+ any Joda izy ireo, dia izy sy Amazia mpanjakan’ny Joda.
22 Dia resy teo anoloan’ny Israely ny Joda,+ ka samy nandositra nankany amin’ny tranolainy avy.+
23 Ary i Amazia mpanjakan’ny Joda zanak’i Joasy zanak’i Joahaza no nosamborin’i+ Joasy mpanjakan’ny Israely tany Beti-semesy, ka nentiny tany Jerosalema.+ Ary nanagorobahan’i Joasy efajato hakiho ny mandan’i Jerosalema, nanomboka teo amin’ny Vavahadin’i Efraima+ ka hatreo amin’ny Vavahady An-jorony.+
24 Dia nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy ary ny fitaovana izay niandraiketan’i Obeda-edoma+ tao an-tranon’Andriamanitra, sy ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’ny mpanjaka.+ Nisy koa olona nalainy ho takalon’aina. Dia niverina tany Samaria izy.+
25 Ary mbola velona dimy ambin’ny folo taona i Amazia+ zanak’i Joasy mpanjakan’ny Joda, taorian’ny nahafatesan’i Joasy+ zanak’i Joahaza mpanjakan’ny Israely.+
26 Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Amazia, na ny voalohany na ny farany,+ tsy efa voasoratra ao amin’ny Boky+ Momba ny Mpanjakan’ny Joda sy Israely ve izany?+
27 Ary nisy niray tetika+ hanohitra an’i Amazia tany Jerosalema, nanomboka tamin’izy tsy nanaraka an’i Jehovah. Farany dia nandositra tany Lakisy+ izy, nefa nisy nirahina hanenjika azy ka namono azy tany.+
28 Ary nentina tamin’ny soavaly ny fatiny+ ka nalevina any amin’ny razany, tao amin’ny tanànan’i Joda.+