2 Tantara 19:1-11

19  Ary niverina soa aman-tsara+ ho any an-tranony tany Jerosalema i Josafata mpanjakan’ny Joda.  Dia nandeha nankany amin’i Josafata Mpanjaka i Jeho+ zanak’i Hanany+ mpahita,+ ka niteny taminy hoe: “Ny ratsy fanahy indray ve no tokony hampiana,+ ary izay mankahala+ an’i Jehovah ve no tokony ho tianao?+ Noho izany, dia tezitra+ aminao i Jehovah.  Nisy zavatra tsara+ nataonao ihany anefa, satria nesorinao teto amin’ity tany ity ny tsato-kazo masina,+ ary nomaninao ny fonao hitady an’ilay tena Andriamanitra.”+  Ary tao Jerosalema foana i Josafata no nipetraka. Dia noteteziny indray ny vahoaka hatrany Beri-sheba+ ka hatrany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima,+ mba hampodiana azy ireny ho amin’i Jehovah Andriamanitry ny razany.+  Ary nametrahany mpitsara nanerana ilay tany, isaky ny tanàna voaro mafy rehetra tao Joda.+  Dia hoy izy tamin’ireo mpitsara: “Tandremo tsara izay ataonareo,+ satria tsy ho an’ny olona no itsaranareo, fa ho an’i Jehovah.+ Ary momba anareo izy amin’ny fitsarana ataonareo.+  Koa aoka hatahotra+ an’i Jehovah ianareo.+ Mitandrema tsara amin’izay ataonareo,+ fa tsy misy tsy fahamarinana ao amin’i Jehovah Andriamanitsika,+ ary tsy mba miangatra+ na mandray kolikoly+ izy.”  Ary napetrak’i Josafata tao Jerosalema koa ny sasany tamin’ny Levita+ sy ny mpisorona+ ary ny lohan’ny fianakaviambe+ teo amin’ny Israely, mba hampihatra ny lalàn’i+ Jehovah sy hitsara ny adin’ny+ mponina tao Jerosalema.  Dia nodidiany koa izy ireo hoe: “Izao no ataovy noho ny fahatahorana+ an’i Jehovah, ary aoka ianareo ho mendri-pitokisana sy hiasa amin’ny fo manontolo rehefa manao izany: 10  Raha manana ady entina eto anatrehanareo ny rahalahinareo monina any an-tanànany, na ady mahakasika fandatsahan-dra+ izany, na mahakasika lalàna+ sy didy+ sy fitsipika+ ary didim-pitsarana,+ dia ampitandremo izy ireo mba tsy hanao fahadisoana amin’i Jehovah, sao hiharan’ny fahatezerany+ ianareo sy ny rahalahinareo. Izany no tokony hataonareo mba tsy ho meloka ianareo. 11  Ary i Amaria lehiben’ny mpisorona no ho lehibenareo amin’ny raharaha rehetra momba an’i Jehovah.+ I Zebadia zanak’i Ismaela filohan’ny taranak’i Joda kosa no ho lehibenareo amin’ny raharaha rehetra momba ny mpanjaka. Ary ho mpiandraikitra hanampy anareo ny Levita. Koa mahereza,+ ataovy ny asa, ary hotahin’i Jehovah+ anie izay tsara ataonareo!”+

Fanamarihana