2 Tantara 17:1-19
17 Ary nanjaka nandimby an’i Asa i Josafata+ zanany, ka nanamafy orina ny toerany teo amin’ny Israely.
2 Koa nametrahany tafika tany amin’ny tanàna voaro mafy rehetra tao Joda, ary nasiany toby miaramila koa tany amin’ny tanin’i Joda sy ireo tanànan’i Efraima izay nobaboin’i Asa rainy.+
3 Ary nomba an’i Josafata foana i Jehovah,+ satria nanao hoatran’izay nataon’i Davida razambeny+ izy. Tsy nitady an’ireo Bala mantsy izy,+
4 fa ny Andriamanitry ny rainy kosa no notadiaviny+ ary ny didiny no narahiny,+ ka tsy nanao toy izay nataon’ny Israely+ izy.
5 Koa nataon’i Jehovah mafy orina teo an-tanany ny fanjakana.+ Ary nanateran’ny Joda rehetra fanomezana+ foana i Josafata, ka nahazo harena sy voninahitra be.+
6 Nanjary nahery fo koa izy tamin’ny fanarahana ny lalan’i+ Jehovah, ka nesoriny mihitsy aza ireo toerana avo+ sy tsato-kazo masina+ tao Joda.
7 Tamin’ny taona fahatelo nanjakany, dia nampiantsoiny ireto andrianany ireto, mba hampianatra tao amin’ireo tanànan’i Joda: Ben-haila, Obadia, Zakaria, Netanela, ary Mikaia.
8 Niaraka tamin’ireo andriana ireto Levita ireto: Semaia, Netania, Zebadia, Asahela, Semiramota, Jonatana, Adonia, Tobia, ary Tob-adonia. Ary niaraka tamin’ireo koa i Elisama sy Jorama izay samy mpisorona.+
9 Dia nampianatra+ tao Joda izy ireo, sady nitondra ny boky misy ny lalàn’i+ Jehovah, ka nitety ny tanàna rehetran’ny Joda, ary nampianatra teo amin’ny vahoaka.
10 Ary nataon’i Jehovah raiki-tahotra+ ny fanjakana rehetra nanodidina ny Joda, ka tsy niady tamin’i Josafata.+
11 Koa nisy Filistinina nitondra fanomezana+ ho an’i Josafata sady nandoa hetra+ taminy. Ary ny Arabo+ koa nitondra ondry aman’osy ho azy, dia ondrilahy fitonjato sy fito arivo, ary koa osilahy fitonjato sy fito arivo.+
12 Nahomby hatrany i Josafata sady nihanalaza be.+ Ary nanorina toerana voaro mafy+ sy tanàna fitehirizana entana sy vokatra+ tao Joda izy.
13 Nisahana raharaha maro isan-karazany tao amin’ireo tanànan’i Joda koa izy. Ary nisy miaramila mpiady,+ izay natanjaka sy nahery fo,+ tao Jerosalema,
14 ka ireto avy ny andraikiny, arakaraka ny fianakaviambeny: Ny avy tamin’ny Joda, dia i Adna no mpifehy an’ireo lehiben’ny arivo. Ary nisy lehilahy telo hetsy natanjaka sy nahery fo+ niaraka taminy.
15 Ary teo ambany fifehezany i Johanana, izay nifehy lehilahy valo alina sy roa hetsy.
16 Teo ambany fifehezan’i Adna koa i Amasia zanak’i Zikry, izay nanolo-tena an-tsitrapo+ hanompo an’i Jehovah. Ary nisy lehilahy roa hetsy natanjaka sy nahery fo niaraka tamin’i Amasia.
17 Ny avy tamin’ny Benjamina+ kosa, dia i Eliada izay natanjaka sy nahery fo. Lehilahy roa hetsy nitondra tsipìka sy ampinga+ no niaraka taminy.
18 Ary teo ambany fifehezany i Jozabada. Lehilahy valo alina sy iray hetsy voaomana hiady no niaraka tamin’i Jozabada.
19 Ireo no nanompo ny mpanjaka, ankoatra an’ireo efa napetraky ny mpanjaka tany amin’ireo tanàna voaro mafy+ nanerana an’i Joda.