1 Jaona 5:1-21
5 Izay rehetra mino fa i Jesosy no Kristy dia naterak’Andriamanitra,+ ary izay rehetra tia an’ilay niteraka dia tia an’ilay naterany koa.+
2 Rehefa tia an’Andriamanitra sy mankatò ny didiny+ isika, dia izay no ahafantarantsika fa tia+ an’ireo zanak’Andriamanitra+ isika.
3 Izao no fitiavana+ an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny.+ Tsy mavesatra anefa ny didiny,+
4 satria izay rehetra naterak’Andriamanitra+ dia mandresy an’izao tontolo izao.+ Izao no fandresena+ efa naharesy+ an’izao tontolo izao, dia ny finoantsika.+
5 Iza moa no mandresy+ an’izao tontolo izao+ afa-tsy izay mino+ fa i Jesosy no Zanak’Andriamanitra?+
6 Izy, izany hoe i Jesosy Kristy, no ilay tonga tamin’ny alalan’ny rano sy ny ra, tsy tamin’ny rano+ fotsiny, fa tamin’ny rano sy ny ra+ koa. Ny fanahy+ no vavolombelona manambara, satria ny fanahy no fahamarinana.
7 Koa misy vavolombelona telo àry,
8 dia ny fanahy+ sy ny rano+ ary ny ra.+ Mifanaraka tsara izy telo ireo.+
9 Raha mandray ny fanambaran’olona isika,+ ny fanambaran’Andriamanitra dia mbola lehibe kokoa, satria izao no fanambarana ataon’Andriamanitra, dia ny fanambarany+ momba ny Zanany.
10 Izay mino ny Zanak’Andriamanitra dia manana izany fanambarana+ izany ao am-pony. Ary izay tsy mino an’Andriamanitra dia manao an’Andriamanitra ho mpandainga,+ satria tsy mino an’izay nambarany,+ dia izay porofo+ nambarany momba ny Zanany.
11 Izao ilay fanambarana: Nanome antsika fiainana mandrakizay+ Andriamanitra, ary amin’ny alalan’ny Zanany no ahazoantsika izany fiainana izany.+
12 Izay manana ny Zanaka àry no manana an’io fiainana io, fa izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra kosa tsy manana an’io fiainana io.+
13 Manoratra aminareo momba izany aho mba hahalalanareo fa manana fiainana mandrakizay+ ianareo, eny, ianareo izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra.+
14 Izao no toky ananantsika ny amin’Andriamanitra:+ Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.+
15 Ary raha fantatsika fa mihaino antsika izy na inona na inona angatahintsika,+ dia fantatsika fa ho azontsika izany, satria nangatahintsika taminy.+
16 Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty,+ dia aoka izy hangataka avy hatrany ho an’ilay rahalahiny, ary izy* hanome azy fiainana,+ eny, hanome fiainana an’ireo manao ota tsy mahafaty.+ Misy anefa ota mahafaty. Ny amin’izany ota izany no lazaiko aminy hoe tsy tokony hanaovany fangatahana.+
17 Ota daholo ny tsy fahamarinana rehetra,+ kanefa misy ota tsy mahafaty.
18 Fantatsika fa tsy zatra manota izay rehetra naterak’Andriamanitra,+ fa miambina azy Ilay+ naterak’Andriamanitra, ka tsy manana fahefana aminy ilay ratsy.+
19 Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra+ isika, fa izao tontolo izao manontolo kosa eo ambany fahefan’ilay ratsy.+
20 Fantatsika anefa fa tonga ny Zanak’Andriamanitra,+ ary nanome antsika fahiratan-tsaina+ izy mba hahalalantsika an’ilay tena Andriamanitra.+ Ary amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany isika no tafaray+ amin’ilay tena izy, dia ilay tena+ Andriamanitra sy fiainana mandrakizay.+
21 Ry zanako malalako, mitandrema ianareo amin’ny sampy.+
Fanamarihana
^ Izany hoe “Andriamanitra”, rehefa jerena ny teny manodidina.